Teny nampidirina farany

Angatra
[admin]
: a.: Aretin'ny fantson' ny lalandrano amin'ny tenan'ny olombelona, izay vokatry ny mikraoba iray azo avy amin'ny fahalotoam-pitondran-tena. - F.-p.: angaboribory: karazan'angatra mahatonga hampihantona ny fivalanan-drano sy ny fivalanana; / angamamy: aretina mpahazo ny ankizy fatra-pihinan-java-mamy, mahatonga azy hahatsiaro mangirifiry rehefa mivalan-drano; / angamaty: fahamafisan'ny aretin'ny angatra tonga amin'ny heriny mafy indrindra ka tsy mahavalandrano intsony izay voany. Ahitsio
Angatra
[admin]
: a.: Tsy fanaovana ara-ka ny rariny fa manome tombony na hitsiny ny hafa tsy tokony homena, na tsy manome izay tokony home-na; fizarana tsy marina; fitanilana ka misy tombo sy ha-la, misy omena be misy omena kely. (Tsy fampiasa amin' izao fa miaraka amin'ny tsy mandrakariva: Tsy angatra fa mahay kosa aloha ny zana-d-Rasoa e.) - t.i.f,: miangatra, fiangatra, mpiangatra / iangarana, fiangarana. a F.-p.: Manisy anga-potsy sy anga-mainty: miangatra araka ny fisehoana ety ivelany. Ahitsio
Angatra
[admin]
: a.: Fisehoan'ny fanahin'ny olona maty — na biby koa aza — izay mihelohelo manodidina ny velona ary mety ho hitan'ny velona mihitsy aza, indrindra amin'ny tarehin'ny afo (jer. Lolo, Matoatoa), - t.i.f.: manangatra. - F.-p.: mamoha angatra: manao ireo fombafomba ma-ro noheverin'ny Ntaolo ary mbola heverin'ny sasany ankehitriny koa ho afaka hampiteny ny angatry ny maty; / masiaka angatra: enti-milaza olona efa maty nefa fatrapampijaly ny velona ny angany; / aza manody, aza manangatra: fomba fiteny mba hiangaviana ny maty — izay sendra voateny amin'ny resaka — tsy hanimba ny velona. Ahitsio
Angatahina
[admin]
: (hataka), mt, ih. (angataho): Iangaviana mba homena ny tena: Inona no angatahinao ? Ahitsio
Angata
[admin]
: (Ski) na Angaty (mer.) a.: Karazan'akorandriaka boribory lavalava ohatra ny atody. Ahitsio
Angata
[admin]
: a.: Fahalovan'ny nify, izay mazàna hita antin'ny ankizy: Nify lanin'ny angata. Ahitsio
Angarorana
[admin]
: (Btm) a.: Bibikely sahala amin'ny tsipeko. Ahitsio
Angaroa
[admin]
: a.: Zavamaneno tsofina, mitovy amin'ny antsiva (akorandriakan - dranomasina) fa kelikely kokoa. Ny mpanjaka ihany fahiny, na izay olona voafidiny, no nampiasana ny angaroa; niavaka tsara teo amin'ny tany ama-monina ny feony satria avo feo nefa malefaka kokoa noho ny antsiva na ny anjombona (fer. ireo teny ireo). * Ohab.: Nandositra ny anjombona ka sendra ny angaroa: nandositra ny loza ka sendra ny antambo. Ahitsio
Angareso
[admin]
: (t, tr.) a.: Aingitraingitra na haingonkaingon-javatra tsy tena ilaina amin'ny zavatra iray fa entina hahatsara tarehy azy fotsiny. Ahitsio
Angaredona
[admin]
: a,: Vary andrahoina be rano. Ahitsio
Angaredona
[admin]
: a.: Ady am-parimbona ka maromaro no mamely olona anankiray. Ahitsio
Angaratra
[admin]
: a.: Ravin-drofia. Ahitsio
Angaranady
[admin]
: (fr. grenade) a.: Karazam-baomba kely fanipy amin'ny tanana. Ahitsio
Angaralahy
[admin]
: a.: Andevo mpanaraka ny mpaniaka. Ahitsio
Angaraboraraka
[admin]
: a.: Tsirambina, tandrevaka, kitoatoa (fer. Gaboraraka), Ahitsio
Angao
[admin]
: ppt. feh.: Mitovy amin' ny andrao, fandrao, sao, angoa. Ahitsio
Anganongano
[admin]
: a: Zavatra mahafinaritra foronin'ny haitraitra sy aingitraingitra. Ahitsio
Anganoina
[admin]
: (angano) mt, ih. (anganoy): Itarina sY hatsaraina izaitsizy. Ahitsio
Angano
[admin]
: a.: Tantara ifandovana an-dovantsofina mampiseho zavatra toa tsy azo inoana, izay angamba marina ihany tany an-tendrony, saingy novaovan'ny taranaka nifandimby taty aoriana: Ny anganon'Ikotofetsy sy Imahakà h.o.: Zavatra sarotra inoana: Aza milaza angano eo re ianao, ry Ingahy it?. 1 Loza, fahafatesan-kavana: Nahita angano it? isika mianakavy. •Karazan-javatrahafahafa atao fanampin-kanina, fanampin'akanjo (amin'ity hevitra ity, dia mazàna ny endrika verindroa no fampiasa): Tonga tao daholo izao anganonganon-kanina rehetra izao. - F.-p.: angano antoandro: tantara izay ahatsapana fampitomboana na fanitarana tsy roa aman-tany; / anganon jauatra: zavatra tsy fahita, loza amin'antambo; / anganonganon-kira: hira be filatro, be angolangola; / mahita angano: mahita loza. Ahitsio
Anganja
[admin]
: p, mt.: Angamba. Ahitsio