Teny nampidirina farany

Ambivitra
[admin]
: (1) na Ankambivitra a.: Anarana kilalao fanaon'ny ankizy ka izay resy sintonina na vivitina ny sofiny. Ahitsio
Ambitry
[admin]
: (Ski) a.: Karazantrondro, mena ny kibony sy ny rambony. Ahitsio
Ambirondolo
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry ampiasain'ny olona ho fampivalanana ny raviny (Cassia occidentalis). ¶ M.h.: bemaimbo, tsorokonangatra. Ahitsio
Ambiroa
[admin]
: a.: Karazana fanahy ambanimbany araka ny finoan'ny Ntaolo, toy ny avelo, saingy maharitra aorian'ny fahafatesana kosa; voalaza fa a) na dia mbola velona aza ny vatana dia mety hialan'ny ambiroa vetivety, ka avy amin'izany no nahatonga ireo fitenenana hoe: lasa ambiroa, mampody 'ambiroa; b) na ny biby aza dia voalaza fa misy ambiroa; d) rehefa maty ny olona dia manan-toerana alehany ny ambiroa, dia an? Ambondrombe izany. Ahitsio
Ambioka
[admin]
: (fit.-p.1 Masomboly. Ahitsio
Ambioka
[admin]
: a.: Zavamaneno vita amin'ny tsora-kazo kely anankiroa atao mifampikapoka; raha hazo mafy toy ny voamboana dia avo feo sady mikarantsana izy, fa raha hazo malemy kosa toy ny tahon-kifafa, dia somary dombodombo feo. Ahitsio
Ambinina
[admin]
: p.t.: Manan-jara, manam-bintana, vintanina: Ambinina amin'ny harena izy fa ratsy vintana amin'ny fitiaoana. Ahitsio
Ambina
[admin]
: a.: Asa atao mba hiarovana - amin'ny fiandrasana azy - zavatra na biby na olona, sao simba na sendra loza: Ataovy tsara ambina ny tmnontsika, Rabe hauako. • A-sa atao mba hisakanana biby na olona sao mandositra: Nataon-dry zalahy ratsy ambina ilay mpangalatra efa azo ka lasa nilefa indray. - t.i.f.: ambenana,voambina ) miambina, fiambina, mpiambina ( iambenana, fiambenana. Ahitsio
Ambina
[admin]
: ft.: Zara tsara, vintana tsara. t.i.f.: ambinina / manambina, fanambina, mpanambina / anambinana, fanambinana. Ahitsio
Ambim-bava
[admin]
: a.: Zavatra tsy lany ka tehirizina; tahiry: Mba omeo ny mahantra ny ambim-bauanao. Ahitsio
Ambilombazana
[admin]
: p.t.: Enti-milaza zavatra hanina faran'izay kely na sombiny bitika kely. Ahitsio
Ambilazo
[admin]
: (Btl), a.: Hazo mafy marotsaka atao fampandosirana ny bibikely toy ny moka ny setrony rehefa dorana ny tahony; voalaza koa ho mampandositra ny lolo toy ny ambiaty marina. (Calliandra aiternans). I Ahitsio
Ambihotse
[admin]
: (Ski), a.: Hazo fisakanana ny matoatoa tsy hiditra ny trano araka ny finoan'ny Sakalava. Ahitsio
Ambihotra
[admin]
: a.: Zavamaniry famonoana biby kely: parasy, moka, sns. (Crotalia coursii). Ahitsio
Ambiaty
[admin]
: a.: Karazan-kazo tsy dia lehibe loatra, izay nataon'ny Ntaolo famantarantaona. - F.-p.: Vary vaky ambiaty: vary afafy amin'ny fivelaran' ny vonin'ny ambiaty, izany hoe amin'ny volana septambra, mifanohitra amin'ny vary atao hoe vary aloha, izay afafy amin'ny volana avrily sy mey. / Varotra omby anaty ambiaty: fivarotan-javatra tsy eo ambany maso fa any lavitra any ka atao tsara laza fotsiny; varotra ifanambakana. Ahitsio
Ambiana
[admin]
: (amby) p, t.: Mihoatxâ ny: Manana tsaramaso fito zinga ambiana izahay raha hiuidy ianareo. Ahitsio
Ambia
[admin]
: mt.: Fanononana diso ny hoe: Avis. Ahitsio
Amby
[admin]
: a.: Ny mihoatra: Misy ambiny ireto uoankazo ireto ka hatao ahoana? Omeo an' izay zandriny indrindra ny ambiny. 1 Ampiasaina eo amin'ny filazana isa mihoatra ny isan-tokony folo hatrany, ka eo anelanelan'ny folo sy roapolo, dia ambin'ny no ampiasaina, ary ankoatra an' io kosa, amby fotsiny: Dimy ambin'ny folo. / Telo amby valopolo. / Dimy amby zato. ? F,-p,: Manana amby: misY mihoatra, misy tsy lany; / manana amby ampy: mana-na tombony be dia be, tafahoatra be amin'ny ilaina; / Manana amby tsy ampy: enti-milaza zavatra manan-tombo amin'ny ilany fa tsy ampy kosa amin'ny ilany iray. * Ohab.: Manana amby tsy ampy ohatra ny sola vaohina. / Ambim-bava: ny sisa tafajanona rehefa afaka ny lany tamin'ny sakafo. ~ h,i,: tahiry; / Ambin-draharaha: raharaha manginy kely ivelan'ny tena raharaha; / Ambin-drasa: ny sisa nijanona rehefa vita ny fizarana hena ka tapitra nahazo ny anjarany avy ny olona rehetra eo. / Ambin-javatra: tsy dia zavatra makadiry tsy azo avala fa zavatra madinidinika fanampiny fotsiny. / Ambin'olona: olona tsy dia heverina ho inona loatra fa toa fanao tsentsin-davaka fotsiny. / Ambin-taona: ny vary, ny haninkotrana sisa tsy lany rehefa tapitra ny taon. / Ambin-jaza: zaza teraka taorian' ny nizarana ny fananana amin5reo zokiny talohany. ? h.i.: Izay tsy tiana amin'ny zanaka rehetra ao an-trano, zaza iangarana. Ahitsio
Ambezoina
[admin]
: (ambezo), mt, ih. (ambezoy): Angatahina mafy, italahoana izaitsizy. Ahitsio
Ambezo
[admin]
: a.: Fangatahana mafy toa mitaraina mihitsy ary tsy miala raha tsy mahazo. - t.i.f.: ambezoina / miambezo, fiambezo, mpiambezo ( iambezoana, fiambezoana. Ahitsio