Teny nampidirina farany

Tsimikatona
[admin]
: a.: Haban-tanana, firavaka fanao amin'ny hato-tanana izay tsy mihaona ny tendrony roa. ¶ M.h.: Fehin-tanana na haba, hidivava, hosina. Ahitsio
Tsimihorirana
[admin]
: a.: Anarana nilazana fahiny ny vehivavy izay manao ho antom-pivelomana ny fivarotan-tena. Ahitsio
Tsimihety
[admin]
: a.: Anaram-poko lehibe monina amin'ny faritra latsaka anivon'ny tanin' ny Antankarana, avaratra; ny Betsimisaraka, atsinanana; ny Sihanaka, atsimo; ary ny Sakalava, andrefana; mihamiitatra miankandrefana ny Tsimihety; tanàn-dehibe: Mandritsara, Bealanana. Ahitsio
Tsimiasa
[admin]
: a.: Anaram-bositra o-mena ny mpiandry omby any an'efitra. 1 Anaran-tavoahangy lehibe. Ahitsio
Tsimezaka
[admin]
: a.: Bozaka. Ahitsio
Tsimbotry
[admin]
: a.: Anarana orne-na ny valala adrisa mbola kely ka tsy tonga elatra fa man-'dady sy mitsipitsipika fotsfny amin'ny tany. * Ohab.: Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa uao hifanary: entina hilazana olona nifankatia sy nifanampy fony samy kely — amin'ny lafin-kevitra rehetra — nefa nony lehibe toy ny tsy mifankahalala intsony. Ahitsio
Tsimbolavola
[admin]
: a.: Karazam-balala vasobaso-bolo (Catantops debilitalus). Ahitsio
Tsimbohitra
[admin]
: a.: Fanoherana ny manam-pahefana. - t.i.f.: Atsimbohitra, voatsimbohitra, tafatsimbohitra / mitsimbohitra, fitsimbohitra, mpitsimbohitra / mahatsimbohitra / tsimbohimbohitra. Ahitsio
Tsimboa
[admin]
: (Btl) a.: Teny ilazana ny omby manombokamitsiry ny tandrony. Ahitsio
Tsimbinina
[admin]
: (tsimbina) mt. ih. (tsimbino): Karakaraina tsara, ahina fatratra: Notsimbininy ny asany ka nisondrotra haingana izy. ? Ampiana ary soavina: Tsimbino mandrakariva ny mahantra. Ahitsio
Tsimbina
[admin]
: a.: Tandrina, karakara, ahy. - t.i.f.: Tsimbinina, atsimbina, voatsimbina / mitsimbina, fitsimbina, mpitsimbina / itsimbinana, fitsimbinana / mahatsimbina. Ahitsio
Tsimbilaotra
[admin]
: a.: Karazan-kazo kely madinika malefolefo fanao garaba. Ahitsio
Tsimberivery
[admin]
: a.: Riorio, renireny. • t.if.: Tafatsimberivery / mitsimberivery, fitsimberivery, mpitsimberivery / itsimberiverena, fitsimberiverena. Ahitsio
Tsimbatavata
[admin]
: a.: Anaram-balala. Ahitsio
Tsimbasibasy
[admin]
: a.: Kilalao misarim-basy. Ahitsio
Tsimbarivary
[admin]
: a.: Karazan-damba misoratsoratra. Ahitsio
Tsimbalombalo
[admin]
: a.: Ny atin' ny tandrok'omby. Ahitsio
Tsimbalivaly
[admin]
: a.: Teny ilazana fa misy ny valiny na setriny daholo izay atao: Tsimbalivaly ny fiainana. Ahitsio
Tsimbalivaly
[admin]
: a.: Valim-bonoana. Ahitsio
Tsimbalabala
[admin]
: a.: Kilalaon'ny ankizy mifampitifitifitra ka voan-javatra boribory kely no ataony balabala. Ahitsio