Teny nampidirina farany

Afoka
[admin]
: (foka), mt. fit. (afohy): Entina mifoka, mitroka. Ahitsio
Afoina
[admin]
: (foina), mt. fit. (afoino): Entina mamoina na manery mba tsy ho afa-mihetsika ny vato amin'ny fanorona Ahitsio
Afoy
[admin]
: (foy), mt. at. (afoizo): Omena tanteraka, atao sorona: Nafoin'izany lehilahy izany ho an'ny tanindrazany ny ainy. ~ Tsy antenaina intsony: Nafoiko ny famantaranandroko very. Ahitsio
Afofotra
[admin]
: (fofotra), mt. fit. (afofory): Ampiasaina mba hitsoka rivotra. Ahitsio
Afofoka
[admin]
: (fofoka), mt. at. (afofohy): Azera, avarina: Nafofony teny alatrano ny entako rehetra. 1 Amidy daholo, lanina tanteraka; atao majifa: Tsy nisy hivelomany ka nafofony daholo ny taniny rehetra./ Nafofony tamin'ny loka ny fananany. / Loza fa nafofoky ny tontakely ny tao an-tranony rehetra. Ahitsio
Afofandiovana
[admin]
: a. (Fie. krist.): Toerana anefan'ireo nihavana tamin'Andriamanitra talohan'ny nahafatesany ny sazim-pahotana vitany, ka idiovany alohan'ny hidirany amin'ny fiainan-tsambatry ny lanitra. Ahitsio
Afody
[admin]
: (fody), mt. at. (afodio) Enti-milaza entana novidina ka tsy raikitra indray fa averina amin'ny nivarotra azy: Nafodiko tany amin'ny mpivarotra ilay satroka fa malalaka loatra. Ahitsio
Afobe
[admin]
: a.: (Fie. krist.) Toerana tsy ahitan'ny ratsy fanahy an'Andriamanitra mandrakizay amin'ny fiainana any ankoatra its' fiainana it? ary heverina fa ijaliany amin'ny afo be tsy mety maty. H.o.: toerana ijaliana sy iferetana aina izaitsizy: Afobe ny fanambadiana tsy misy fitiavana. Ahitsio
Afo
[admin]
: a.: Fivoahan-kafanana sy hazavana miaraka, atera-javatra anankiroa: ny iray mety mirehitra (hazo, arina, bozaka...) ary ny iray tsy hita maso ao anatin'ny rivotra atao hoe oksizena, izay mandoro mahamay: Latsaka ny hariva ka efa mampirehitra afo ny olona - F,-p,: Tsy mamoaka afo: enti-milaza ny olona misaona ka tsy mbola afaka manao harendrina amin'ny Fandroana; maty afo: enti-milaza ny tsipoapoaka tsy mipoaka — na enti-milaza olona tsy manan-kandroina na hohanina; maka afo: tsy manana afo ka mandeha any an-tranon'olona maka vainafo mba hampirehetana afo any an-tranon' ny tena. * Ohab.: Manantsafa ohatra ny mpaka afo: manontany zavatra efa fantatra rahateo; misorona afo, manisy afo: mandroso kitay ao am-patana; main'ny afo natsangany: voan'ny nataony ihany. ¶ M. h.: mandrora mitsilany; afo nandoro ny lambako io: zavatra efa nahavoa ahy io ka tandremako tsars amin'ny sisa. b.: môtro Ahitsio
Afitsoka
[admin]
: (fitsoka) mt. fit. (afitsohy): Enti-mamely, atoraka: Karavasy hoditra mihitsy no nafitsony azy. F• mt. at.: Atao:Tsara ny lahateny nafitsony izay! ? Lanina: Nafitsony tamin'ny soavaly daholo ny volany. Ahitsio
Afitsaka
[admin]
: (fitsaka), mt. at. (afitsaho): Atao mifitsaka: Afitsaka ny tany alohan'ny hanorenana ny trano. 1 Afenina, angalarina: Nafitsany ny volako ariary folo. Ahitsio
Afitra
[admin]
: a.: Fiatoana, fijanonana 1 t.i.f.: aferina, voafitra / miafitra, fiafitra, mpiafitra ) iaferana, fiaferana j mahafitra. Ahitsio
Afitra
[admin]
: (titra), (afiro): mt, fit.: Entina mamitra, mamafa: .1-t? taratasy it? afitra ny zaza. mt. at.: Akosoka, afaoka: A-za afitra amin'ny rindrina ny tananao maloto. Ahitsio
Afira
[admin]
: (fira), mt. fit. (afirao): Entina mamira, mikapa, mijinja: Ny antsy no afira ny vary rehefa m?inja Ahitsio
Afioka
[admin]
: (fioka), mt. fit. (afiohy): Entina mikapoka mirivorivo. Ahitsio
Afintsa
[admin]
: a.: Akondro afa-kodiny nomainina mba hotehirizina. Ahitsio
Afintina
[admin]
: (fintina), mt. at. (afintino): Atao mifintina, mihakely vatana. Ahitsio
Afingana
[admin]
: (fingana), mt. fit. (afingano): Entina mamingana: Ny tongony hauanana no nafingany an'ilay kely. Ahitsio
Afingafinga
[admin]
: (fingafinga), mt. fit. (afingafingao): Entina manao amparapaingo, mamingana. Ahitsio
Afindra
[admin]
: (findra), mt. at. (afindrao): Ovana toerana: Nafindranareo any ambony rihana angaha ilay latabatra teto? Ahitsio