Teny nampidirina farany

Amboarina
[admin]
: (voatra), mt. ih. (amboary): Enti-milaza zavatra simba izay karakaraina mba hiverina amin'ny toetrany tsara teo aloha: Amboary keiy farafara it9 fa tapa-ka ny tongony. 1 Omanina, karakaraina: Amboary ny sakafon'ny vahiny. Ahitsio
Amboarampeo
[admin]
: a.: Fitambaran' olona manambatra ny feony amin'ny fiaraha-mihira mirindra sy maty paika. Ahitsio
Amboara
[admin]
: a.: Fehezan-javamaniry voatapaka ary voafehy miaraka: Rehefa voajinja ny vary dia atao amboara ka em tina eny am-pamoloana. 1 A-nentan-javatra iray fehezana, antonona ho entin'ny olona iray mitondra. 1 h.o.: Fiarahan-javatra maro mirindra: Amboaram-peo. Ahitsio
Amboankena
[admin]
: a.: Ny faritra ambony amin'ny traingon'ny omby. Ahitsio
Amboanala
[admin]
: a.: Anarana nome-na ny antokom-biby misy ny babakoto (fer, teny itY) ary matetika aza dia ny babakoto ihany no antsoin'ny maro hoe amboanala. Ahitsio
Amboamboankibo
[admin]
: a.: Zavamaniry ampiasaina ho fampivalanana ny raviny (Coetocarpum madagascariensis). Ahitsio
Amboamboa
[admin]
: p. t,: Enti-milaza ankizy kely dongadonga, botrabotra, ka tsy mahalala izany hoe tsy mitafy akory. ¶ M. h.: Alikalika. Ahitsio
Amboalambotantely
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny tantelilahy. Ahitsio
Amboalambokely
[admin]
: na Taindambokely a.: Bibikely fahita eny ambony vato na anaty voankazo, misy motiny roa mifaingoka toa tandra kely eo anilan'ny kibony (halavany: 3 sm.). Ahitsio
Amboalambo
[admin]
: a.: Olona mivelona amin'ny hafetsifetsendratsy. * Ohab.: Izay miaraka amin' ny mpiasa dia mpiasa; izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo: izay mitovitovy ihany no fatra-piaraka. Ahitsio
Amboakelintenda
[admin]
: a.: Karazana kambo lavalava toa mihantona amin'ny faran'ny lanilany ampovoany ka manampina ny lavaka mankany amin'ny orona rehefa mitelin-javatra. Ahitsio
Amboakelindrano
[admin]
: na Tsilemita a.: Karazana bibikely mivelona any anaty rano, mifandraidraika amin'ny tsikovoka. Ahitsio
Amboakelinandriamanitra
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny zazakely dongadonga, botrabotra. ¶ M.h.: amboamboa. Ahitsio
Amboafotsitenda
[admin]
: a. (jar.: amboafotsikely). Ahitsio
Amboafotsikely
[admin]
: a.: Karazanjavamaniry izay mihorongorona raha vao voakasika. ¶ M.h.: mihoronkorona, modimodia, kelimanjakalanitra, amboafotsitenda. Ahitsio
Amboabe
[admin]
: a.: Karazana ala volovoloina sady vaventy. Ahitsio
Amboa
[admin]
: a.: Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin'ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: rniuoud, minaonaona, mitomany ualala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan'ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefs ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan'ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika. 1 t.i. f.: amboazina / manamboa, fanamboa, mpanamboa / anamboazana, fanamboazana. - F,-p.: Maty amboa, resy amboa, velona amboa: entimilaza ny olona notsaraina fahagola tamin'ny fampinomana, saingy tsy ny tena no nampisotroina tangena fa amboa izay natao solon'ny tena; koa raha maty na resy io amboa io dia resy ilay olona, ary raha velona ilay am-boa dia velona ilay olona; / manao amboa ditsika: miezaka manao izay tratran'ny aina, manao an-jamba; / am-boa fitrika: olona tsy manjary, tsy vanona. ¶ M.h.: katritra, batritra, tsaikan'olona, fakon'olona, karin'olona. / amboa haolo: amboa dia; / amboa kely tiana: enti-milaza olona tiana kokoa noho ny hafa. * Ohab.: Nokekerin'ny am-boa kely tiana: enti-milaza olona navadik'ilay olon-tiany fatratra. / Amboa mifitra: milaza zavatratarihinatsymisy rambaramba. / Amboan'ny malala: enti-milaza olona sakaizan' ny olon-tiana, izay tiana koa araka izany. /Amboan'olona: olona tsinontsinona, tsisy varany. / Amboa tokouato: karazan'alika mpihaza ireo biby milevina anaty tany. j Am boa uahiny: enti-milaza olona mpirenireny, ahiahina ho mpangalatra. / Tsy mana-na amboa akory: olona mahantra fadiranovana. j Amboamboa: enti-milaza fitomboan'ny vatana izay mihadongadonga na botrabotra, indrindra fa eo amin'ny zazakely. * Ohab.: Amboalahy miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena: enti-milaza olona manantena na nampanantenaina zavatra betsaka, nefa diso fanantenana. /Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa: enti-milaza ny mpangalatra izay tsy maintsy manonitra arakaraka ny zavatra nangalariny. Ahitsio
Ambo
[admin]
: a.: Karazan'aretina sa-hala amin'ny androbe. Ahitsio
Ambo
[admin]
: p.t.: Avo: Trano ambo: trano kely misy tongony a• vo, izay atao fasiam-bary ny ambony. - F.-p.: An'ambo: any ambony any. ( Ohab.: Ny tsiny toy ny rano an'ambo: tsy hita koa mahavoa. Ahitsio
Ambivitra
[admin]
: (2) na Avivitra p. mt.: Kely dia kely sisa tsy...: Ambiuitra no tsy nianjeran' ilay fiarakodia tany anaty hady. / Ambavahoana, efa akaiky ny ho faty: Efa ambivitra ny ain'it? olona maratra itY. Ahitsio