Teny nampidirina farany

Alapoie
[admin]
: (Ski), a.: Rivotra avy atsimo atsinanana. Ahitsio
Alaovalo
[admin]
: p. mt.: Lalandava lalandava, tsy manam-piafarana, fanao manaraka ny teny hoe "mandrakizay doria antaranoana" mba hahamafy kokoa ny heviny: Mandrakizay doria alaoualo, mandrakizay doria antaranoana alao ualo. Ahitsio
Alantsika
[admin]
: (lantsika), mt. at. (alantsiho): Atao miforitra mankany ivoho ka mitondrotra ny eo anoloana: Aza alantsika tahaka izao ny kibonao rehefa mandeha. Ahitsio
Alanto
[admin]
: (lanto), mt. at. (alantoy): Alamina, alahatra: A-lantoy tsara ireto entako ireto. ? Atao mirindra tsara, a-tao tsara lahatra:Nalanton' ny mpikabary tsara ny teniny ka nikoy ny mpihaino rehetra. Ahitsio
Alanona
[admin]
: (lanona), mt. at. (alanony): Ahorona sy ampirimina: Alandny ireo harona ireo dia andeha isika hiainga. * Ohab.: Kitay telo an-dalana; ny roa alanon'ny lahy, ny iray alanon'ny vavy: enti-milaza ny fomba nisy hatry ny fahagolan-tany, izay nametra ny anjara entin'ny mpivady tsirairay avy raha misy fisarahana, ka ny ampahatelony an'ny vavy, hoy izy, ary ny androatokony an'ny lahy; amin'ny fananana arin'izy roa nandritra ny fanambadiany ireo. Ahitsio
Alanana
[admin]
: a.: Anarana karazantsikidy misy andalana efatra, izay mitondra laharana efatra tsirairay avy indray. ? Fasika fanaovana karazan-tsikidy iray izay atao indrindra hoe sikidy alanana. Ahitsio
Alanalanina
[admin]
: (alanalana), mt. ih. (alanalano): Atokana irery. Ahitsio
Alanalana
[admin]
: na Halangalana a,: Tsy fombana ny atsy na ny aroa, tsy fifandraisana na amin'ny an-kilany na amin' ny andaniny. ~ Fiolonolonana, tsy firaisana amin'ny ma-ro fa fihatakatahana mitokantokana irery. i alanalanina, voalanalana / manalanalana, fanalanalana, mpanalanalana / analanalanana, fanalanalanana / mialanalana, fialanalana, mpialanalana / ialanalanana, fialanalanana. Ahitsio
Alana
[admin]
: (ala), mt. ih. (alao): E-sorina, ongotana, ombotana: Nalana ny nifiny fa efa simba. Ahitsio
Alam-piery
[admin]
: na fangalam-piery a.: Kilalaon'ankizy ifampitadiavana: misy iray mitady ny namany, izay samy nikaroka fiafenana nahafa-po azy avy, ary dia izay hita voalohany amin'ireo no mitady ny hafa indray; raha misy tsy hitan' ilay mitady, dia tsy miseho io raha tsy efa nilaza hoe "afa-po" ilay nitady. Ahitsio
Alampatra
[admin]
: (lampatra), mt. at. (alamparo): Atsotra, avalampatra, atao mivalandotra: Nalampatra teo ambony ahimaitso ny marary. Ahitsio
Alamoka
[admin]
: (lamoka), mt. fit. (alamohy): Entina mandamoka na mahatonga ho tofoka, boboka: Tsy tia mofo intsony io zaza io fa mofo folo no nalamo-jokiny azy. Ahitsio
Alamo
[admin]
: (angl. alum) a.: Tenanjavatra avy amin'ny alominioma sy potasioma manan-tsiron-tsira handatrandatra ary ampiasaina mba hampiraikitra tsars ny loko atao sora-javatra sy handiovana ny rano mikobana. Ahitsio
Alamina
[admin]
: (lamina), mt. at. (alamino): Atao tsara lahatra, amboarina mba hirindra: A-lamino ireto boky ireto. 1 Karakaraina mba ho amin'ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra rehetra: Nalaminy ny trano vao nandeha izy. Ahitsio
Alambana
[admin]
: (lambana), mt. at. (alambano): Aringana: Nalamban'ny dahalo daholo ny kisoa amam-borona tao an-tan ana. Ahitsio
Alambana
[admin]
: (lambana), mt. fit. (alambano): Entina manemitra. Ahitsio
Alamba
[admin]
: (lamba), mt. fit. (alambao): Ampiasainahakana valala: Nahoana no nalambanao vaiala ny lambako. Ahitsio
Alamanitra
[admin]
: a.: Zavamaniry fanalana fofona ny fivalanandrano: atsoboka ao anaty rano mangotraka ny raviny (Hélichrysum russilloni). Ahitsio
Alamaka
[admin]
: (lamaka), mt. at. (alamaho): Ampandrina midaboka amin'ny tany: Nalamaky ny rivotra ny uary. 1 Ampitovina tantana, alamina: A-lamaho tsara ny tanin-ketsa hamafazam-bary. Ahitsio
Alalina
[admin]
: (lalina), mt. fit. (alalino): Enti-mampitombo, manalehibe: Hoby sy horakoraka no nalalin'ny vahoaka ny fandresen'ny miaramila. Ahitsio