Alalatra [admin] | : | (lalatra), mt. fit. (alalaro): Ilazana ny zavatra entina manamarika ny hazo hotsofaina na hovakina: It? lelan-java-maranitra it? alalatra io haro hotsofainao io aloha. Ahitsio |
Alalanina [admin] | : | (alalana), mt. ih. (alalano): Enti-milaza olona nan defasan a mpan elan elana: Nalalanin'ny lehiben'ny tafika ny jeneraly nitarika ny fahaualo. ~ Enti-milaza zavatra raharahaina amin'ny fanelanelanana: Raha tsy uita amin'ny taratasy ifandefasana io raharaha io, dia aoka haialanin'ny masoivohontsika any. Ahitsio |
Alalana [admin] | : | a.: Fanelanelanana. ? Asa ataon'olona izay misolo tena mangata-javatra na fahasoavana ho an'olona iray ha-fa: Tamin'ny alalan'ny sakaizako no nahazoako io toerana io. (¶ M.h.: fanalalana, fanelanelanana). (Tsy tokony hampiasaina mba hisolo ny teny hoe lalana io teny io toy ny mahazatra ny maro izay manao hoe: Nahazo alalana, mangataka alalana hanao izao aho; fa ny tokony ho izy dia: Mangata-dalana, nahazo lalana). 1 Iraka na zavatra mampitohy ny andaniny sy ny an-kilany. - t.i.f.: alalanina, voalalana / manalalana, fanalalana, mpanalalana ( analalanana, fanalalanana. Ahitsio |
Alalaka [admin] | : | (lalaka), mt. fit. (alalaho): Entina manalalaka, manalehibe: Tapa-damba somizo alalaka ny tanan'akanjoko Ahitsio |
Alakasy [admin] | : | a.: mitovy amin'ny Alakamo (fer. io teny io). Ahitsio |
Alakarabo [admin] | : | a.: Anaran'ny vola-na fahavalo amin'ny filaharan'ny volana malagasy mari-na, aorian'ny Adimizana ary alohan'ny Alakaosy, ka ny toerana nomena azy tao antrano dia teo amin'ny lafindrindrina andrefana, ilany atsimo. ? Fanandr,: Tonon' andro tsara fa androm-boa ny alakarabo. Vavany, na vodiny: raha vehivavy, maro anaka; raha lehilahy, tratra antitra fa vokatra loatra. Ahitsio |
Alakaosy [admin] | : | a.: Anaran'ny volana fahasivy amin'ny filaharan' ny volana malagasy marina, aorian'ny Alakarabo ary alohan'ny Adijady, ka ny toerana nomena azy tao an-trano fahiny dia eo amin'ny lafindrindrina andrefana, ilany avaratra. Ny vintana Alakaosy no noheverina ho mahery indrindra, atahorana hanoto izay mitatao azy: zaza manoto ray aman-dreny, mpanompo manoto tompo. ? Fanandr.: vavany: manoto ray aman-dreny, ka ahohoka; fa raha tsy ahohoka ka alambintana, dia tratra antitra, lasan-ko lehibe, mpanankarena Ahitsio |
Alakamoina [admin] | : | na Lakamoina (a-50 lakamo, lakamo), mt. ih. (a-_ lakamoy, lakamoy): Darofana, atao vely kitay: Nalakamoiny (na nolakamoiny) teo ilay ankizy uao navelany. Ahitsio |
Alakamo [admin] | : | na Lakamo a.: Daroka, kapoka mirivirivy. i t.i,f.: alakamoina. Ahitsio |
Alakamisy [admin] | : | a: Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina (Birasaia nigrescens). Ahitsio |
Alakamisy [admin] | : | a: Hazo anaovana fanafody (Cratseva excelsa). Ahitsio |
Alakamisy [admin] | : | a.: Andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantarantrano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandxy zomà vao alevina. ~ Anaran' ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. Ahitsio |
Alakaforo [admin] | : | a.: Di-doha, fikiribibiana, fifikirana amin'ny hevitry ny tena. - t.i.f.: mialakaforo. Ahitsio |
Alaka [admin] | : | Fototeny tsy hita afatsy amin'ireto fomba fiteny ireto: - F.-p.: Mialaka bontana: manao ditra, mikiry: Mialaka bontana amin'ny fambolena any ambaniuohitra any ny zokinao; / Mialaka mantsina: sarotiny, miaingitra izaitsizy: Mialaka mantsina io Rangahy io raha mihinana. Ahitsio |
Alàka [admin] | : | (laka), mt. at. (alakao) na Lakaina (laka), mt. ih. (lakao): Samy enti-milaza ny vatom-panorona akisaka ho eo amin'ny laka: Alahao (na lakao) it? vatonao atsimo it? Ahitsio |
Alaka [admin] | : | ft.: Mitovy amin'ny Ala ihany. - t.i.f.: malaka, falaka, mpalaka. Ahitsio |
Alaizany [admin] | : | a.: Laharan-tsikidy fahadimy amin'ny sikidy alanana (der.: Sikidy). Ahitsio |
Alaivana [admin] | : | a.: Karazan'ahitra (Helychrysum Lecomtie). Ahitsio |
Alaina [admin] | : | (ala), mt. ih. (alao): Nalaina, entina: Nalain-dRakoto ny lambanao. ~ Angatahina: Halainy ho vady hono ianao raha mety. Ahitsio |
Alaimora [admin] | : | a.: Anaran-daharantsikidy. Ahitsio |