Teny nampidirina farany

Amy
[admin]
: na Amin' ppk.: Teny mpampiankina mampiankina matoanteny na anarana amin'ny famenony, ka mflaza: a) fitaovana enti-manao asa: Manoratra amin'ny penina. b) fomba: Mihira aminkaravoana. d) fotoana: Miainga amin'ny fito maraina. e) olona itenenana: Miresaka amin-dRakoto. f) fiarahana: Miaraka amin'ny amboalambo. / Vary amin-dronono. g) faritra: Mandray zaza amin'ny sandriny. h) fanamarihana ny hoe araka ahy, araka anao...: Amiko tsisy vidiny ny vola azo amin'ny tsy rariny. i) toerana: Hisakafo any amin'i dada izahay anio; (marihina fa raha milaza toerana ny amy dia tsy maintsy ialohana p.mt. milaza toerana mandrakariva koa: eto, eo, any, atsy, ...: Mivory atsy amin'ny ben'ny tanàna ny loholona). Ahitsio
Amy
[admin]
: ft.: Enti-milaza fitafiana mihaja fenti-mihaingo. 4 Li, fi: manamy / anamiana, fanamiana. Ahitsio
Amerikanina
[admin]
: (fr. Américain) a: Fitambaran'ny firenena monina any aznin'ny tanin'i A-merika, izay anisan'ny fizaran-tany lehibe dimy eran'izao tontolo izao ary mizara telo: ny Amerikanina avaratra itambaran'ny firenena roa: Etazonia sy Kanadà; ny Amerikanina afovoany, itambaran'ny firenena fito: Meksika, Kiobà, Goatemalà, Nikoaragà, Jamaika, Haiti ary Portoriko; ny Amerikanina atsimo, itambaran'ny firenena iraika ambin'ny folo: Venezoela, Kolombia, Ekoatera, Goyanina, Brezily, Peroa, Bolivia, Paragoay, Orogoay, Arzantina, Sily. ? p. t : Momba an'i Amerika na an'i A-merika na avy any Amerika: Anisan'ny be mponina indrindra eto an-tan y ny ankabearan'ny tanàna amerikanina. Ahitsio
Amena
[admin]
: a.: Teny hebrio izay fahita amin'ny fiafaran'ny vavaka fanaon'ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany! Ahitsio
Amely
[admin]
: (vely), mt. fit.: Entimilaza ny zavatra ampiasaina ho enti-mamely, saingy amin'ny hevitra an'ohatra ihany; itezerana, andevilevena: Mafy izay teny nameliny ahy izay. Ahitsio
Ambozizy
[admin]
: a.: Fanaovana ankeriny, an-ditra, izany hoe tsy am-piheverana fa manao izay hahavitan'ilay zavatra fotsiny. ¶ M.h.: Manao ambozizy, manao an-keriny, manao anditra, manao an'aina, manao anteninaina, manao ankinjitra, manao anezaka, manao amborivory, manao anjolofo, manao angovy, manao letrezana, manao teti-dromotra, manao ambohika, manao angidana, manao andrezatra, manao ambezatra, manao amboletra, manao lemozy, mivatravatra, mitratrevatreva, mahery vaitra, mahery vaika, manao torikisina, manao terisetra, manao terivaimanta, manao ambodihidy, manao anjakanjaka, manao toton-dreniomby, manao toton'omby bory. Ahitsio
Ambovo
[admin]
: a.: Teny tsY dia ma-naja Ioatra iantsoan'ny ankizy ny ray amandreny ao an-trano: Ao ue, letsy, ny am bo uonareo ? Ahitsio
Ambotonona
[admin]
: a.: Hazo madinika, karazana vahy, ampiasain'ny olona hatao famotsianify. Ahitsio
Ambotony
[admin]
: (Btl) a.: Teny ilazana ny omby mbola vantobantony nefa matanjaka. Ahitsio
Ambosina
[admin]
: (ambosy), mt. ih. (ambosio): Amporisihina, tarihina, taomina, angolena (na amin'ny tsara na amin'ny ratsy): Nambosin-dRabe tsy hiasa ny mpiasa rehetra. Ahitsio
Ambosy
[admin]
: a.: Famporisihana olona hanao zavatra iray. ? Famporisihana, famokisana olona tsy hanaiky, tsy hankasitraka. - t.i.f.: ambosina, voambosy / mambosy, fambosy, mpambosy / ambosiana, fambosiana / manambosy, fanambosy, mpanambosy / anambosiana, fanambosiana I mahambosy. Ahitsio
Amborodao
[admin]
: a.: Sary mievotra vita amin'ny kofehy apetaka amin'ny lamba. ? Galona, ravaky ny fitafian'ny manamboninahitra. Ahitsio
Amborifotsy
[admin]
: a.: Ny onja mifanena ka mifandona, na midona amin'ny vatolampy, ka mandroatra fotsy sy mamorivory. Ahitsio
Amboravato
[admin]
: a.: Hazo izay mafy fatratra. Ahitsio
Amborasamanitra
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny fakany sady manakely ny atodintazo (Burasaia gracilis). Ahitsio
Amborasaha
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody tazo manampy ny kininina ny fakany, sady manakely ny atodintazo (Burasaia madagascarensis), Ahitsio
Amboramanitra
[admin]
: a.: Karazankazo ahazoana dity manitra. Ahitsio
Amboramangidy
[admin]
: a.: Hazo izay mangidy fatratra ny voany. Ahitsio
Amboramaitso
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny fakany (Strychnopsis thouarsii). Ahitsio
Amboradara
[admin]
: a.: Fomban-jaitra izay anasiana loadoaka kely madinika ny lamba mba ha-tao haingony. Ahitsio