Teny nampidirina farany

Angidinandriana
[admin]
: a.: Anarana karazan'angidina mivolondrotra vasoka. Ahitsio
Angidina
[admin]
: a.: Bibikely lavalava vatana, manana elatra manify dia manify roa mifanaingina andaniny avy, ary manidintsidina eny ambony rano. (Ny ondrindrano izay mivelona any anaty rano no miofo ho angidina). * Ohab.: Miriorio foana ny angidina fa any anaty rano ihany no iafarany: na inona na inona atao, ny hiafarana dia any amin'izay efa faleha araka ny fombany avy ihany. Ahitsio
Angidimbe
[admin]
: a.: Karazan'angidina Inhibe. Ahitsio
Angidimasombika
[admin]
: a.: Karazan' angidina kely mainty. Ahitsio
Angiangy
[admin]
: a.: Fahasahisahiandratsy, valavala, vazivazy mahamenatra. - t.i.f.: miangiangy, fiangiangy, mpiangiangy / iangiangiana, fiangiangiana. Ahitsio
Angeso
[admin]
: a.: Fombafomba tsy tsotra, tsy araka ny fo fa amboamboarina, ka aseho amin' ny fihetsika na fiteny. - t.i.f.: angesoina 1 miangeso, fiangeso, mpiangeso / iangesoana, fiangesoana. Ahitsio
Angerona
[admin]
: (ngerona), mt. at. (angerony): Asiana loto. Ahitsio
Angentsana
[admin]
: a.: Fihetsika be haitraitra, izany hoe be fombafomba amboamboarina. i t.i.f.: angentsanana, voangentsana, tafangentsana 1 miangentsana, fiangentsana, mpiangentsana / iangentsanana, fiangentsanana 1 manangentsana, fanangentsana, mpanangentsana 1 anangentsanana, fanangentsanana. Ahitsio
Angeloka
[admin]
: a.: Enti-milaza ny meloka indrindra amin'ny renirano. Ahitsio
Angelinkary
[admin]
: a.: Karazan'angely mivelona ao an-trano, indrindra fa ao amin'ny entra-no fandrahoan-tsakafo. Ahitsio
Angelingoaika
[admin]
: a.: Karazan' gely maintimainty volo. Ahitsio
Angely
[admin]
: a.: Bibikely tokony ho 3sm ny halavan'ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin'ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon'ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fiuolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely. * Ohab.: Aza manao fikitra mampiady angely: aza mampirisika olona hlady. / h.o.: Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin'olona. ΒΆ M.h.: angelingely, akanga, angatra, karandahy, mpiliba, mpanaram-po. Ahitsio
Angefa
[admin]
: p. mt.: Mitovy amin' ny anefa, nefa, andrefa, kandrefa (jer. ireo); fampiasan' ny ankizy indrindra kosa. Ahitsio
Angeboka
[admin]
: a.: Teny enti-milaza ny tsy hita ao anatin'ny loaka. Ahitsio
Angeafotsy
[admin]
: a.: Zavamaniry misy poizina atao famonoana bibikely (Crotolaria ibityensis). Ahitsio
Ange
[admin]
: Kian-teny kely enti-manintona ny sain'olona iresahana ka mitaona azy amimpiangentsanana kely hanao zavatra na hanatona: Jereo ange ito sariko. Avia ange hilazako zavatra e! Raha aorian'ny p. mt. manontany ny ange dia manamafy kely ny fanontaniana amim-pomba somary miangentsana: Nahoana ange no tsy valianao ny fanontaniako? Ahitsio
Angazake
[admin]
: (Ski) a.: Biby ohatra ny voalavo mitoetra amin'ny lava-kazo. Ahitsio
Angavodiana
[admin]
: a.: Hazo madinidinika fanao ody hatina sy ody fery ny lavenon'ny raviny dorana (Agauria salicifolia). ~ Hazo an'ala, mena somary mavo mifanapatapaka ny volony, tsara tarehy, fanaovana fanaka madinika misy sokitra. Ahitsio
Angavoady
[admin]
: a.: Karazan-kazo misy poizina ny voany sy ny hodiny (Thecacorio cornetia). Ahitsio
Angavy
[admin]
: ft.: Enti-milaza hevitra fangatahana mafy. - t.i.f.: miangavy, fiangavy, mpiangavy / iangaviana, fiangaviana. Ahitsio