Teny nampidirina farany

Alelaka
[admin]
: (lelaka), mt. fit. (alelafo): Enti-milelaka, ampiasaina mba hilelafana. Ahitsio
Aleha
[admin]
: (leha), mt. at. (aleho): Enti-milaza ny toerana ifindrana an-tongotra, (¶ M.h.: andehanana: Aiza no halehantsika rahampitso? / Tsy hitako izay nalehany. Ahitsio
Alefona
[admin]
: (lefona), mt. fit, (alefony): Ilazana ny zavatra entina manatrobaka, entina mandefona: It? uy maranidoha it? alefona ny lambo. Ahitsio
Alefolefo
[admin]
: (lefolefo), mt. at. (alefolefoy): Atao tonga mora milefitra, malefaka. Ahitsio
Alefitra
[admin]
: (lefitra), mt. at. (alefero): Aforitra, atao milefitra: Alefitry ny riuotra ny volotara fa tsy tapaka. Ahitsio
Alefaka
[admin]
: (lefaka), mt. at. (alefaho): Tonena: Alefaho amin' ny teny malemy rainao. Ahitsio
Alefa
[admin]
: (lefa), mt. at. (alefaso): Asaina, avala mandeha: Nalefany tany Amerika ny zonany. ~ Atoraka, atsipy: Nalefako ilay vato ka voa ilay voronkely. / Alefaso ny baolina. • Afahana, votsorana: A-lefaso ilay voronkely azonao omaly fa mampalahelo. / Nalefon'ny fanjakana ireo gadra politika. Ahitsio
Albasitra
[admin]
: (fr. albâtre) a.: Karazam-bato fotsy manganohano: Tauoara albasitra. Ahitsio
Alazo
[admin]
: (lazo), mt. at. (alazoy): Atao tonga malazo. Ahitsio
Alaza
[admin]
: (laza), mt. at. ( alazao): Enti-milaza ny zavatra lazaina: Mono avy no nalazany? ? Torina, ampangaina: Nalazany tamin'ny rainy ilay zazalahy nihetraketraka azy. Ahitsio
Alavorary
[admin]
: (lauorary), mt. at. alauorario): Atao tonga lavorary, tsy misy tsininy, tomombana: Alavorario ny toetranao. Ahitsio
Alavo
[admin]
: (lauo), mt. at. (alauoy): Azera amin'ny tany, apotraka. Ahitsio
Alatsinainy
[admin]
: a.: Andro faharoa amin'ny herinandro; araks ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. ~ Anarantanàna anaovana tsena amin' io andro io. Ahitsio
Alatsy
[admin]
: (latsy), mt. fit. (alatsio) Entina manamafy. Ahitsio
Alatsaka
[admin]
: (latsaka), mt. at, (alatsaho): Ampidinina ao anaty lavaka, ampidinina avy ambony: Nalatsaka ny vatofantsika dia tsy nihetsika ny sambo. 1 Ahintsana mba hianjera, hiraraka: Alatsaho ireo voankazo ireo. 1 Apetraka, arafitra: Nalatsany tsara ve ny biriky? ~ Aiditra: A-latsaho amin'io kolejy io ny zanakao fa tsy hanenenanao. / Nalatsaka tao an-tranomaizina izy tamin'ny alarobia. Ahitsio
Alatsa
[admin]
: (latsa), mt. fit. (alatsao) Enti-mandatsa, ampiasaina mba handatsana. Ahitsio
Alatrano
[admin]
: p. mt.: Eny ivelan'ny trano, ka ny tokotany manodidina ny trano indrindra no antsoina amin'izany: Asaiuo mivoaka any alatrano ireo ankizy ireo fa mitabataba tsy ifandrenesana. Ahitsio
Alasitra
[admin]
: (lasitra), mt. fit. (alasiro): Entina mandasitra, izany hoe manongo mafy maharary: Hoho maranitra no nalasiny ny sandriko ka votsotra mihitsy ny sandriko. Ahitsio
Alarobia
[admin]
: a.: Andro fahefatra amin'ny herinandro; araka ny finoan'ny Ntaolo, dia tononandro ratsy ny alarobia sa-tria ny alarobia, hono, tsy miverina: fanaovana famoizana, afana, famadihana ny maty, fitomaniana raha mana-maty, ary izany no nahatonga ny andro alarobia ho andro famangia-manjà. ? A-naran-tanàna anaovana tsena amin'io andro io. Ahitsio
Alaro
[admin]
: (aro), mt. fit. (alaroy): Ampiasaina hatao laro: Inona, ry nenibe, no alaro ny parakinao? — Koa inona fa tsy lauenona r'ilay Koto a! Ahitsio