Teny nampidirina farany

Akorongo
[admin]
: (korongo), mt. at. (akorongoy): Asaina mifolaka toa hihaona: Azo akorongo ny tahon 'ny kamasina. Ahitsio
Akoromby
[admin]
: (koromby), mt. fit (akorombio): Entina miaro, manaloka: Tsilo akoromby ny anana mba tsy hohanin' ny biby ary bozaka akoromby ny ketsa. Ahitsio
Akorofoka
[admin]
: (korofoka), mt. at. (akorofohy): Ahetsiketsika. Ahitsio
Akorodorodo
[admin]
: (korodorodo), mt. at. (akorodorodoy): Asaina mandeha mingodongodona. Ahitsio
Akorododo
[admin]
: (korododo), mt. at. (akorododoy): Atao izay handehanany haingana, roahina haingana: Akorododoy ireo akoho ireo fa homana ny uary mihahy. Ahitsio
Akorobobo
[admin]
: (korobobo), mt. at. (akoroboboy): Asaina a-tao haingana, asaina atao maika: Nakorobobon'ny tompony it? akanjo zairiko it? fa maika hoentiny amin'ny Paka, hono. Ahitsio
Akoro
[admin]
: (koro), mt. at. (akoroy) Asavoritaka, azera. Ahitsio
Akorisa
[admin]
: (korisa), mt. at. (akorisao): Asosa, akisaka midi-na, akororosy: Mamizana ny mitaona ireo biriky ireo fa akorisao fotsiny amin'it? hazo fisaka Ahitsio
Akorirarira
[admin]
: (korira). mt. at. (akorirarirao): Ahemo-dava, angatahana andro lava. Ahitsio
Akorintsana
[admin]
: (korintsana), mt. at. (akorintsano): Ahetsiketsika mba hanenoan'ireo voan-javatra ao anatiny na ireo zavatra eny an-tanana: Akorintsany ireo fanalahidy ma-ro eny an-tanany rehefa mandalo izy, Ahitsio
Akoriasaina
[admin]
: (akoriasa), mt. ih. (akoriasao): Atao izay hisalasalana: Nakoriasainy teo aho dia tsy lasa. Ahitsio
Akoriasa
[admin]
: a.: Tsy fahatapahankevitra, fisalasalana, fihambahambana. - t.i.f.: akoriasaina / manakoriasa / anakoriasana, fanakoriasana / miakoriasa / iakoriasana, fiakoriasana. Ahitsio
Akoriana
[admin]
: (koriana), mt. at. (akoriano): Ampandehanina misosa miadana, asosa tsy misy manakantsakana: Nakorianan'ny Mpandahatra eny an-dohasaha ny rano mba hamelona ny biby sy ny zauamaniry. 1 Akorisa, akisaka: Akoriano hatreto io uato io raha voatosikareo. Ahitsio
Akory
[admin]
: p. rat.: Fanontaniana toetoe-javatra: Akory ianao: manao ahoana ianao? - F,-p.: Akory izato izy: mitovy amin'ny akory ianao; / manao akory: miarahaba; / mifanao akory: mifampiarahaba; / tsy akory: fanamafisana bebe kokoa ny fandavana: Aza miantehitra aminy ianao fa tsy ho avy izy tsy akory; / tsy ,.. akory: tsy velively, tsy ... na kely aza: Tsy fantatro akory izay lazainao; / akory hatao: enti-milaza tsy fahitana hevitra na zavatra hafa hatao intsony. Ahitsio
Akoretika
[admin]
: (koretika), mt. at. (akoreteho): Atao mikoretika tsy milamina, mitsiporetika; akorontana, asafotofoto: Nakoretin'ny ankizy ny fitafiana tao am-bata ka nifangaro be ihany. Ahitsio
Akorefa
[admin]
: (korefa), mt. at. (akorefao): Arefarefa amin'ny tany: Aza akorefa amin'ny tany ny lambanao. Ahitsio
Akoravato
[admin]
: a.: Vato maranitra na mitrikitriky eny an-dalana. Ahitsio
Akorataba
[admin]
: (korataba), mt. at. (akoratabao): Akorontana, atao mikorontana, misafotofoto. Ahitsio
Akoraraika
[admin]
: (koraraika), mt. at. (akoraraiho): Asaina mikoraraika, avala hikoraraika. Ahitsio
Akorapaka
[admin]
: (korapaka), mt. at. (akorapahy): Ampanaovina haingana, asaina atao maika, akopapaka. Ahitsio