Teny nampidirina farany

Ankamantatra
[admin]
: a.: Filazan-javatra izay tiana hovinanin'ny hafa ka ny toetoetran'ilay zavatra hofantarina no lazaina amin'ny teny somary lavalava: Inona àry izany: Manam-bava hihinana, fa tsy manan-kibo hasiana? (Hety na antsy). Ahitsio
An-kalamanjana
[admin]
: p. mt.: Amin' ny toerana tsy takona fa miharihary: Natao teny an-kalamanjana ny fanononana ny ualim-panadinana. Ahitsio
Ankay
[admin]
: a.: Toerana mangadihady tsy misy voly na hazo, eo amoron'ny ala be. Ahitsio
Ankahiazina
[admin]
: Hahiazina (hahia), mt. ih.: Atao tonga mahia: Tsy maintsy ankahiazina, hono, Rasoa fa matauy loatra. Ahitsio
Ankahalaina
[admin]
: (hala), mt. ih, ankahalao): Iniana tsy tiana: Ankahalao ny fahotana. Ahitsio
Ankafizina
[admin]
: (fy), mt. ih. (ankafizo): Ankasitrahana, ankamamina: Ankafiziko ny toroheuitra omenao. ~ Tiavina: Ankafizo ny hauanao. Ahitsio
Ankabetsahany
[admin]
: (Ny) a.: (jer. Ny ankabeazany). Ahitsio
Ankabeazany
[admin]
: na Ankabiazany a.: Ny maro, ny betsaka: Tsy mahalala izany uaouao izany ny ankabeazany aminay. ¶ M.h.: ny ankamaroany, ny ankabetsahany. Ahitsio
Anjoria
[admin]
: a.: Teny tsy heverina loatra izay ho vokany, fa tenenina am-pahasahiana fotsiny. Ahitsio
Anjonjany
[admin]
: a.: Honkona atao anrin'ny zaran'angady na antsibe mba hahamafy azy. Ahitsio
Anjona
[admin]
: na Anjonanjona a.: A-vonavona tsy mijery ny olona noho ny fiheverana ny te-na ho ambony. Ahitsio
Anjomara
[admin]
: a.: Zavamaneno iray karazana amin'ny anjombona saingy lava be ny tahony (misy mahatratra roa metatra na mihoatra aza). Hatramin'ny dimy kilometatm tora-tady no andrenesana ny feony raha tsofina eny antendrombohitra izy, ka izany no ampiasana azy amin'ny fiantsoana fokonolona raha misy voina mihatra: hain-trano, dora tanety, tondra-drano, mpangalatra na fahavalo, kabary.•• Ahitsio
Anjolofo
[admin]
: a.: Fisisihana tsy misy fiheverana fa amin-kery fotsiny izao; fanaovana zavatra am-boletra tsy nijerena izay vokany: Tsy tsara ny anjolofo amin'izay atao na inona na inona. a F.-p.: Manao anjolofo: manao vy very ny aina. Ahitsio
Anjola
[admin]
: (njola) mt. fit. (anjolao): (ny maso) Entina mijery sompirana, amin'ny indramaso. Ahitsio
Anjoanjo
[admin]
: a.: Fanaovan-javatra tsy am-piheverana, kitoatoa: Tana manao anjoanjo koa izay olona nametmka it? tavoahangy feno rano it? teto ampouoan-trano. ~ Fanaovan-javatra tsy am-pikendrena tsara fa tokotokony sy sendrasendra fotsiny: Anjoanjo fotsiny no nahitako ny tranonareo. 1 p.t.: Enti-milaza zavatra ataotao foana na ankinina amin'ny kisendrasendra fa tsy noheverina na tsy fantatra akory: Tetika anjoanjo fotsiny ny azy. Ahitsio
Anjoanjo
[admin]
: a.: Zavatra tsy maintsy natao ao amin'ny fanekena; fepetra fehivava: Anjoanjon-teny: fepetra tsy maintsy arahina. Ahitsio
Anjoanina
[admin]
: (onjoana), mt. ih. (jer. Anjoana). Ahitsio
Anjoana
[admin]
: ft.: Niavian'ny hoe Anjoanina: omena voninahitra aman-jo sahaza azy: Tonga eto ny ray aman-dreny tokony hanjoanina. Ahitsio
Anjerimanontolo
[admin]
: a.: Toeram-pianarana ambaratonga ambony, Teny vao noforonina ilazana koa ny Oniversite. Ahitsio
Anjelisy
[admin]
: a. (lat. angelus) (Fit,. Kat.): Fivavahana fiarahabana an'i Masina Maria intelo isan'andro — maraina, mitataovovonana, hariva — amin' ny feon'ny lakolosy mitsitaitaika intelo. Ahitsio