Ahontsina [admin] | : | na Ahontsona (hontsina na hontsona), mt. at. (ahontsony): Ahetsika, aonjina: Aza ahontsina ny latabatra fa mianjera daholo ny zavatra eo amboniny. Ahitsio |
Ahontsana [admin] | : | Ahontsankontsana (hontsana, hontsankontsana) mt. at. (ahontsano, ahontsankontsano): Hetsiketsehina: Ahontsano ny tavoahangy hahitana raha mbola misy loto. ? Kobanina: Ahontsano ao anaty barika ny rano hanasana azy. Ahitsio |
Ahonkona [admin] | : | (honhona), mt. at. (ahonkony): Atao honkona: Tandremo sao uy harefesina no ahonkonao azy. Ahitsio |
Ahondrahondra [admin] | : | (hondrahondra), mt. at. (ahondrahondrao): Atao izay hahalemy. Ahitsio |
Ahonaka [admin] | : | (honaka), mt. fit. na mt. at. (ahonahy, na ahonaho): Entina mamonto, manetsaka. ~ Alamaka ao am-pandriana: Nahonaky ny aretina tapa-bolana aho. Ahitsio |
Ahona [admin] | : | a.: Ahotra, fijanonana tampoka. - t.i.f.: tafahona 1 manahona, fanahona, mpanahona 1 anahonana, fanahonana 1 miahona, fiahona, mpiahona iahonana, fiahonana 1 mahahona 1 miahonahona. Ahitsio |
Ahombo [admin] | : | (hombo), mt. at. (ahomboy): Asiana hombo, zarany: Ahomboy it9 angady it? fa tsy misy hiasana. Ahitsio |
Ahohona [admin] | : | (hohona), mt. fit. (ahohony): Entina mambomba, mamihina: Ny elany no ahohon'ny reniakoho ny zanany. Ahitsio |
Ahohoka [admin] | : | (hohoka), rit. at. (ahohofy): Afotitra ka ny vavany no atao ambany: Ahohofy ny siny rehefa tsy misy rano. ~ Enti-milaza olona semporina amin'ny fampandriana azy tsy mitsilany fa ny kibony no atao ambany mandry: Taloha nahohoka ny zaza teraka alakaosy. i A-lentika ao anatin'ny fahoriana: Nahohony tamin'ny fisotroan-toaka ny fianakaviany. Ahitsio |
Ahohy [admin] | : | (hohy), mt. fit. (ahohizo): Entina mihohy, mikaoka ny tany amin'ny hohontongotra. Ahitsio |
Ahogo [admin] | : | (hogo), mt. fit. (ahogoy): Entina mihogo: Fihogo vy ahogo ny uolonao fa henjan-doatra ny volonao. Ahitsio |
Ahofokofoka [admin] | : | (hofokofoka), mt. at. (ahofokofohy): Ahetsiketsika, akopakopaka. Ahitsio |
Ahofakofaka [admin] | : | (hofakofaka), mt. at. (ahofakofaho): Atao miendaka amin'ny alalan'ny fikikisana na fikaohana. Ahitsio |
Ahofakofaka [admin] | : | (hofakofaka) mt. at. (ahofakofaho): Akopakopaka. Ahitsio |
Ahofa [admin] | : | (hofa) mt.at. (ahofao): Itadiavana mpanofa na olona hanofa: Trano ahofa. ~ Orne-na hipetrahan'olona mpanofa: Nahofako ilay tranoko eny Ambohijanahary fa efa tsy mipetraka ao intsony ny zanako. Ahitsio |
Ahodrahodra [admin] | : | (hodrahodra), mt. at. (ahodrahodrao): A-tao tonga mihodrahodra, malemy, zara raha afa-mamindra. Ahitsio |
Ahodivitra [admin] | : | (hodivitra), mt. at. (ahodiviro): Asaina na atao mihodivitra, mivily: Ahodiviro ny masonao raha mijery zauatra mety hahatafintohina anao. Ahitsio |
Ahodina [admin] | : | (hodina), mt, at. (ahodino): Atao mihodina, izany hoe tsy mihetsika eo antoerana nefa hita manatrika ny tena ny lafiny rehetra tsirairay avy: Ahodina ny milina. ~ Atodika mankany aoriana (ny loha): Nahodiny ny lohany raha vao nahita ahy izy. Ahitsio |
Ahodidina [admin] | : | (hodidina), mt. at. (ahodidino): Atao manodidina, manapitra ny sisin-javatra iray ivelany rehetra: Nisy hady nahodidina ny tanna taloha mba tsy hahafahan'ny fahavalo miditra. / Ahodidino ny valahanao it? lamba Ahitsio |
Ahobankobana [admin] | : | (hobankobana), mt. at. (ahobankobano): Atao mikobana, atao misy elanelana malalaka. Ahitsio |