Teny nampidirina farany

Tsikoza
[admin]
: a.: Karazam-borona lava fingotra toy ny vano. Ahitsio
Tsikovoka
[admin]
: a.: Anaram-bibikely any anaty rano tahatahaka ny voangory ka lavalava boribory ny tenany sady voarakotra hoditra mafy, fa ny tongony aoriana no entiny mivoy rano. Ahitsio
Tsikotrokotroka
[admin]
: a,: Mitovy amin'ny Kotrokotrobato. Ahitsio
Tsikotana
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Kotana. Ahitsio
Tsikorovana
[admin]
: a.: Karazam-boronkely tsara tarehy, misy sangany, manga feo. Ahitsio
Tsikononkonona
[admin]
: Mitovy amin'ny Kononkonona. Ahitsio
Tsikonina
[admin]
: a.: Kilalao fanaon' ny ankizy taloha rehefa tonga ny fety lehibe toy ny fetim-pirenena: izy ireo no mahandro ny sakafony eny ankalamanjana, indraindray amin'ny vilany na fitaovana kely antonona azy. Ahitsio
Tsikondry
[admin]
: o.: Anarana karazam-balala. Ahitsio
Tsikona
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny ondrindrano. Ahitsio
Tsikombakomba
[admin]
: a.: Teny ifanomezana miafina, tetika iraisana any an-takona: Nanao tsikombakomba ianareo roa lahy ka samy hosazina. ¶ M.h.: Kaomiberaka,komahay. Ahitsio
Tsikokoina
[admin]
: (tsikoko) p.t.: Be tsikoko, tserohina. Ahitsio
Tsikoko
[admin]
: a.: Loto mitankosina amin'ny hoditra; tseroka. i t.i.f.: Tsikokoina. - F.-p.: Mihaingo ambony tsikoko: manao tsara izay hitan'ny maso fotsiny fa tsy miraharaha izay tsy hita. Ahitsio
Tsikoitra
[admin]
: a.: Hazo boribory sady mbola tanora fanao eo afovoan'ny trano tomboka mba hanohana ny hazofisaka mitana ny tafo. Ahitsio
Tsikoinkoina
[admin]
: a.: Zavamaniry fanaovana fanafody. •Koinkoina, taraina misy moimoy. i t.i.f.: Tafatsikoinkoina 1 manatsikoinkoina, fanatsikoinkoina, mpanatsikoinkoina 1 anatsikoinkoinana, fanatsikoinkoinana 1 mitsikoinkoina, fitsikoinkoina, mpitsikoinkoina 1 itsikoinkoinana, fitsikoinkoinana 1 mahatsikoinkoinana. Ahitsio
Tsikohonkohona
[admin]
: Mitovy amin'ny Kohonkohona. Ahitsio
Tsikohokoho
[admin]
: (Btm) a.r Anaram-boron-dia sahala amin' ny akoho. Ahitsio
Tsikofokofoka
[admin]
: a.: Fihetsiketsika; fitsipatsipaka, fitrifantrifana. - t.i.f.: Tafatsikofokofoka 1 mitsikofokofoka, fitsikofokofoka, mpitsikofokofoka / itsikofokofohana, fitsikofokofohana 1 mahatsikofokofoka. Ahitsio
Tsikobona
[admin]
: a.: Karazan-kazo madinika mamoa menamena mipetaka avy hatrany amin' ny taho. Ahitsio
Tsikobokobondanitra
[admin]
: a.: Zavamaniry misy raviny bebe no-fo. Ahitsio
Tsikoboka
[admin]
: a.: Bibikely an-drano, karazana fandiorano. malifaliana na indraindray Ahitsio