Teny nampidirina farany

Ambarambana
[admin]
: a.: Hazo boribory atao tsikalankalana ao ambanin'ny vato lehibe tari-bina. Ahitsio
Ambaramamo
[admin]
: a.: Fodiana mamo, entina hilazana na hanaovana zavatra tsy sahy lazaina na atao raha tsy amin' ny toetra toy izany. Ahitsio
Ambaramain
[admin]
:a a.: Teny entimilaza zavatra maina tsy hita antony: vody volotsangana maina ifotony, hoditr'omby maina ho azy. ~ h.o.: vary hanina atao fatra-maina tsisy ro na laoka: Tsy iatsako mihitsy ny ambaramaina fa toa mihisatra ao an-tendako ao fotsiny. ~p.rnt,: andrezatra, an-kery: Toa tadiavinao ha-tao ambaramaina fotsiny amin'izao izy izany! Ahitsio
Ambaraka
[admin]
: ny ppt. feh.: Efa..., kanefa mbola. Teny entimanamafy fotsiny ny hevitry ny teny hoe efa izay matetika ampiarahina aminy avy eo aoriana: Ambaraka ny efa mifona izy, mbola kapohinao ihany. (Efa rnifona izy kanefa mbola kapohinao ihany). Ahitsio
Ambaraka
[admin]
: ppk.: Hatramin' ny, mandraka; (Ny ppk. ambaraka sy mandraka dia toy izao no fampiasa azy: anarana avy amin'ny mt. manomboka amin'ny f mandrakariva no atao eo aorianany izay manaraka ny lalàmpikambanan-teny: Ambarapahafaty (ambaraka fahafaty) fa tsy ambara-pahafatesana; ambara-piveriko (am-baraka fiveriko) fa tsy ambara-piverenako. Ahitsio
Ambaradeda
[admin]
: a.: Zavamaniry lava ravina, misy vodiny tahatahaka ny longoza, fanao ody maso rehefa avy voatoto na voakiky. Ahitsio
Ambaraboaka
[admin]
: (Tsm.) a.: A-kondro lehibe telo rirana. Ahitsio
Ambarabahy
[admin]
: a.: Karazan'akondro vaventy. Ahitsio
Ambara
[admin]
: mt.ih.ft.: Lazaina, aseho amin'ny teny, aposaka amin'ny fitenenena: Izao no ambarako aminareo. / Tsy manan-kambam intsony aho. - t.i.f.: manambara, voambara, fambara / fanambara, mpanambara / anambarana, fanambarana / ambaramamo / tsiambaratelo. Ahitsio
Ambanivolo
[admin]
: a.: Ny ambanivohitra ho an'ny tany amorontsiraka. Ahitsio
Ambanivohitra
[admin]
: a.: Enti-milaza ny faritra ivelan'ny tanàn-dehibe. - t.i.f.: tambanivohitra. Ahitsio
Ambaniravinkazo
[admin]
: a.: Faritry ny tany hatreo amin'ny ala ka hatrany amin'ny morondranomasina. Ahitsio
Ambanina
[admin]
: (ambany), mt. ih. (ambanio): Ivaivaina, heverina ho tsinontsinona: Tsy misy olona azo ambanina na iza na iza. Ahitsio
Ambanimasoandro
[admin]
: (Jar. Ambaniandro. Ahitsio
Ambanimandry
[admin]
: a.: Ny ila izay atao ambany rehefa mandry. ¶ M.h.: tehezana. Ahitsio
Ambanilanitra
[admin]
: a.: Teny na anarana nilazana fahizay ny mponina rehetra tsy an-kanavaka eran'ny fanjakana (hita araka ny fiforonan'ny teny fa malalaka lavitra ny faritry ny ambanilanitra noho ny ambaniandro na ambanimasoandro satria midadasika kokoa ny lanitra noho ny masoandro). Ahitsio
Ambaniandro
[admin]
: na Ambanimasoandro a.: Teny nilazana ny vahoakan'ny mpanjaka teto Imerina fahizay, afa-tsY ny andriana sy ny andevo. ¶ M.h.: Hova, bemihisatra, folovohitra. Ahitsio
Ambany
[admin]
: p.t.: Iva toerana: Ambany kokoa ny tany amoron-tsiraka noho ny ampovoan-tany, ~ h.o.: Tsy mihaja, mahamenatra, mahafabaraka: Ambany saina. / Manana toetra ambany io zazalahy io. 1 p.mt.: Amin'ny toerana akaikin'ny tany na iva: Mipetraha ianao eo ambany fa ny minao aoka ho eo ambony. ? ppk.: Enti-milaza toerana tsindrian'ny...: Misy vola ao ambany ondana ao. 1 Toerana tataovan'ny: Miery ao ambany latabatra ny saka. 1 h.o.: Latsaka no-ho: Ambaniko izy tamin'ny fanadinana. i ambanina, voambany / manambany, fanambany, mpanambany ( anambaniana, fanambaniana J mahambany ( fanambaniny. Ahitsio
Ambangony
[admin]
: a.: Zavatra maro navangongo. ? Fitambarambolom-behivavy nobangoina. Ahitsio
Ambanana
[admin]
: (ambana), mt. ih. (ambano): Anaovana fihetsehana mody mamely: Nambanako ny tehina ilay alika dia nandositra. Ahitsio