Tsindakana [admin] | : | a.: Karazam-balala maitso tia morondrano. Ahitsio |
Tsindailay [admin] | : | a.: Karazan-kazo madinika (Triumffeta Rhumboidea). Ahitsio |
Tsindahoro [admin] | : | a.: Karazan-kazo madinika (Sida rhombifolia). Ahitsio |
Tsinapaka [admin] | : | (tsapaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsapaka, tsapahina, idirana: Notsinapaky ny mpangalatra, ho-no, ny tranon-dry zareo ato avaratra. 1 Trabarana: Notsinapaky ny lefona ny tendan'ilay lambo. Ahitsio |
Tsinaonaona [admin] | : | Jer. Kinaonaona. Ahitsio |
Tsinanika [admin] | : | a.: Fibobohana be loatra, filerana be loatra. - t.i.f.: Mitsinanika, fitsinanika. Ahitsio |
Tsinanginangy [admin] | : | a.: Hasahiana be loatra, fidaondaom-bava: Tsy zaka leferina intsony ny tsinanginangin'io vehivavy io. - t.i.f.: Mitsinanginangy, fitsinanginangy, mpitsinanginangy / itsinanginanginana, fitsinanginangiana 1 mahatsinanginangy. Ahitsio |
Tsinanaina [admin] | : | p.t.: Teny enti-milaza ny tanimbary dibo-drano be loatra. Ahitsio |
Tsinana [admin] | : | p.t.: Enti-milaza ny volana vao miandoha, vao miverina miseho ho hita indray, rehefa avy maty: Tsinana afak'omaly ny volana ka efa hita kely anio. Ahitsio |
Tsinako [admin] | : | (tsako) mt. ih, misy tsofoka in: Voatsako, tsakoina, totoina amin'ny nify. Ahitsio |
Tsinaka [admin] | : | sy Tsinatsinaka a.: Fibontsin'ny kibo (toy ny an' ny vehivavy bevohoka). - t.i.f.: Mitsinaka, fitsinaka. Ahitsio |
Tsinainy [admin] | : | a.: Hazo kely mampitohy ny hazofisaka anankiroa. Ahitsio |
Tsinainaina [admin] | : | ft.: Toetran'ny olona na biby nosesefan-kanina. i t. Mitsinainaina, fitsinainaina. Ahitsio |
Tsinaikanaika [admin] | : | Mitovy hevitra ary mitovy fiovana endrika amin'ny Naikanaika. Ahitsio |
Tsinaika [admin] | : | (tsaika) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsaika, tsaikaina, tsaikafina, fantenana: Ny voa e fa notsinaika no ambolena matetika. Ahitsio |
Tsinay [admin] | : | a.: Organa fototr'aina ao anatin'ny tenan'ny olombelona (ny kibo), izay toy ny fantsona mamoaka ny fakan-tsakafo tsy levona; mivoaka avy eo amin'ny vavony ny tsinay ka miafara any amin'ny vavafivalanana; mizara roa izy io dia ny tsinaikely (6-8 m ho an'ny olombelona) ary ny tsinaibe (1,40 m - 1,70 m). - F.-p.: Tsinaim-potsy: ny tsinain' omby. / Tsinain-dahiny: ilay faritra miolikolika amin'ny tsinain'omby. I Fotsy tsinay: tsy nihinan-kanina, noana. / Mifanapa-tsinay: ilazana ny mpirahalahy na mpirahavavy na mpianadahy iray tam-po, iray reny niteraka. / Tsinay homana aty: mamely ny iray tam-po amin'ny tena na ny ankohonana. * Ohab. : Fotsy tsinay manantiana: noana fa natakalo fitiavana ny fahavokisana. Ahitsio |
Tsinabo [admin] | : | (tsabo) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsabo, tsaboina, karakaraina mba ho sitrana: Betsaka izay olona notsinabony izay! Ahitsio |
Tsin- [admin] | : | Tovona fanaovana fototeny faharoa manamafy ny hevitry ny fototeny voalohany: Tsingerina (herina), tsinjara (zara). Ahitsio |
Tsimponina [admin] | : | (tsimpona) mt. ih. (tsimpony): Alains tsirairay: Notsimponiny ireo vakana niraraka tamin'ny tany. 1 Fantenana ka alaina tairairay: Tsimpony ny teny rehetra miafara amin'ny "tra" amin'io an-dalan-tsoratra io. Ahitsio |
Tsimpona [admin] | : | a,: Fakana zavatra tsy indray mandeha fa imbetsaka; fandraisana tsirairay hatrany; fantina; fifantenana zavatra, tsy fakana betsaka fa tokana hatrany. i t. t. f.: Tsimponina, atsimpona, voatsimpona 1 mitsimpona, fitsimpona, mpitsimpona 1 itsimponana, fitsimponana I mahatsimpona I tsimpontsimpona. Ahitsio |