Ahitra [admin] | : | a.: Hoditra ifonosan'ny zaza ao an-kibon-dreniny, izay atao hoe koa tauony na zandrin-jaza. (Araka ny fomba malagasy, ny ahitra dia mazàna alevina rehefa teraka ny zaza, ka tsy mahazo miherikerika izay man-devina azy). Ahitsio |
Ahitra [admin] | : | a.: Bozaka maniry: Maniry ahitra ny tokotany fa diouy tsara. - E-p,: Ahi-maitso: ahitra maitso milenodenoka (ny ahitra dia mipoitra isan-taona, ka amin'izay izy maitso aoka izany, na raviny na tahony, fa mandazo kosa rehefa afaka herintaona); bozaka aman'ahitra: ny zaza amam-behivavy, ny sarambabem-bahoaka, izay atao koa hoe valala tsy mandady harona; mitapatapaka ahitra: miara-midinidinika momba ny zavatra iray; miraoka ahitra: enti-milaza ny biby mamivitra ny ahitra amin'ny vavany; h.o.: olona sahirana izaitsizy mikarokaroka izay hevitra hahafahana amin'ny fahasahiranana; mamikitra ahitra irery: enti-milaza olona maty na mijaly irery tsy misy mpanatrika; mahavotra ahitra: matahotra mafy. Ahitsio |
Ahitikitika [admin] | : | (hitikitika), mt. fit. (ahitikitiho): Entina manitikitika, manakibokibo. Ahitsio |
Ahisatra [admin] | : | (hisatra), mt. at.(ahisaro): Akisaka na akorisa miadana: Ahisatry ry zalahy ny raharaha, ka mimenomenona ny vahoaka. Ahitsio |
Ahirina [admin] | : | (hirina), mt. at. (ahirino): Ilazana ny olona efa ho faty izay akimpy ny masony: Nahirin-janany Rakoto nony ho faty. Ahitsio |
Ahirika [admin] | : | (hirika), mt. fit.(ahirifo): Entina mangirika, mandoaka: Aiza izay lamisy hahirika it? hazo it?? Ahitsio |
Ahirihiry [admin] | : | (hirihiry), mt. at. (ahirihirio): Atao anditra. Ahitsio |
Ahiratra [admin] | : | (hiratra), mt. at.(ahirato): Sokafana (maso): Ahirato ny masonao. * Ohab.: Mason-tsokina ka ny kely ananana no ahiratra: tsy misahirana mitady zavatra tsy takatra, fa ny kely ananana no ampiasaina. Ahitsio |
Ahipisaka [admin] | : | a.: Ahitra mandadina tahaka ny fandrotrarana. Ahipoka (hipoka), mt. at,(ahipohy): Afatratra: Nahipoka tao anaty lakana izahay rehetra. Ahitsio |
Ahipalana [admin] | : | a.: Ahitra mandadina tahaka ny fandrotrarana ary malemy fohifohy ravina, fanome ny omby afahy. — Hoy ny mpikabary raha miala tsiny: Tsy mba ny fody mpiantendro acre, izahay, fa ny tsikirity madinika mifanafosafo amin'ny ahipalana Ahitsio |
Ahintsana [admin] | : | (hintsana), mt. at. (ahintsano): Araraka na alatsaka amin'ny alalan'ny fanozongozonana: Nahintsan'ny rivotra ny voninkazo. Alana amin'ny alalan'ny fanetsiketsehana: Ahintsano ny uouoha amin'ny tongotrao vao miditra ny trano ianao. ~ Sivanina: Ahintsana ny fasika. ? (famarana) hozongozonina mba hahalany bebe kokoa: Ahintsano tsara ny sobika mba hahalany vary bebe kokoa Ahitsio |
Ahinjitra [admin] | : | (hinjitra), mt. at. (ahinjiro): Atao mihinjitra mihenjana: Ahinjiro ny sandrinao. Ahitsio |
Ahinjihinjy [admin] | : | (hinjihinjy), mt.at. (ahinjihinjio): Ahinjitra ela na maharitra, henjanina. Ahitsio |
Ahinjaka [admin] | : | (hinjaka), mt. fit. (ahinjaho): Entina mihinjaka, manosihosy. Ahitsio |
Ahindrahindra [admin] | : | (hindrahindra), mt. at. (ahindrahindrao): A-ingaingaina amin'ny sandry mba hampisehoana azy. Ahitsio |
Ahinakinaka [admin] | : | (hinakinaka), mt. fit. (ahinakinaho): Entina maninakinaka, mikapoka mafy: Vatan-kazo lehibe no nahinakinany an'ilay zaza. Ahitsio |
Ahina [admin] | : | (ahy), mt. ih. (ahio): A-tahorana: Ahiko ho nangalatra iny zazalahy iny fa kaodikaody. ~ Karakaraina, raharahaina: Tsy ahiny akory ny asany. Ahitsio |
Ahimoso [admin] | : | a.: Ahitra misy tsilotsilony. Ahitsio |
Ahimoka [admin] | : | (himoka), mt. at. (ahimohy): Akombona (entimilaza ny vava izay akombona, hidiana tsy hamoaka feo) Ahitsio |
Ahimùka [admin] | : | a.: Ahitra maniry eny anaty rano, fanaon'ny olona kofehy na tady. Ahitsio |