Teny nampidirina farany

Aketsa
[admin]
: (ketsa), mt. at. (aketsao): Afindra: Mbola kely loatra, anaka, ny uarintsika ha tsy azo aketsa. 1 Atao ketsa: Tsy manana vary aketsa akory izy ka mba mihambo erg. Ahitsio
Aketrona
[admin]
: (ketrona), mt. at. (aketrony): Asiana ketrona, asiana miforitra na mivalona: Naketrony ny moron-tongotr'akanjon-dRamatoa iny ka lasa fohy ny akanjony. 1 A-tao toy ny mihorongorona na mivalombalona ny hoditra: Naketrony ny handriny raha nahare izany izy. Ahitsio
Aketraka
[admin]
: (ketraka), mt. at. (aketraho): Atao miketraka, migedragedra: Aketraho ny kofehy fa henjan-doatra. Ahitsio
Aketoka
[admin]
: (ketoka), mt. fit. (aketohy): Entina miketoka, manaikitra. Ahitsio
Aketa
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny lahy amin'ny karazam-balala iray izay atao hoe adrisa ny vavy. * Ohab.: Matin-drobon'ny adrisa ka fola-pen'ny aketalahy: sendra ny fatsora iray trano ka ny sasany mandroboka, mitaona; ny sasany kosa mamely. Ahitsio
Akepoka
[admin]
: (kepoka), mt. fit. (akepohy): Entina mikepoka, mikarepoka: Ny nify anoloana no nakepony ny taolana fa tsy ny uazana, ka tsy nahalaitra. 1 mt. at.: Hanina, lanina: Nakepony ny uolako dia tsy niuerina izy. Ahitsio
Akepikepika
[admin]
: (kepikepika), mt. at. (akepikepeho): Asavilivily. Ahitsio
Akepakepaka
[admin]
: (kepakepaka), mt, at. (akepakepaho): Atao mikepakepaka, na miala amin'ny toerany ka kely foana sisa mitana azy: Akepakepaky ny rivotra it? uarauarankely niala tamin'ny savily t?. 1 Atao mikemokemo, mihetsiketsika milentika na mihemotra: Akepakepaky ny fitsakoany ny molotr'io antidahy banga io. Ahitsio
Akentsona
[admin]
: (kentsona), mt. at. (akentsony): Atao kentsona: Aza akentsona ny e amin'ny teny hoe mitepo. Ahitsio
Akendry
[admin]
: (kendry), mt. fit. (akendreo): Entina mikendry, mitily. Ahitsio
Akenda
[admin]
: (kenda), mt. fit. (akendao): Entina manakenda: Lamba landy, hono, no nakendan'ireo namono azy andRadama II. Ahitsio
Akemo
[admin]
: (kemo), mt. at. (akemoy): Akainkona: Akemon' ny sokatra ny lohany raha uao hatonina izy. Ahitsio
Akekezina
[admin]
: (akaiky), mt. ih. (akekezo): Tsy halavitina, tomorina: Akekezo ny latabatra fa sao raraka amin'ny akanjonao ny rony. Ahitsio
Akekena
[admin]
: (akaiky: jar. Akekezina). Ahitsio
Akejokejo
[admin]
: (kejokejo), mt. fit. (akejokejoy): Entina manangolingoly, manolikoly: Vola no nakejokejony azy. Ahitsio
Akehina
[admin]
: (kehina), mt. at. (akeheno): Avala hitomanimany, hikonetaka. Ahitsio
Akefona
[admin]
: (kefona), mt. at. (akefony): Asaina mievina. Ahitsio
Akavina
[admin]
: Jar. Akaina. Ahitsio
Akatsaka
[admin]
: (katsaka), mt. fit. (akatsaho): Asaina mikatsaka, mitady, ilazana olona ampitadiavana zavatra: Ikoto no nakatsaky ny zokinay io boky io fa tsy nahita izy. Ahitsio
Akatroka
[admin]
: (katroka), mt. fit. (akatrohy): Entina mikatroka, mipoka amin'ny..., mandona: Ny tandrony no nakatrok'ilay omby ny vato ka tapaka. 1 mt.at.: Asaina mikatroka, miady, midona; adona, apoka: Nakatroky ny mpampianatra izy roa lahy tia adiady ka fay tsy te hiady intsony. / Nahoana no nakatrokao tamin'ny rindrina ny lohan'ny zandriko? Ahitsio