Teny nampidirina farany

Afelipelika
[admin]
: (felipelika), mt. at. (afelipeleho): Atao miolikolika na mipelipelika tahaka ny rambon'alika. Ahitsio
Afelika
[admin]
: (felika), mt, at. (afeleho): Atao miolaka, misafelika: Nafeliny tany an-damosina ny tanany nitana rotsakazo ka nanatona tsy nanana ahiahy Ikoto. Ahitsio
Afehy
[admin]
: (fehy), mt. fit. (afehezo): Entina mamehy, marnatotra: It? tady it? afehy ny entanao fa mafy Ahitsio
Afefika
[admin]
: (fefika), rnt. at. (afefeho): Atao mifefika, miantsona: Nafefiky ny rivotra te-r? lauitra ny seranana ter? ny sambo. ~ mt. fit.: Entina mamely: Totohondry indroa miantoana no nafefiny ny tarehiko. Ahitsio
Afefy
[admin]
: (fefy) mt. fit. (afefeo): Entina mamefy: Bakakcly no nafefiny ny tanimboliny. Ahitsio
Afa-tsy
[admin]
: ppk.: Ivelan'ny, ankoatra ny:'Tonga daholo ny mpianatra rehetra afa-tsy i Jaona kely. Ahitsio
Afatratra
[admin]
: (fatratra), mt. at. (afatraro): Ampidirina an-kery, asisika, aletra: Afatraro ao anatin'io lasaka io daholo ireo boky ireo fa maika Ahitsio
Afatrâfatra
[admin]
: a. Fitomaniana mi-haro kiakiaka ary miaraka amin'ny fihetsika miankapokapoka, tsipatsipaka. - t.i.f.: miafatrafatra, fiafatrafatra, mpiafatrafatra 1 iafatrafarae, fiafatrafarana. Ahitsio
Afatra
[admin]
: (fatra), rnt. at. (afaro): Jerena fatra, jerena habe: A-faro amin'ny sotro ny fanafody sotroinao. Ahitsio
Afatotra
[admin]
: (fatotra) mt. fit. (afatory): Entina mamatotra; afehy: It? tady it? afatotra io alika io. F? mt. cit.: Fehezina, asiana fatotra (izany hoe mitovy amin'ny fatorana ihany): Afatory ny alikanareo fa manaikitra. Ahitsio
Afaritsoka
[admin]
: (faritsoka), mt. fit. (afaritsohy): Entina mikapoka (karavasy). Ahitsio
Afaritra
[admin]
: (faritra), mt. at. (afarito): Atao faritra. Ahitsio
Afaratsaka
[admin]
: (faratsaka), mt. at. (afaratsaho): Atsipy, atoraka. Ahitsio
Afararemotra
[admin]
: (fararemotra), mt. at. (afararemoty): Atao mifararemotra, miketronketrona, mifen-tsahona: Aza afaremotra toy izao it? tarehinao! Ahitsio
Afarango
[admin]
: (farango), rnt. at. (afarangoy): Ahantona, asarangotra. Ahitsio
Afaraingo
[admin]
: (faraingo), (afarangoy), mt. at.:Atao mifaraingo. • mt. fit.: entina mandray, maka. Ahitsio
Afara
[admin]
: p. mt.: Aoriana: Ianao mandehana auy ao afara. Ahitsio
Afaoka
[admin]
: (faoka), mt, fit. (afaohy): Entina mamaoka na manala loto amin'ny zavatra iray amin'ny alalan'ny lamba ampandalovina eo amboniny. Ahitsio
Afantsona
[admin]
: (fantsona), mt. at. (afantsony): Atao fantsona, apetaka mba hanary rano. Ahitsio
Afantsitsitra
[admin]
: (fantsitsitra), mt. at. (afantsitsiro): Atao mifantsitsitra, miporitika: Aza afantsitsitra at? ny rano. Ahitsio