Teny nampidirina farany

Andrianjahonoany
[admin]
: a.: Karazana masoivoho na olona itokisana tanteraka misolo tena ny mpitondra fanjakana any an-tany hafa ka ametrahany andraikitra lehibe, ary izay vitany dia ohatra ny tenany ihany no nanao azy. Ahitsio
Andrianina
[admin]
: (andriana), mt. ih. (andriano): Hajaina, omena voninahitra fatratra. Ahitsio
Andrianify
[admin]
: a.: Ireo nify anoloana efatra ambony, efatra ambany (jer.Nify). Ahitsio
Andriandahy
[admin]
: a.: Teny fanajana fanao ao alohan'ny anaran'andriana lehilahy na iantsoana na ilazana azy raha miresaka aminy: Ny andriandahy koa be uazivazy, 1 Anaran-karatra filalaovana misy sarina mpanjakalahy. Ahitsio
Andriananahary
[admin]
: a.: Teny ilazana an'Andriamanitra, izay noheverin'ny Ntaolo Malagasy ho nampisy izao rehetra izao. Matetika ny hoe Andriananahary dia nampiarahina amin'ny hoe Andriamanitra (jer. Andriamanitra), Ahitsio
Andrianaivo
[admin]
: a.: Teny fanajana ilazana ny zanakalahy eo anelanelan'ny lahimatoa sy ny faralahy ao amin'ny fianakaviana. Ahitsio
Andrianahambana
[admin]
: a.: Teny ilazana, eo amin'ny fanambarana ampahibemaso, ny mpanjaka handimby ny mpanjaka vao niamboho; mpandimby mendrika. Ahitsio
Andriana
[admin]
: (andry), mt. p. toejau. (andrio): Ilazana ny tany na kidoro itsorana, ivalamparana, na trano andaniana ny alina amin'ny torimaso: Tsy misy trano handriana ve eto? * Ohab: Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika: tsy misy na inona na inona azo raha tsy isahiranana. Ahitsio
Andriana
[admin]
: a.: Ny lohany amin' ny foko iray ara-pirazanana, izay nanana tombon-tsoa manokana fahizay, fa indrindra natao halam-patan'ny andriamanjaka, izany hoe nakana izay ho mpanjaka. - t.i.f.: andrianina I manandriana, fanandriana, mpanandriana / anandrianana, fanandrianana / miandriandriana, fiandriandriana, mpiandriandriana / iandriandrianana, fiandriandrianana I mahandriana. - F,•p.: Samy andrian-ko azy samy manana ny fahefany any aminy avy; / fihauanan' andriana: tsy mifandray firy fa anarany fotsiny; / andriana tompomenakely na tompombodivona: andriana napetraky ny mpanjaka hitondra menakely na vodivona fier. ireo teny ireo). Ahitsio
Andriamparany
[admin]
: a.: Teny fanajana ilazana ny zanakalahy farany, ny faralahy. Ahitsio
Andriamborivory
[admin]
: a.: Mpaniaka mandidy tokana, izany hoe mandidy araka ny sitrapony ¶ M.h.: mpanao jadona, mpanao teny tsy valiana, mpandidy tokana, mpandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy. Ahitsio
Andriambololonkazo
[admin]
: a.: Zavamaniry ampiasaina hamparisidrisika ny vavony ny laingony sy ny tsimony (Ficus soroceuides). Ahitsio
Andriambolafotsy
[admin]
: a.: Zavamaniry fanaovana savony fana-sana volo (Croton baldaufii). Fanao ody rohana sy gaotra ny raviny sy ny hodiny rehefa avy atsoboka ao anaty rano mangotraka mandritra ny 5-10 minitra; azo anaovana evoka ihany koa. Ahitsio
Andriamby
[admin]
: a.: Tenan-javatra fahita any anatin'ny tany, manana hery manokana hanintona ny vy sy ny metaly sasantsasany. Ahitsio
Andriambe
[admin]
: a.: der.: Andriamanjaka). Ahitsio
Andriambavirano
[admin]
: a.: Anarankafa iantsoana ny zazavavindrano fier. it?). Ahitsio
Andriambavilanitra
[admin]
: a.: Teny fanajana ilazana ny vehivavy, fampiasa indrindra eo amin' ny kabary. Ahitsio
Andriambavy
[admin]
: a.: Teny fanajana fanao eo alohan'ny anaran'ny andriana vehivavy na iantsoana azy raha miresaka aminy: Ny andriambauy Rabodoseheno. Aoka re, ny andriambauy, fa dia ianao indray ue no hisahirana hankany aminay. ~ Anaran-karatra filalaovana misy sarina mpanjakavavy. Ahitsio
Andriambaventy
[admin]
: a.: Manamboninahitra lehibe fahiny niadidy ny raharaham-pitsarana. (Tamin'ny andro nanjakan-dRadama, ny uadintany fony tamin'Andrianampoinimerina ihany no novany ho andriambauenty). Ahitsio
Andriamatoa
[admin]
: a.: Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin'ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankat? Andriamatoa, hoy i dada tamin-d Randriamparany. 1 Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonga namangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy Ianja amin'ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony). 1 Teny fanajana fanao eo alohan'ny anaram-boninahitra entin'ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben'ny tanàna. Ahitsio