Teny nampidirina farany

Anakatsotsy
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao fanafodin'ny aretin'ny fivaviana (Phyllanthus niruri) Ahitsio
Anakatsimba
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny raviny, indrindra raha mandoa ny marary; azo ampiasaina ho fanafodin'ny biliezy koa izy, ary ny raviny apetaka amin' ny nonon'ny mpifana misy vay (Toddalia asiatica). Ahitsio
Anakaraka
[admin]
: a.: Zavamaniry madinika famonoana bibikely, toy ny parasy, moka... (Cordyla madagascariensis). Ahitsio
Anakaomby
[admin]
: (Br) a.: Angaka dia vaventiventy. Ahitsio
Anakantsaina
[admin]
: p.mt.: Any antsaina, any an'eritreritra fotsiny: Ndeha hohaniko io paiso io, hoy izy anakantsainy. ¶ M.h.: anakampo. Ahitsio
Anakandroana
[admin]
: p t. na a,:Voan' ny anakandro; matetika anefa ilazan'ny olona ny anakandro mihitsy io teny io: Toa misy anakandroana izany tavanao izany. Ahitsio
Anakandro
[admin]
: a.: Zavatra mihefakefaka amin'ny hoditra, fa indrindra ny hodi-tava, mova tsy ny tako-pery manify. - t.i.f.: anakandroana. Ahitsio
Anakandriana
[admin]
: na Ranakandriana a.: Zavatra tsy hita maso ninoan'ny Ntaolo ho nonina tany anaty lava-bato, ary mpanelanelana eamin'Andriamanitra sy ny olombelona; ny anakandriana no voalaza ho nanindry mandry na nanoro hevitra ny mpimasy. Ahitsio
Anakandriamaso
[admin]
: a.: Ilay zavatra ao anaty voamaso, izay idiran' ny tsirim-pahazavana fototry ny fahitana. - F.-p.: Tandremana ohatra ny anakandriamaso: tandremana fatratra izaitsizy. Ahitsio
Anakanaka
[admin]
: na Kianakianaka a.: Hofan-javatra nindramina, saingy tsy vola fa zavatra. Ahitsio
Anakampo
[admin]
: p.mt.: Any anaty any ihany fa tsy miseho et? ivelany: Hoy aho anakampo. ¶ M.h.: anakantsaina. Ahitsio
Anakamonto
[admin]
: a.: Zaza tsy fanta-dray, zazasary. Ahitsio
Anakaina
[admin]
: na Anakavina (aka), mt. ih. (anakao, anakavo): Odiana tsy fantatra, odiana anaovana izao sy izao. Ahitsio
Anaka
[admin]
: a.: Teny mitovy tsy misy hafa amin'ny hoe zanaka, saingy tsy fampiasa afa-tsy amin'ireto fombam-pehezanteny manaraka ireto: a) raha misy mpamaritra anarana eo alohany: Efa lehibe anaka Razay. / Maro anaka izy. / Vao maty anaka Rabe. b) raha atao teny enti-miantso: Hendre tsara, anaka. - t.i.f.: mianaka, mpianaka, fianahana / fananahana / ampianahana / mianakavy, mpianakavy / fianakaviana / mpianakavibe. - F.-p.: Manana anaka: manan-janaka vao torontoronina ao an-kibo; / tsy mamono anaka: miaraka amin'izay (dia maty, resy). * Ohab.: Saro-po manana anaka, ka tsy hanan-dray ny ankizy: hahantra izay manary na mandao ny asa na raharaha fanaony noho ny hasosorana kely tsy toy inona. Ahitsio
Anaikanaika
[admin]
: (naikanaika), mt. at. (anaikanaikao): Ampahitana loza, asehoseho an-kasahian-doatra: Aza anaikanaika eo it? zanakao. Ahitsio
Anay
[admin]
: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona enti-manolo ny izahay raha atao teny fameno: Nanasa anay idadatoa tamin'ny alahady, na atao teny milaza tompon-javatra: Anay ny fandresena! 1 Ny anay: enti-milaza zavatra ananana: fY? trano it? an-dRanaivo, itsy kosa ny anay. Ahitsio
Anadahy
[admin]
: a.: Lehilahy iray tam-po amin'ny vehivavy iray: Rakoto no anaran'ny anadahin-dRasoa. Ahitsio
Anabavy
[admin]
: a.: Vehivavy iray tam-po amin'ny lehilahy iray: Namangy anay Ralay sy ny anabaviny. / Rasoa no anamn'ny anabavin-dRabia. Ahitsio
Ana
[admin]
: ppk.: Teny mpampiankina enti-milaza tompon-javatra izay ao anaty antokon' olona malalaka: Ana Malagasy it? trano ita fa Vazaha no mipetraka ao. Ahitsio
Ana
[admin]
: p.t.: Tsy afaka miaina tsara noho ny hasemporana niakatra fiakarana na nihazakazaka mafy: Ana aho uao nahafaka ny rihana efatm mankat9 aminareo. Ahitsio