Teny nampidirina farany

Akivy
[admin]
: (Ats), a.: Sazy famaizana olon-dratsy ataon'ny olona amin'ny fokontany iray ka ahatany na ahibony tsy hifanerasera amin'ny olona ilay faizina. Ahitsio
Akivy
[admin]
: (kivy), mt. fit. (akivio): Entina hanakivy, manaketraka. Ahitsio
Akitroka
[admin]
: (kitroka), mt. at. (akitrohy): Terena hiady tsara: Nakitrony ny nifiny sady navandravandrany ny masony. Ahitsio
Akitrana
[admin]
: (kitrana), mt. at. (akitrano): Asaina mikitrana, miady; ampiadina. Ahitsio
Akitra
[admin]
: (kitra), mt. fit (akitrao) Entina mampiady: Tsy nahita zavatra hakitra ny angely izy ka lasa. Ahitsio
Akitoatoa
[admin]
: (kitoatoa), mt. at. (akitoatoavy): Atao kisendrasendra. Ahitsio
Akitikitika
[admin]
: (kitikitika), mt. fit. (akitikitiho): Entina manitikitika, manibokibo: Ahitra no nakitikitiny ny zazakely ka torantorana er? ilay zaza. Ahitsio
Akitika
[admin]
: (kitika), mt. fit. (akitiho): Entina mikitika, manohina. Ahitsio
Akitamby
[admin]
: (kitamby), mt. at. (akitambio): Atao kitamby. Ahitsio
Akitakita
[admin]
: (kitakita), mt. at. (akitakitao): Aforiporitra. ? A-tao ratsy fitondra, levilevena. Ahitsio
Akisaka
[admin]
: (kisaka), mt. at. (akisaho): Afindra toerana tsy lavitra: Nakisany fotsiny ilay vato dia lasa izy, fa tsy navariny any an-kady. / Akisaho ny sezanao fa tsy mahita aho Ahitsio
Akisa
[admin]
: (t.tr.), p. t.: Mpampihomehy, mpanao kivazivazy, tia vosotra, tia sangy. ¶ M. h.: mahatsikaiky, hatsikana, arira, satriatria, mariadriaka. Ahitsio
Akisa
[admin]
: na Kisa a.: Ady tadiavina amin'ny zavatra tsy misy antony, ady amin'ny tsinontsinona: Mila akisa lava izao amin'Ikoto ny zanaky ny ato avaratra. ¶ M.h.: tonony, vaniny, antsongony, antsontsanY, antendrivary. Ahitsio
Akiririoka
[admin]
: (kiririoka), mt. fit. (akiririohy): Entina hikiakiavana. Ahitsio
Akirindro
[admin]
: (kirindro), mt. at. (akirindroy): Atao matevina, mifanety: Aza akirindro ny fambolinao ireto zanakazo ireto. Ahitsio
Akirazorazo
[admin]
: (kirazorazo), mt. at. (akirazorazoy): Ahantona mihevaheva tsy mitehi-tany. Ahitsio
Akiraviravy
[admin]
: (kiraviravy), mt. at. (akiraviravezo): Atao mikiraviravy, atao mikirazorazo: Aza akiraviravy any ivelan'ny lavarangana ny tongotrao. Ahitsio
Akiraro
[admin]
: (kiraro), mt. at. (akiraroy): Enti-milaza ny kiraro atao amin'ny tongotra: Tsy hitako izay hakiraro azy, fa makadiry loatra ny tongony. Ahitsio
Akiramborambo
[admin]
: (kiramborambo), mt. at. (akiramboramboy): Avela hikirazorazo, hitaritarika avy ao aoriana: A-za akiramborambo toy izao ny zoron-dambanao. Ahitsio
Akipily
[admin]
: (kipily), mt. at. (akipilizo): Alefa hirimorimo, atoraka: Nakipiliny teny amiko ilay tehina. Ahitsio