Teny nampidirina farany

Akotsa
[admin]
: (kotsa) mt, at. na fit. AlĀ« (akotsao): Entina manakotsa, mandena tanteraka. Ahitsio
Akotroka
[admin]
: (kotroka), mt. at. (akotrohy): Atao mikotrokotroka, mirohondrohona: Akotrohy kely ny orga fa fety anio. ? mt. fit.: Ampiasaina mba handrahoana, entina mahandro: Vilany iza no akotroka ireto oomanga ireto? Ahitsio
Akotringa
[admin]
: (kotringa), mt, at. (akotringao): Atao mikotringa: Nahoana no akotringa i-t? tongotrao havia? Ahitsio
Akotrika
[admin]
: (kotrika), mt. at. (akotreho): Asaina kotrehina, ampikotrehina: Atody telopolo no nakotrik'i Lita ka roapolo no foy. Ahitsio
Akotry
[admin]
: a.: Voam-bary tsy voatoto; ny vary tsy afa-kodiny: Be akotry izany uary izany. ? F.-p.: Eran'akotry, lanjan' akotry: kely bitika, variraiventy: Axa manantenainona amin'ny fananako ialahy, ry Bema, tsy hahita eran'akotry ialahy akory; / mamaky akotry: fetsy, kapetsy (M.h. jer. Fetsy); mahihitra (M.h. jar. Mahihitra). Ahitsio
Akotretrika
[admin]
: (kotretrika), mt. at. (akotretreho): Avelahitomany lava, hifararemotra, hiketriketrika. Ahitsio
Akotrefaka
[admin]
: (kotrefaka), mt.at. (akotrefaho): Asaina mandringa, akotringa. Ahitsio
Akotrana
[admin]
: (kotrana), mt. at. (akotrano): Avala hikotrana, hikatroka: Nakotran'ny saka tao an-dakozia tao ny vilany. Ahitsio
Akotifahana
[admin]
: a.: Lamba landy izay vita tenona mihitsy ny sorany. Ahitsio
Akoty
[admin]
: a.: Jer, Akotifahana. Ahitsio
Akotana
[admin]
: (kotana), mt. at. (akotany): Asaina mikotana, akorontana; ampikomina. Ahitsio
Akosoka
[admin]
: (kosoka), mt, fit. (akosohy): Entina mikosoka, na manala loto amin'ny fikosehana mafy: Taolan-katsaka no akosoky ny olona sasany ny lam ba sasana. Ahitsio
Akositra
[admin]
: (kositra), mt. fit. (akosiro): Entina manakositra na maka afo, amin'ny fampihodinana hazo kely eo ambonin'ny hazo iray hafa. Ahitsio
Akosina
[admin]
: (kosina), mt. at. (akoseno): Avala hihosina amin'ny loto, asaina miaraka amin'ny olona tsy mitovy saranga. Ahitsio
Akosesy
[admin]
: (kosesy), mt. at. (akoseseo): Atao haingana tsy misy fiatoana: Akosesy loatra ny asa eto ka tsy vitako intsony. Ahitsio
Akorotsaka
[admin]
: (korotsaka), mt. at. (akorotsaha): Aidina; akoriana: Rano mahamay no nakorotsany tamin'ny lohako. / Nakorotsaka tao an-daua-bary ny uary . Ahitsio
Akorosy
[admin]
: (korosy), mt. at. (akorosio): Atao mikorisa sady atosika. Ahitsio
Akororosy
[admin]
: (kororosy), mt. at. (akororosio): Atambotsotra hidina, akorotsaka, aongana. Ahitsio
Akororoka
[admin]
: (kororoka), mt. at. (akororohy): Alana fako na bozaka amin'ny fandrarahana azy avy ambony ka entin' ny rivotra ireo fako sy bozaka ireo: Er? amin'ny uaua riuotra er? akororoka ny uary, Ahitsio
Akorontana
[admin]
: (korontana), mt. at. ( akorontano): Atao mikorontana, asafotofoto atao ambony ambany: Nakorontan'ny sasany ny entanay rehetra tao an-trano. Ahitsio