Teny nampidirina farany

Amberivatrindolo
[admin]
: a.: Karazankazo madinika, izay noheverin'ny Ntaolo ho maharo ny ankizy tsy ho voan'ny tehadolo. Ahitsio
Amberivatry
[admin]
: a.: Zavamaniry mitarel,in-kazo madinidinika; tahatahaka ny rongony ny haben'ny tahony sy ny haavony, fa ny raviny no vo-]oina masaisay, fihinan'ny landibe; ny voany, mitovitovy amin'ny voanemba sady fihinana koa. Ahitsio
Ambeo
[admin]
: na Ambio (fit.p.), a.: Masomboly. Ahitsio
Ambentinteny
[admin]
: a.: Fotopototry ny teny lazaina ka averimberina matetika: Ny fandriampahalemana no ambentin-tenin'ilay mpikabary. Ahitsio
Ambenana
[admin]
: (ambina), mt. ih. (ambeno): Andrasana, arovana: Ambenan'olona roa lahy isan'alina ny tanànanay. 1 Tandremana, atao andry maso: Ambeno tsara io gadra io sao mandositra. Ahitsio
Ambely
[admin]
: a.: Dian-kapoka, soritry ny zavatra nandona sy nikasika. Ahitsio
Ambaviny
[admin]
: a.: Anarana enti-milaza ireo tady be feo amin'ny tadin-javamaneno tendrena, toy ny valiha, ny lokanga. 1 Ny ilany amin'ny amponga sy ny karazany izay midoboka kokoa ny feony: Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana (o-hab.). 1 Ny ilany misy loaka amin'ny rafitra na amin'ny hidin-trano izay idiran'ny ilany mivohitra, izay atao hoe andahiny: Rimbona ny ambauiny amin'it? sakamandimby it? ka tsy mitana tsara ny rafitra. Ahitsio
Ambavahoana
[admin]
: p.mt.: Efa aka- iky ho faty. ¶ M.h.: andohariana, ambivitra. Ahitsio
Ambatribe
[admin]
: (Tsm) a.: Katsaka maina totoina vao andrahoina. 59 Ahitsio
Ambatry
[admin]
: a.: Teny azo heverina ho fanafohezana ny hoe amberivatry, izay nentina hilazana fahiny ny fitsinjarazaran'ny ariary kely indrindra na ampaharoa amby fitopolony: emnambatry (noheverina ho mitovy lanja amin'ny voan'amberivatry iray io vakhnbolaio). Ahitsio
Ambatra
[admin]
: na Ambatrambatra o: Fiakanakanana raha miteny, fiahotrahorana mova tsy ny vahobahotra mihitsy ny vava ka ny teny na ny fehezanteny tokony ho indray misosa manjary miraikidraikitra. - t.i.f.: miambatra, fiamba• tra, mpiambatra ( iambarana, fiambarana. Ahitsio
Ambatonikaky
[admin]
: a.: Teny tsy fampiasa afa-tsy amin'it fombam-pitenenana it? hoe: Manao ambatonikaky: mihenahena amin'ny heviny; ny tena ampiasana an'io fomba fiteny io matetika anefa dia ny mpivarotra mihenahena amin'ny vidin-javatra ataony, izany hoe tsy azo iadiam-barotra: Aza dia manao ambatonikaky re ianao, Andriamatoa. Ahitsio
Ambatokelivava
[admin]
: p.t.: Enti-milaza zavatra (teny na hafatra) voatana mafy. ? a.: Fasana. Ahitsio
Ambasy
[admin]
: a.: Ny miaramila tsotra mitondra basy. Ahitsio
Ambasadaoro
[admin]
: a.: Solontenampirenena mipetraka any amin'ny firenen-kafa ka manao izay hahatsara ny fifandraisan'ny roa tonta ara-pihavanana, ara-politika ary aratoe-karena. ~ Iraky ny firenena iray hafa handrindra fihavanana. ¶ M.h.: Masoivoho, andrianjahonoany. Ahitsio
Ambarivatrindolo
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody hatina ny voany (Crotalaria fuloa na ratura). Ahitsio
Ambary
[admin]
: (Ski) a.: Zavatra fotsifotsy avy amin'ny trozona. Ahitsio
Ambaratonga
[admin]
: a.: Zanatohatra, fizarazarana miantoantoana toy ny zanatohatra: Misy ambamtonga dimy amby dimampolo ny tohatray ka misanehaka er? vao afaka aminy, / Ataovy misy ambaratonga ny tany hambolena voankazo eto. •Fitsinjarazarana: Nisondrotra hatramin' ny ambaratonga fahenina amby roapolo ny termometatra. ? h.o.: Filaharana: A-min'ny ambaratongam-pahahefan'ny miaramila, ny kolonely dia ambony noho ny komandb. Ahitsio
Ambarasaha
[admin]
: a.: Zavamaniry ahazoana loko vony fitentenana. Ahitsio
Ambarao
[admin]
: (Ski) a.: Andiandrahona fotsy mitsangana e-x? avaratra andrefana mitondra rivotra. Ahitsio