Teny nampidirina farany

Aloy
[admin]
: Aloiloy a.: Karazana lalitra madinika kely izay manidintsidina manao andiany be dia be rehefa takariva, na aorian'ny orana, ary velona ora vitsivitsy monja. Ahitsio
Alohotsy
[admin]
: a.: Anaran'ny volana faharoa ambin'ny folo amin' ny filaharan'ny volana malagasy marina, manarakaraka ny Adalo ary mialoha ny A-lahamady, izay miverina indray. Ny toerana nomen'ny Ntaolo ny alohotsy dia eo amin'ny ]afin-drindrina avaratra, ilany atsinanana. • Fanandr.: vavany: tsy marimponenana, mifindrafindra; vodiny: maivana tsy farofy, tsara ihany na dia hotsohotso izay aza. Ahitsio
Alohaina
[admin]
: (aloha), mt. ih. (alohay): Alefa hialoha: Rabe no nalohaina mba hampandre ny manampahefana. Ahitsio
Aloha
[admin]
: : Mpamaritra matoanteny na teny mpampiankina enti-milaza fahatongavana na fanaovan-javatra voalohany miohatra amin'ny iray hafa at? aoriana, na fitoerana manatrika iray hafa izay ao andamosina na ao aoriana (Ra-ha ilazana ny lasa izy, dia mitovona t: taloha, izay mety hanana hevitra hafa koa, jar. io teny io) •p,mt.: Homeko valisoa izay mahavaly aloha. • ppk.: (toerana): Mipetraha eo alohan'ny rainao eo. (fotoana): Mivavaka izahay alohan'ny sakafo. / Nivavaka izahay talohan'ny sakafo. - t.i.f: alohaina, voaloha / manaloha, fanaloha, mpanaloha / analohana, fanalohana ( mialoha, fialoha, mpialoha / ialohana, fialohana / mahaloha / alohaloha, Ahitsio
Alofo
[admin]
: (lofa)), mt. at. (alofosy): Ilazana ny omby natao loto na novonoina raha nisy maty taloha: Omby valo no nalofo tamin'ny nahafatesan' Itompokolahy Ranona. Ahitsio
Alofisaka
[admin]
: a.: Aretin-jaza mahatonga azy hahia, halazolazo lava. Ahitsio
Alofika
[admin]
: (lofika), mt. at. (alofiho): Aondrika, alefitra ny Io-ha. Ahitsio
Alofana
[admin]
: (aloka), mt. ih. (alofy): Omena fiarovana amin' ny hainandro: Alofana ny zanakazo mba tsy ho fatin' ny herin'ny andro, Ahitsio
Aloesy
[admin]
: a.: Tsiranorano mangeroka avy amin'ny vahona ka anaovana fanafody famalanana na fandokoan-damba. Ahitsio
Aloditra
[admin]
: (loditra), mt. fit. (alodiro): Entina mandambolambo. Ahitsio
Alobotra
[admin]
: a.: Aretin-jaza mahatonga azy hihodrohodro, ho botabota toa matavy rano. Ahitsio
Alobolobo
[admin]
: (lobolobo), mt. at. (aloboloboa): Avala haniry mifanety. Ahitsio
Alobe
[admin]
: a.: Ilazana ireo vary masaka alohan'ny namany rafla bebe izy ireo; raha vitsy kosa, atao hoe alokely. Ahitsio
Alobaloba
[admin]
: (lobaloba), mt. at. (alobalobao): Atao tonga malalaka (akanjo). Ahitsio
Aloatra
[admin]
: (loatra), mt. at. (aloary): Avoaka avy anaty zavatra: Vary fotsy mifatsifatsy no naloatran'i neny avy ao anaty vilany. Ahitsio
Aloalon-tany aman-danitra
[admin]
: Teny nilazan'ny Ntaolo ny razana izay noheveriny ho mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, na ireo mpanelanelana amin' Andriana sy ny vahoaka (jer. Alo). Ahitsio
Aloalo
[admin]
: a.: Teny fampiasa indrindra amin'ny asan'ny fanenomana: aloalom-poly: ireo fatotra anasarahana ny ira hotenomina. Ahitsio
Aloalo
[admin]
: a.: Tsanganan-kazo fisaka voasokitra atao haingom-pasana any amin'ny foko Mahafaly ( ny ahitana azy betsaka dia eo anelanelan'ny ony Onilahy sy ny tanànan'i Beloha). Ahitsio
Aloaka
[admin]
: (loaka), mt, fit. (aloahy): Entina mandoaka: Homamanta no naloakany ity hazo Ahitsio
Aloa
[admin]
: (loa), mt. at. (aloavy): Zavatra efa nohanina avoaka andn'ny vava indray: Naloan'ny marary ny sakafo nohaniny anikeheo. • Efaina (vola): Azonao aloa tsikelikely ny vidin'it? bisikileta tt? raha tianao. Ahitsio