Teny nampidirina farany

Angabohabo
[admin]
: (t.tr.) a.: Kitoatoa, vinany, mosalahY. Ahitsio
Anga
[admin]
: ft.: Enti-milaza fahosana, fahakanosana. èt.i.f.: mananga. Ahitsio
Anerany
[admin]
: p. mt.: Teny fampiasa mandrakariva miaraka amin'ny tsy, ka ilazana zavatra be dia be, tsy tambo, tafahoatra ny mety: Tsy anerany ny hafanana aty aminareo izany. Ahitsio
Anentana
[admin]
: a.: Fehezan-javatra antonona hoentin'ny olona iray indray mandeha: Tsy zakako io anentan-kitay io. Ahitsio
Anendonando
[admin]
: (nendonendo), mt. fit.: Entina mampangirangirana. Ahitsio
Anelanelana
[admin]
: PPk.: Teny mpampiankina enti - milaza toerana eo afovoan'ny olona na zavatra roa: Nipetraka teo anelanelan'i dada sy i neny /koto. * Ohab.: Latsaka anelanelany ohatra ny kaka: sendra fahasahiranana manery andaniny roa avY. Ahitsio
Anefa
[admin]
: ppt.: Teny mparnpitohy, enti-milaza fifanoherankevitra, mitovy amin'ny kanefa sy nefa (fer. ireo) saingy ny anefa tsy atao manomboka fehezan-kevitra fa atao eo aorian'ny teny iray na roa: Namely ny anao lahy; tsy nahauoa anefa ka hany hery nitsoaka. Ahitsio
Androranga
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanao kitay bozaka, tsara firehitra aoka izany. Ahitsio
Androngo
[admin]
: a.: Biby mandady misy tongony efatra, mivelona eny an-tsaha, fa indrindra eny amin'ny tamboho sy ny rindrin'ny trano raya, anaty hazo,... (halavany: eo amin' ny 20 sm) iray karazana: androngo, sitry, antsiantsy, matahotrandro. - t.i.f.: manandrongo. * Ohab.: Androngo milanja lolo: be am-pitondrana fa kely am-pihinanana: tsy arakaraka ny fisehoana ivelany ny lanjam-bidin'ilay zavatra. / Androngo an'asa: (amin'ny tany asaina) ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka: samy mamonjy ny ainy avy raha misy olona miasa tany fa sao tapaky ny angady eo ny rambo. Ahitsio
Androndra
[admin]
: a: Anarana entimilaza zavatra tonta, indrindra ny lamba, izay amboarina ho toy ny vao indray. Ahitsio
Androna
[admin]
: (t.tr.) a,: Famaky. Ahitsio
And robe
[admin]
: a : Aretin-kozatra tsy fantatra antony na fiaviana, fa ny fisehoany no amantarana azy: miantso mafy ny marary, dia midaboka ary tsy mahatsiaro tena; rehefa avy henjana ny vatany rehetra dia manomboka mifanintona amin'izay izy; fanafody mampihena ny mangirifiry no misy fa tsy mahasitrana ny androbe tanteraka. Ahitsio
Androany
[admin]
: p.mt.: mpamaritra matoanteny enti-milaza ny tapany efa lasa amin'ny andro itenenana: Nianatra aljebra izahay androany. (Diso ny hoe: Hianatra al7ebra isika androany; anio no tokony hampiasaina eo: jar. io teny io). Ahitsio
Andro
[admin]
: a.: Fotoana manelanelana ny misasak'alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay. ? Ny fotoana anazavan'ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin'ny folo (mifanohitra amin'ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava. • Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran'ny andro ianao eo. 1 Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: A-min'izao andron'ny baomba atomika izao. / Efa nanomboka ny fandrosoana tamin'ny andron-dRadama rainy. ~ Ny fiainan'ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron'ny zanak'olombelona, hoy ny Soratra Masina. ? Vintana: Ratsy andro, hono, ft? zaza US, araka ny filazan'ny mpanandro. ~ Toetran'ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra. / Mangatsiaka ny andro amin'ny ririnina. ~ Fotoana: Vary andro foana eto aho. - t.i.f.: manandro, fanandro, mpanandro / anandroana, fanandroana / mifanandro. ? F.p.: Andro iray toa zato: andro misy fifaliana be noho ny zava-nitranga taminy na noho ny hafaliana entiny; / andro fotsy: andro voalazan' ny mpanandro ho tsara: / andro mahery: andro voalazan' ny mpanandro ho mampahita loza; / andro mena: andro na vintana voalazan'ny mpanandro ho mafy, masiaka, na ny fotoana maharevo ny tantsaha amin'ny fambolena (manetsa ny olona: mena ny rano; miasa na mihevo: mena ny tanety); / androm-balala: toetr'andro migaingaina nefa mandrivo-maina; / andro uelona: andro anafahana olomeloka, indrindra ny mpikomy; /andro uidina: enti-milaza fotoana sarobidy tsy foy holanilanina foana; / andro tsy maty: andro fifaiiam-be ka samy mahazo manao izay tiany amin'ny fanaranam-po ny olona rehetra; / androndolo: andro mitsilopilopy tsy mazava tsara, na ilay ma-raina menamena iny ny vodilanitra, na ilay sady misy andro mipoaka no avy ny orana; / andro mandrorona: fotoan'andro ihilanan'ny masoandro; / andro mahatsara vahiny: ilay takariva mavana mahafinaritra iny; / isan'andro, isan'andro mihiratra, isan'andro vaky: isaky ny misy andro mipoaka; / lany andro: efa tsy fampiasa intsony amin'ilay fotoana itenenana; / maimbo andro: misy fofona azon'ny hainandro;/ mamintana andro: mandainga fotoana (avy amin'ny teny hoe vintana: noheverin'ilay olona nifanaovana fotoana fa mifanohitra amin'ny vintany ilay andro nifanekena ka dia tsy tonga izy); / mampoelana andro: tsy miasa isan'andro misesy fa mandingandingana (tsy amin'ny asa ihany anefa no ilazana izany fa amin'izay rehetra tsy misesy isan'andro, toy ny akoho manatody, ny tazo mamely...); / manala andro: manao kilalao na resaka mahavery dia mba handaniana ny fotoana; mitanina andro na mitapy andro: mipetraka amin'ny toerana azon'ny hainandro tsara mba hahazo hafanana; / mangataka andro: miangavy ny hampihemorana ny fotoana efa nifanarahana na nif anekena; / manaraka andro: mitanina andro ka mifindrafindra manaraka izay misy hainandro; / misandratra andro: enti-milaza ny fotoana hatramin'ny maraina ka hatramin'ny mitataovovonana; / mitsidika andro: entimilaza ny fotoana rehefa mihilana kely aorian'ny mitataovovonana ny masoandro; / manitsaka andro: mamantatra vintan'olona araka ny fotoana nahaterahany; / mialina andro: enti-milaza zavatra tehirizina na raharaha atao izay tsy vita androtry ny nanombohana azy fa mahatratra ny andro manaraka; / andro vitan-keny ho azy: tonon'andro mety hampidi-doza aminy; / andro amanan'alina: mandritra ny andro sy mandritra ny alina tsy tapaka; / andro mody: enti-milaza ny andro efa ho tapitra, efa ho faty. Ahitsio
Andrivolahy
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao fampivalanana ny voany (Lagenaria vulgaris). Ahitsio
Andritsilaitsy
[admin]
: a.: Zavamaniry ampiasaina ho fanafodin'ny olona ambany tosidra (Norohna sp.). Ahitsio
Andrisa
[admin]
: (fit.p.) a.: Vatofantsika. Ahitsio
Andrindrinan-trano
[admin]
: a.: Anarana entina milaza olona ahiahina ho mpangalatra ka mandrindrin-trano daholo ny plona rehefa mandalo izy. Ahitsio
Andriantany
[admin]
: a.: Tany mafy toy ny vato. Ahitsio
Andrifafy
[admin]
: (Ats) a.: Fetin'ny maty ankalazaina amimpomba lehibe ho an'ireo maty vao haingana sy ny lehibebe amin'ireo teo aloha. Ahitsio