Teny nampidirina farany

Anankiray
[admin]
: p. t.: Iray (fitenin' ny ankizy ary enti-milaza isan-javatra fa tsy entina manisa); ny anankiray sy anankiroa ary anankitelo ihany no tena fandre matetika. Ahitsio
Anandrano
[admin]
: a.: Karazan'anana madini-dravina maniry eny amin'ny tany be rano; fanao ro ary azo hanina manta fanao salady koa. Be vitamina C ny anandrano (Nasturtium officinale). Ananinombilahy a.: Zavamaniry famonoana bibikely toy ny moka, parasy sns...(Cleissthantus perrieri). Ahitsio
Anandaingo
[admin]
: a.: Zavamaniry fanaovana fanafody kohaka. (Lobelia agrestis). Ahitsio
Ananaomby
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody kankana ny raviny (Stachystapheta jamaicensis) Ahitsio
Anananana
[admin]
: (nananana), mt. at. Lazaina mafy miantsoantso. Ahitsio
Ananambo
[admin]
: a.: Zavamaniry marotsaka fanao fangaron-daoka, misy vitamina C ny tahony sy ny fakany (Moringa oleifem), Ahitsio
Anana
[admin]
: ft.: milaza fananan-javatra. - t.i.f.: ananana / manana, fanana, mpanana / ananana, fananana. Ahitsio
Anana
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao fangaron-daoka na laoka mihitsy aza, toy ny anamamy anantsonga, anamalaho,...: Anam-bazaha: anana tsy tera-tany fa nampidirina teto, toy ny laisoa, karaoty, nave. ? F,-p.: Mitsongo anana:maka anana. * Ohab.: Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana: enti-milaza olona manao zavatra tsy fanaony ka very andro fotsiny. Ahitsio
Anampoza
[admin]
: a.: Karazan'anana fanao raokandro. Ahitsio
Anampy
[admin]
: (ampy), mt. at. (anampio): Enti-milaza izay a-tao fanampiny amin'ny zavatra iray: Int? misy vola kely hanampy ny vatsinao. Ahitsio
Anampatsa
[admin]
: a.: Karâzan'anana. Ahitsio
Anamboraka
[admin]
: na Beroberobazaha a.: Zavamaniry madinika ataon'ny olona fampivalanana (Sonchus oleacerus). Ahitsio
Anamamy
[admin]
: a.: Karazan'anana lehibebe ravina, anisan'ny be mpitia indrindra raha atao ro noho ny tsirony mangananganana tsara. • F.-p : Anamamy dimbinantsy: ilazana ny kolokolon'anamamy maniry amin'ny ta-ho nakana ravina teo aloha. r(Solanum nodifiorum). Ahitsio
Anamalaho
[admin]
: a.: Karazan'anana masiatsiaka sy mafanafana ary anisan'ny be mpitia raha ampiarahina amin'ny anana maro, toy ny anamamy, anantsonga, ravim-boatavo. Raha hanina maitso ary man-ta ny anamalaho dia manome vitamina C (Spilanthes oleraces). Misy karazany maro ny anamalaho: anamalahobe, anamalahokely, anamalahombazaha, anamalahonkova, anamalahovavy, * Ohab.: Sery vitan'anamalaho ka handaniana vantotr' akoho: nampiasain'ny Ntao-Io ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr'akoho. Ahitsio
Anamafaitra
[admin]
: a.: Karazan'anana saika toy ny anamamy ngita kely, saingy mangidy aoka izany. Ahitsio
Anamadinika
[admin]
: a.: Anarana iombonana ilazana ireo anana samihafa maniry ho azy eny an-tsisin-tanimboly, toy ny anampatsa, anantarika, anantsinahy... (Ireo anana tena famboly: anamamy, anantsonga... dia tsy mba natao ho anisany). Ahitsio
Analasosa
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinika fanaovana ody mivalan-dra na mandoa ra. Ahitsio
Anakotsohotso
[admin]
: (t.tr.) a.: Tsilaingalainga, hafetsifetsena. Ahitsio
Anakidory
[admin]
: a.: Amponga kely kokoa noho ny dory (zanaky ny dory no heviny). Anisan' ny amponga masina izy io fa ampiasaina amin'ny hirampivavahana:tromba, bilo, sns. ary tsy azom-behivavy kasihina; ny any amin'ny faritanin'ny Sakalava no mampiasa azy. Ahitsio
Anakia
[admin]
: (Ski) a.: Mpanao majika, mpampiseho fahakingantanana. Ahitsio