Teny nampidirina farany

Ampombo
[admin]
: a.: Ny fonon'ny fotsimbary na ny hoditry ny vary akotry. Ahitsio
Ampolokeliny
[admin]
: (folokeliny), a.: Fitsinjaram-paritany, foko. Ahitsio
Ampola
[admin]
: (fr. ampoule) a.: Jer,Takamoa. Ahitsio
Ampoka
[admin]
: p. t.: Feno, vonto, boboka: Sponjy ampo-drano. • Feno, henika: Ho ampoky ny soa anie ianao! - t.i.f.: ampohana, voampoka 1 manampoka, fanampoka 1 anampohana, fanampohana / miampoka 1 mahampoka. - F.-p.: Manampoka aina: manao izay hahafa-diana, hahafa-po; / olona tsy ampoka: olona tsy manjary, vetaveta. Ahitsio
Ampoka
[admin]
: a.: Lalao kanety ka ilay kanety iadiana iny ihany no atao loka. Ahitsio
Ampoizina
[admin]
: (fo) mt. ih. (ampoizo): Andrasana, antenaina: Tsy nampoizinay ho tonga androany ianao. ? Kasaina: Moa ve efa nampoizinao izao halatra nataonao izao? 1 Eritreretina, ahina, atao ho zavatra ka eritreretindava: Ampoizo ny fianaranareo, rankizy. Ahitsio
Ampohana
[admin]
: (ampoka) mt. ih. (ampohy): Vontosana, fenoina: Hampohan'Andriamanitra ny soa anie ianao! Ahitsio
Ampofoina
[admin]
: (fofo), mt. at. (ampofoy): Apetraka eo ambony fe sy ranjo miforitra, eo anoloan'ny kibo sy ny tratra. Ahitsio
Am-pofoana
[admin]
: f.-p.: Eo ambony fe sy ranjo miforitra: Eo ampofoana no efa manomboka ny fanabeazana ny ankizy. Ahitsio
Ampofo
[admin]
: ft.: Enti-milaza fipetrahana eo ambony fe sy ranjo miforitra. - t.i.f.: ampofoina, voampofo / miampofo, fiampofo, mpiampofo I iampofoana, fiampofoana, mahampofo / ampofoana. Ahitsio
Ampody
[admin]
: na Ampodina (Ski) a,: Karazan-kazon'ala manopy vony ny hazony ary lava-lava mivaky telo ny raviny, fanao zaran-defona. Ahitsio
Ampoasaina
[admin]
: (ampoasa) mt. ih. (ampoasao): Kasaina, ampoizina. Ahitsio
Ampoasa
[admin]
: p. mt.: Am-pikasana (tsy fampiasa afa-tsy amin' io endrika io, saingy manana sampanteny). - t.i.f.: Ampoasaina / mampoasa na manampoasa, fampoasa na fanampoasa, mpampoasa na mpanampoasa / ampoasana na anampoasana, fampoasana na fanampoasana, Ahitsio
Am-po
[admin]
: (antokon-teny roa an sy fo tonga karazana fototeny). - t.i.f.: ampoizina, manampo, fanampo, mpanampo / anampoizana, fanampoizana. Ahitsio
Ampizafy
[admin]
: (fit.-p.) a.: Vehivavy. • Vehivavy voan'ny tromba. Ahitsio
Ampiveza
[admin]
: (Skl) a.: Ny ankavian-dakana na sambo, mifanohitra amin'ny antehe. Ahitsio
Ampitso
[admin]
: a.: Enti-milaza ny andro manaraka n? andro itenenana na ny andro tannin-na: Tsy misy mahalala ny ampitso. / Narary izy ny ampitson'ny nandehanany. • h. Ny ho avy: Ny ampitso no hanamarina izany. • p. mt.: Indraindray ampiasaina ho mpamaritra matoanteny mitovy amin'ny rahampitso: Ampitso izy no handeha, - t.i.f•: rahampitso. Ahitsio
Ampitra
[admin]
: na Hampitra a.: Fiankinana amin'ny hafa, takarina. - t.i.f.: Mihampitra. Ahitsio
Am-pitotoam-bary
[admin]
: p. mt.: Mari-p otoana folakandro ilay mby amin'ny toerana fitotoam-bary iny ny taratry ny masoandro tao amin'ny tranon'ny Ntaolo,izany hoe eo amin'ny 2 ora amin'ny famantaranandro ankehitriny. Ahitsio
Ampitika
[admin]
: (t. tr.) a.: Zanatsipika, zanatsirika. Ahitsio