Teny nampidirina farany

Akatraoka
[admin]
: (katraoka), mt. at.: Atao mikatraoka, na mitera-ka feo toy ny an'ny tongotsoavaly na kiraro mandeha amin'ny vato: Aza akatraoka ohatra izany iny kiraro hazonao iny fa manaitra zaza. Ahitsio
Akatraka
[admin]
: (katraka), mt. fit. (akatraho): Entina mampisy feo mafy mikotrokotroka, midoboka na mirohondrohona: Nakatraky ny lakana nidona taminy ilay haram-bato. Ahitsio
Akatra
[admin]
: ft.: Fanaovana amin' ny toerana ambony na avoavo kokoa. - t.i.f.: Akarina, voakatra / tafakatra / manakatra, fanakatra, mpanakatra / anakarana, fanakarana / miakatra, fiakatra, mpiakatra / iakarana, fiakarana / mampakatra, mpampakatra. Ahitsio
Akatona
[admin]
: (katona), mt. at. (akatony): Arindrina: Akatony ny varavarana fa misy rivotra. Ahitsio
Akatasavola
[admin]
: na Taimborontsiloza a.: Zavamaniry fanao odY kankana (Chenopodium ambrosiuides). Ahitsio
Akatamaimbo
[admin]
: a.: Zavamaniry mampandositra ny bibikely toy ny parasy, hao, sns... (Croton marorauina), Ahitsio
Akata
[admin]
: na Akatatra a,: Vary akotry, izany hoe vary mbola ao anaty hodiny. * Ohab.: Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra, tanàna tsy ilaozan'adala: na aiza na aiza tsy maintsy ahitana olona hafahafa miavaka anrin'ny maro ihany. Ahitsio
Akata
[admin]
: a.: Lobolobona hazo madinika. 1 Ambanivohitra lavitra: Vary at? anaty akata at? izahay ha tsy mba mahita uaouao. Ahitsio
Akasoka
[admin]
: (kasoka), mt. at. (akasohy): Atao mikasoka aarnin'ny.., mandilotra, mifaoka: Aza akasoka amin'ny rindrina vao nasiana loko ny tananao. Ahitsio
Akasika
[admin]
: (kasika), mt. fit. (akasiho): Entina mikasika, manendry: Ny loharantsany fotsinynonakasiny an'ilay marary dia sitrana ilay mt. at.: Atao mikasika: Akasiho eo ange ny tananao raha tsy mangorintsina e! Ahitsio
Akasia
[admin]
: na Mimoza a.: Hazo lehibe ampiasaina hampijanona fivoahan-dra (Acacia deal bata). Ahitsio
Akasy
[admin]
: (kasy), mt fit. (akasio): Enti-milaza izay ampiasaina hijejojejoana. Ahitsio
Akasaoka
[admin]
: (kasaoka), mt. at. (akasaohy): Atao mikasaoka na mifampikasaoka ka misy feo heno amin'izany. Ahitsio
Akasa
[admin]
: (kasa), mt. at. (akasao): Omanina: Izao avy ny zavatra akasa amin'ny fahatongavan'ny filoha. Ahitsio
Akaroka
[admin]
: (karoka), mt. fit. (akarohy): Entina mikaroka, mitady. Ahitsio
Akarina
[admin]
: (akatra), mt. ih. (akaro): Atao amin'ny toerana ambony na avoavo kokoa: Akaro any ambony rihana i-tg fitoeram-boky it?. 1 h.o.: Asondrotra, asandratra: Nakarina ho jeneraly ilay kolonely tanora. 1 Ampidirina aradalana ao an-trano ho vady: Nakarin-dRakoto ho uady Rasoa. Ahitsio
Akaretoka
[admin]
: (karetoka) mt. at. (aharetohy): Atao mikaretoka (ilazana ny nifhn-biby izay mandramatra ny haza azony): Akaretoky ny biby matetika ny nifiny rahefa mihinana. Ahitsio
Akarepoka
[admin]
: (karepoka), mt. at. (akarepohy): Arapaka: Nakarepoky ny kary ny akohon'Isam b ilo. Ahitsio
Akarenjy
[admin]
: (karenjy), mt. at. (a• karenjeo): Avela hikarenjy, hirao-bilonà amin'izay tiany: Nahoana no akarenjy etg amin'ny tanimboliko ny bibinareo ? Ahitsio
Akararana
[admin]
: (kararana), mt. at. (akararano): Aidina mba hifantsitsitra. Ahitsio