Aivoka [admin] | : | a: Ny dingana voalohany amin'ny fitotoam-bary, na ny fitotoana indray mandeha voalohany ny vary, alohan'ny tsaitsainy. - t.i.f.: maivoka 1 manamaivoka, fanamaivoka i mpanamaivoka 1 anamaivohana, fanamaivohana. Ahitsio |
Aivo [admin] | : | Teny iantsoana ny zanaka rehetra — na firy na firy isany — eo anelanelan'ny zokiny indrindra sy ny zandriny indrindra (lahiaivo, oauiaiuo, Inaivo (zazalahy), Raivo (zazauauy). Ahitsio |
Aivakivaka [admin] | : | (ivakivaka), mt. at. (aivakivaho): Alavo, apotraka, ahataka. Ahitsio |
Aiva [admin] | : | Hua), mt. at. (aivao): A-tao mietry, ampidinina.. Ahitsio |
Aitatra [admin] | : | (itatra), mt. at. (aitaro) Atao izay hahalehibe azy, halehibeazina: Naitatra ny tokotanin'ny sekoly fa nitombo ny mpianatra. Ahitsio |
Aita [admin] | : | (ita), mt. at. (aitao): Entina er? an-dafin-drano, ampitaina: Naitan-dRabe ny om b iko. Ahitsio |
Aisina [admin] | : | (isina), mt. at. (aisino): Esorina, alana (lelo): Aisino ny lelon'Ikoto fa aza mifodelo lava izao. 1. h.i.: Tapahina ny lohan'ny lahinjiro efa maNary lavenona. * Ohab.: Ahy aza ny ielo aisiko: raha mba izaho no nanan-kanaovana, tsy maintsy ho vitako tsara mihitsy. Ahitsio |
Aisy [admin] | : | (isy), mt. at. (aisio): Atao amin'ny...: Vongan-tsira lehibe angaha no naisinao ny laoka no mangeroka tsy azo hanina it' izy? Ahitsio |
Aisy [admin] | : | t.p.: Teny enti-maneho tsy fankasitrahan-lavatra iray, na fandavana mihitsy: Aisy! mandehana ianao mandeha any. / Aisy! tsy miditra amin'izany raharaha maizina izany aho. Ahitsio |
Airitra [admin] | : | (iritra), mt. at. (airito): Asitrika ao anaty rano, alevina amin'ny fasana vonjY mai-ka. Ahitsio |
Aingitraingitra [admin] | : | a.: Zavatra tsy dia ilaina loatra fa atao ho fisehosehoana fotsiny entanin'ny ebo; haitraitra: Mijaly ny olona be aingitraingitra. Ahitsio |
Aingitra [admin] | : | a: Fihetsika ta hampiavaka ny tena amin'ny hafa,fahasarotsarotana. - t.i.f.: aingitraingitra / miaingitra, fiaingitra, mpiaingitra. Ahitsio |
Ainginaingina [admin] | : | ft.: Fipetrahana amin'ny toerana avoavo. i t.i.f.: aainginaingina, tafainginaingina 1 manainginaingina, fanainginaingina, mpanainginaingina / miainginaingina, fiainginaingina, mpiainginaingina / iainginainginana, fiainginainginana. Ahitsio |
Aingiaingy [admin] | : | na Haingihaingy a.: Henatra, hasarotan-kenatra. 1 p. t.: Menatra: Aingiaingy niala nisiontsiona ter' izy. Ahitsio |
Aingaina [admin] | : | (ainga), mt. ih. (aingao na ingao): Entanina: Ire-r' uoalohany aingain'ny fony kokoa, iretsy faharoa tarihin'ny sainy kokoa (Ant. Bah.). 1 Bataina: Aingao io vato io raha matanjaka ianao. Ahitsio |
Ainga [admin] | : | a.: Fibatana, fialana. - t.i.f : aingaina na ingaina, voainga, tafainga / manainga, fanainga, mpanainga 1 anaingana, fanaingana j miainga, fiainga, mpiainga 1 iaingana, fiaingana. Ahitsio |
Ainga [admin] | : | a.: Tombon'isa omena mialoha, izany hoe ambony ampanga ankoatra ny loka: Homeko ainga impito mandingana ise, fa andeha isika hifaninana hazakazaka. Ahitsio |
Ainaina [admin] | : | t.u.r. (aina) a.: Fakana fofon'aina tapatapaka na malemY. Ahitsio |
Aina [admin] | : | a.: Ny mahatonga ny zavatra ho velona: Ny aina tsy afaky ny tompony. / Ny rivotra fohina sy avoaka mariky ny fahavelomana: Mideza loatra ilay fiakarana ka njanona kely naka aina aho fa sempotra. / Hery sy fahatanjahana: Be aina. / Tsy mahazaka an'io entana io Ikoto fa kely aina. / Manana aina izany raha olona. - t.i.f.: miaina, fiaina, mpiaina I iainana, fiainana / mampiaina, fampiainana. - F.-p.: Matta aina: miala janoua kely mba hampitombo ny hery; mahazo aina: sala-ma; mahatsiaro tena ho matanjaka, mitombo, mihavory nofo; miala aina: eo amin'ny fotoana ahafatesana; manao an'aina: manampatra ny ai-na, tahaka ny tsy mampiasa saina handinika na hitandrina fa manezakezaka fotsiny amin'izao; mikely aina, manao izay tratry ny aina: mikezaka mafy, manao izay azo atao rehetra; miferitra ai-na, miferinaina: mijaly ampanahy izaitsizy; manao aintsy ho zauatra, manao t'y uery ny aina, mitono aina, miuarotra aina: tsy miraharaha ny ho faty mba hahazoana zava-tsoa iray kendrena; menaky ny aina, sombin'ny ai-na, silaky ny aina: teny ilazana am-pitiavana ny zanaka na ny olon-tiana na iza na iza. Ahitsio |
Ailika [admin] | : | (ilika), mt. at. (ailiho): Atosika ho eny an-tsisintsisin-toerana: Axa ailika fotsiny any ambany farafara ny fako fa raofy mihitsy. /(tsiny, raharaha) Omena ny ha-fa, atolaka any amin'ny hafa, nefa tokony ho an'ny tena: Nailiny tamiko indray ny raharaha efa nekeny hatao. / Nailiny tamin'ny rahalahiny ny hadisoana, nefa izy no tsy nitandrina. a F.-p.: Aili-tanana: atao tsinontsinona, alana baraka, hamavoina; aili-tongotra: be dia be. Ahitsio |