Teny nampidirina farany

Ampitahaina
[admin]
: (taha), mt. ih. (ampitahao): Ampitovina ka jerena izay tsara kokoa amin' ny zavatra roa na maro: Vasoka ny akanjoko raha ampitahaina amin'ny anao. Ahitsio
Ampita
[admin]
: p. mt. sady ppk. koa: Mitovy amin'ny hoe andafy (fer. it?). Ahitsio
Ampirivanina
[admin]
: (ricana), mt. at. (ampirivano): Rahonana mafy amin-katezerana (fampiasa kokoa noho ny rivanina). Ahitsio
Ampirina
[admin]
: ft.: Enti-milaza hevitra roa: Fandaminana zavatra mba tsy hikorontana na hiparitaka fa hipetraka amin' ny toerany avy. • Fitehirizana, firaketana. - t.i.f.: ampirimina, voampirina / mampirina, fampirina, mpampirina / ampirimana, fampirimana / manampirina, fanampirina, mpanampirina 1 anampirimana, fanampirimana / miampirina, fiampirina, mpiampirina 1 mimpirina 1 mahampirina. Ahitsio
Ampirina
[admin]
: a.: Hazandrano kely madinika noho ny toho. Ahitsio
Ampirimina
[admin]
: (ampirina), mt. ih. (ampirimo): Alamina, apetraka amin'ny toerany avy: Ampirimo tsam ny trano fa hisy uahiny. / Ampirimo ireto boky ireto. Ahitsio
Ampiravahana
[admin]
: a.: der. Ampanjatoana). Ahitsio
Ampingaharatra
[admin]
: a.: Basy angalisa. Ahitsio
Ampinga
[admin]
: o.: Hazo boribory toy ny sahafa kely, nrafy sy matevina, ary misy fihazonana avy ao anatiny, ka ampiasaina mba hatao fiarovan-tena amin'ny tombo-defona. - F,-p,: Asampinga: na marakely: matson'ny ankizy manao fiaraha-mihetsika amin' ny ampinga sy hazo kely toa tehina solo-na lefona; / uoaka ampinga: enti-milaza andiam-batan-dehilahy mivoaka manao rodobe mitondra lefona sy ampinga toa manao fampisehoan-kery; / mipiaka ampinga: miroso hiady (mifanohitra aminy: milavo lefona). Ahitsio
Ampifina
[admin]
: (ampify), mt. ih. (ampifio): Atao miankina amin'ny...: Ampifio eo amin' ny rindrina eo aloha ireto entana ireto. Ahitsio
Ampifilafilaina
[admin]
: (filafila), mt. at. (ampifilafilao): Ampitambazanina: Nampifilafilainy e-r? iiay zanak'olona fa , anio, ilazany fa hangatahiny amin' ny iray uolana; rehefa afaka iray volana indray, ilazany fa mbola hieritreritra izy. Ahitsio
Ampify
[admin]
: ft.: Enti-milaza hevitra fifitsahana amin'ny toerana iray mba tsy hiseho be loatra ny tena. - t.i.f.: ampifina, voampify, tafampify 1 miampify, fiampify, mpiampify / iampifiana, fiampifiana / manampify, fanampify, mpanampify 1 anampifiana, fanampifiana. Ahitsio
Ampifanakaikezina
[admin]
: (akaiky). mt. at. (ampifanakaikezo): Atao na asaina mifanakaiky, mifanatona. Ahitsio
Ampiantany
[admin]
: na Ampentany a,: Tefy tany na bainga izay toy izao no fanaovana azy: atao feta ohatra ny fanaovana rindrina ilay izy, dia avela ho maina, ary rehefa maina dia ampiana tany hafa indray, ary dia toy izany hatrany, ka izany no nahatonga ny anarany. Ahitsio
Ampianarina
[admin]
: (anatra) mt, ih, (ampianaro): Atoro, ampahalalaina: Ampianarina manisa ny ankizy. Ahitsio
Am-pianahana
[admin]
: p. mt.: Miarabe amim-pianakaviana: Tsy ao angaha Rabe ato avaratra, tompoko? —Lasa omaly ampianahana any Toamasina izy. Ahitsio
Ampiana
[admin]
: (ampy), mt. ih. (ampio): Ampitomboina mba ho bebe kokoa: Mbola tokony hampiana telo metatra it? lambako it? fa kely loatra. / Ampio sira ny laoka fa matsatso. ? Omena hery fanohanana amin'ny° asa atao: Ampio aho fa tsy zakako it9 entana it?. Ahitsio
Ampiadina
[admin]
: (ady) mt. at. (ampiadio): Asainamiady, Ahitsio
Ampy
[admin]
: p.t.: Antonona an'izay ilaina, sahaza: Tsy mbola ampy izao fahaizanao izao fa mbola tokony hianatra ihany ianao. / Efa ampy ny uariko, tompoko, fa misaotra. - t.i.f.: ampiana, anampy / manampy, fanampy, mpanampy / anampiana, fanampiana / miampy / mahampy. ? F.-p.: Ampy fanahy: hendry, mahay mitondra tena. ¶ M. h.: manam-panahy. / Ampy mihira: fiteny amin' ny kabary am-panambadiana ka enti-milaza ny zaza hateraky ny mpivady vao voalohany izay fandrihan'ny renin-drazazavavy mialoha fa hotezainy; / ampy misoratra: rti-m laza ireo zaza antonona hodidiam-poitra (ny toy ireny fahizay dia nolazaina fa efa azo soratana amin'ny antokon'ny zaza hatao),; / ampy mizara: enti-milaza zavatra ampy hozaraina tsara ka hahazo ny anjarany daholo izay rehetra eo. Ahitsio
Ampetrika
[admin]
: a.: Vilany vy anidina kely. Ahitsio