Teny nampidirina farany

Tsilo
[admin]
: a.: Zavamaniry misy toy ny fanjaitra maso maranitra manindrona eny amin'ny vatany: Mamy tokoa ny voantsilo rehefa masaka tsara. • Ireo zava-maranitra manindrona amin'ilay zavamaniry mihitsy: Alao kely, fa misy tsilo tafiditra ato amin'ny hohoko ato. - t.i.f.: Tsiloina, atsilo, voatsilo / manilo, fanilo, mpanilo ) aniloana, faniloana I tsilotsilo, manilotsilo / mitsilotsilo. Ahitsio
Tsilo
[admin]
: a. Fanazavana. - t.i.f.: Tsilovina, atsilo, voatsilo / mitsilo, fitsilo, mpitsi-10 / itsilovana, fitsilovana / mahatsilo / fanilo / matsilo. Ahitsio
Tsililalila
[admin]
: a.: Doladola, tolatola eny am-pandehanana na eo am-pipetrahana. - t.i.f,: Mitsililalila, fitsililalila. Ahitsio
Tsileondoza
[admin]
: a.: Karazam-bakana niambozonan'ny olona fahiny na nataony tamin'ny tanany na ny tongony mba hiaro azy amin'ny loza. Ahitsio
Tsilemita
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny "amboakelin-drano". Ahitsio
Tsilavana
[admin]
: a.: Karazan-damba vita teto an-toerana fahizay. Ahitsio
Tsilasilasy
[admin]
: a.: Tsiredareda, danesaka, tavozavoza. 1 Atsilasilasy, tafatsilasilasy ) mitsilasilasy. Ahitsio
Tsilaolao
[admin]
: a.: Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly: Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an'ny ankizivauy kely. ? Kilalao amin'ny hevitra an' ohatra: Tian'ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny". (Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao. Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Labo tian'ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian'ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: entimilaza kilalao madinika na lalao amin'ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony). Ahitsio
Tsilany
[admin]
: a.: Fomba fandry ka ny lamosina no atao ambany, izany hoe ny maso miandrandra ambony. 1 Fitoeran-javatra ka ny vavany ambony. - t.i.f.: Atsilany, tafatsilany / manatsilany, fanatsilany, mpanatsilany / anatsilanesana, fanatsilanesana / mitsilany, fitsilany, mpitsilany / itsilanesana, fitsilanesana / mahatsilany / tsilanilany. Ahitsio
Tsilamodamoka
[admin]
: p.t.: Jer. La-moka. Ahitsio
Tsilalantany
[admin]
: p. t.: Be dia be izaitszy, sesehena: Vahoaka tsilalantany no tao an-tsena aninaraina. Ahitsio
Tsilakolako
[admin]
: Jer. Tsilaiko. Ahitsio
Tsilaky
[admin]
: a.: Ahitra anaovana fisotro mahatonga ho sahisahy sy tsy ho menamena-poana. - F.-p,: Misotro tsilaky: vonona na sahy hanao zavatra tsy matahotahotra na menamenatra. Ahitsio
Tsilaitra
[admin]
: a.: Karazan-kazo fanao tehina, zaran'angady na zaram-pamaky. Ahitsio
Tsilaingalainga
[admin]
: a,: Lainga atao toy ny kilalao amin'ny fodiana manao izao na izao. Ahitsio
Tsilailay
[admin]
: a.: Fivadibadika, fitsimbadimbadika amin'ny tany ohatra ny ataon'ny ankizy na ny biby sasany toy ny soavaly, ampondra, kisoa. i t.i.f.: Atsilailay, tafatsilailay / mitsilailay, fitsilailay, mpitsilailay / itsilailaizana, fitsilailaizana / mahatsilailay, Ahitsio
Tsilaiko
[admin]
: Jer. Laiko. Ahitsio
Tsilafolafo
[admin]
: Mitovy amin'ny Lafolafo. Ahitsio
Tsikozakozaina
[admin]
: (tsikozakoza) mt. ih. (tsikozakozĂ y): Atao am im-p itsi r e dar e dana. Ahitsio
Tsikozakoza
[admin]
: a.: Hozohozo, taredretra, tsiredareda, fitadiavam-pivelomana ats$' arys. 6 Li. f.: Tsikozakozaina, tafatsikozakoza 1 manatsikozakoza, fanatsikozakoza, mpanatsikozakoza 1 anatsikozakozana, fanatsikozakozana 1 mitsikozakoza, fitsikozakoza, mpitsikozakoza 1 itsikozakozana, fitsikozakozana 1 mahatsikozakoza. Ahitsio