Teny nampidirina farany

Tsimpona
[admin]
: a,: Fakana zavatra tsy indray mandeha fa imbetsaka; fandraisana tsirairay hatrany; fantina; fifantenana zavatra, tsy fakana betsaka fa tokana hatrany. i t. t. f.: Tsimponina, atsimpona, voatsimpona 1 mitsimpona, fitsimpona, mpitsimpona 1 itsimponana, fitsimponana I mahatsimpona I tsimpontsimpona. Ahitsio
Tsimpohafohazina
[admin]
: (tsimpohafohazina) mt ih. (tsimpohafohazy): Enti-milaza ny tany ataon'ny bibikely mitsitokotoko eny am-bava lavany. 1 Enti-milaza ny volo atao mitsangantsangana. Ahitsio
Tsimpohafoha
[admin]
: a.: Zavamaniry karazan'ny mihoronkorĂąna fa kely. Ahitsio
Tsimpohafoha
[admin]
: a.: Dongon-tany kely ataon'ny kankana na ny bibikely hafa mivoaka avy any anaty tany. - t.i.f.: Tsimpohafohazina, atsimpohafoha, voatsimpohafoha 1 manatsimpohafoha, fanatsimpohafoha, mpanatsimpohafoha 1 anatsimpohafohazana, fanatsimpohafohazana I mitsimpohafoha, fitsimpohafoha, mpitsimpohafoha 1 itsimpohafohazana, fitsimpohafohazana 1 mahatsimpohafoha. Ahitsio
Tsimpimpina
[admin]
: a,: Karazan'ahitra fanao ody folaka na mioritra. Ahitsio
Tsimperifery
[admin]
: a.: Zavamaniry masiatsiaka ny voany toy ny dipoavatra vahiny, izay atao koa hoe tsimahalatsaka. Ahitsio
Tsimpefe
[admin]
: na Tsipefe a.: Karazam-balala salasalany fa nofonofosana, mafimafy; ny volony saiky mena tanora, misy fotsy kely manaraka ny lavam-peny. Ahitsio
Tsimpasika
[admin]
: a.: Karazam-pasika. Ahitsio
Tsimparifary
[admin]
: a.: Karazan'ahitra toy ny ahidratsy izay miara-maniry amin'ny vary: "Na hikambana sy hiray ka hivady aza isika, / Tsy hataon'ny olona toy ny tsimparifary sy ny ketsa, / ka mifankatia vao sarahiny?" (Haintenin'ny Ntaolo: Mba ta hanan-jara Rambolo). Ahitsio
Tsimpandrifandry
[admin]
: p. t.: Tsy mbola vita hentitra tsara. Ahitsio
Tsimozimozy
[admin]
: Jer. Mozimozy. Ahitsio
Tsimondrimondry
[admin]
: p.t.: Fohy rantsan•tanana, izay sady kely no tsy tonga volana. 1 a.: 1) Olona mitavozavoza, mikisinkisina. 2) Karazan-kazo madinika. Ahitsio
Tsimoka
[admin]
: a.: Laingon-javamaniry vao mitranga. 1 Fahavakiam-bazan-javamaniry vao mitsiry. - t.i.f.: Tafatsimoka 1 mitai-moka, fitsimoka / itsimohana, fitsimohana 1 mahatsimoka. Ahitsio
Tsimody
[admin]
: a.: Anarana bibikely. Ahitsio
Tsimiranja
[admin]
: (Tsm) a.: Hazo ahazoana fingotra. Ahitsio
Tsimirango
[admin]
: a.: Omby lava tandroka. Ahitsio
Tsimintsimina
[admin]
: p.t.: Falifaly, ravoravo, mitsikitsiky. - t.i.f.: Atsimintsimina, tafatsimintsimina 1 mitsimintsimina, fitsimintsimina, mpitsimintsimina 1 itsimintsiminana, fitsimintsiminana I mahatsimintsimina. Ahitsio
Tsiminina
[admin]
: (tsimina) mt. ih. (tsimio): Rarina sy alahatra amin'ny varivariny atao tafontrano. Ahitsio
Tsimina
[admin]
: a.: Herana voarary sy voalahatra amin'ny vakfn-kazo solom-barivary atao tafontrano. - t.i.f.: Tsiminina, atsimina, voatsimina / manimina, fanimina, mpanimina / animinana, faniminana / mahatsimina. Ahitsio
Tsimilanjavatsy
[admin]
: a.: Anarandamba zandiana misoratsoratra. Ahitsio