Teny nampidirina farany

Tsimbaivay
[admin]
: a.: Karazam-balala maitsomaitso. 1 p.t.: Mavany, sahy ratsy. Ahitsio
Tsimbadika
[admin]
: a.: Vadika, fihodinana hankao amin'ny ilany; hohoka. - t.i.f.: Atsimbadika, voatsimbadika, tafatsimbadika ( manatsimbadika, fanatsimbadika, mpanatsimbadika / anatsimbadihana, fanatsimbadihana l mitsimbadika, fitsimbadika, mpitsimbadika / itsimbadihana, fitsimbadihana ( mahatsimbadika / tsimbadimbadika. Ahitsio
Tsimatra
[admin]
: a.: Hombo apetaka amin'ny sobiky hahazoana mamatotra azy amin'ny bao filanjana. 1 Hombo vy mifaraingo atsatoka amin'ny tany ary manenjana ny lay: Tsima-day: izay atao koa hoe firambotra. Ahitsio
Tsimatoalaza
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry fanao fanafody. Ahitsio
Tsimativonoina
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry mateza tsy maty vonoina. Ahitsio
Tsimatahoposa
[admin]
: (Ski) a.: Bara-rata ladinina mifanizina atao rindrin-trano. Ahitsio
Tsimaroavaratra
[admin]
: a.: Lamba lasoa mainty. Ahitsio
Tsimandravina
[admin]
: a.: Zavamaniry tsy an-dravina toy ny vahinkary. Ahitsio
Tsimandoa
[admin]
: na Tsimandao a,: Iraka mpitondra ny taratasim-panjakana tany ivelany fahizay. Ahitsio
Tsimandingana
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny zipotapa-behivavy tery kely ny ambany. Ahitsio
Tsimamindrahehitra
[admin]
: a.: Bibikely fahita ambany tsihy. 1 Anarana ilazan'ny olona koa ny mamba noho izy tsy afaka mamindra ny nifiny amin' ny remby hafa rehefa manaikitra remby iray. Ahitsio
Tsimaitompangady
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry azo akana loko angana (Indigo fera thymoides). Ahitsio
Tsimaho
[admin]
: a.: Anarana karazangidro iray. Ahitsio
Tsimahatafitena
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny tsindrahaka raha mbola kely. Ahitsio
Tsimahalatsaka
[admin]
: a.: Anarana hafa ilazana ny tsimperifery. Ahitsio
Tsilovina
[admin]
: (tsilo) mt. ih. (tsilouy): Hazavaina, omena hazavana: Tsilouy ireo ankizy ireo fa ratsy ny lalana. Ahitsio
Tsilotidotika
[admin]
: p. t.: Maloto.i t.i,f•: Mitsilotidotika, fitsilotidotika. Ahitsio
Tsilopilopy
[admin]
: a.: Fipipiza-maso; fip endramp en dran -kazavana der. Lopilopy). - t.i.f.: Mitsilopilopy. Ahitsio
Tsiloliloly
[admin]
: a.: Fivalanana mitsiranorano maditidity ohatra ny rehoka. - t.i.f.: Mitsiloliloly, fitsilollloly, Ahitsio
Tsiloina
[admin]
: (tsilo) mt. ih. (tsiloy): Asiana tsilo: Tsiloy ity lalankely ity mba tsy handehanan'ny mpangalatra. • Apetaka amin'ny tsilo: Notsiloiny tamin'ny rindrina ilay sary. • p, t.: Misy tsilony: Biby tsiloina ny sokina. Ahitsio