Teny nampidirina farany

Afafa
[admin]
: (fafa), rat. fit. (afafao): Entina hamafana: Nahoana no iny kifafa mtsy iny no afafanao ny trano? Ahitsio
Afaditra
[admin]
: (faditra), mi. fit. (afadiro):Ampiasaina hatao faditra, hanalana ny ratsy ataon' ny sasany: Ahitra ihany aza taloha dia ampy nafaditra. Ahitsio
Afadiditra
[admin]
: (fadiditra), rat. at. (afadidiro): Atao mifadiditra, mifanolana mafy. Ahitsio
Afa na Afana
[admin]
: ft. niavian'ny hoe: Miafa, Miafana (jereo ireo teny ireo). Ahitsio
Aezinezina
[admin]
: (ezinezina), mt, at. (aezinezeno): Atao sady avo no ngeza. Ahitsio
Aezanezana
[admin]
: (ezanezana), mt. at. (aezanezano): Ajoro. Ahitsio
Aezaka
[admin]
: (ezaka), mt. at. (aezaho): Henjanina, hinjirina. Ahitsio
Aevotra
[admin]
: (evotra) mt. at. (aevoty): Aingaina, bataina. Ahitsio
Aevoka
[admin]
: (evoka) mt. at. (aevohy): Atao evoka: Vomanga aeuoka it? zaza voan'ny kitrotro Ahitsio
Aevanevana
[admin]
: (evanevana), mt. at. (aevanevano): Atao anelanelana, alatsaka afovoany. Ahitsio
Aetsaketsaka
[admin]
: (etsaketsaka), mt. fit. (aetsaketsaho): Akapoka, ampiasaina hamelezana. Ahitsio
Aetsaka
[admin]
: (etsaka), mt. at. (aetsaho): Ahotsaka, akoa: Naetsaky ny riaka ny tany teto. Ahitsio
Aetry
[admin]
: (etry), mt. at. (aetreo): Atao tonga mietry, midina ambany, miletsy: Naetrin'ny horohoron-tany ny tanna tao Ananona. 1 Aidina ambany: Izay manambony tena dia haetry, fa izay manetry tena dia hasandratra Ahitsio
Aesotra
[admin]
: (esotra), mt. at. (aesory): Esorina. Ahitsio
Aera
[admin]
: a.: Karazan'entona iainan'ny zavamananaina rehetra, ka ny fivoivoizan'io entona io no mahatonga ny rivotra: Aera mahamay no fohin'ny miaina, ka indreny ny biby fiompy ualabalaka mamonjy alokaloka...(A. Raj.) Ahitsio
Aendrinendrina
[admin]
: (endrinendrina), mt. at. (aendrinendreno): Adalaina, lalaovina. Ahitsio
Aendrikendrika
[admin]
: (endrikendrika), mt, fit. (aendriker}dreho): Entina manendrikendrika, manombotomboka, milaza ho natao izay tsy natao. Ahitsio
Aempo
[admin]
: (empo), mt. at. (aempoy): Atao miempo: Aempo amin'ny afo malefaka ny sauoka. Ahitsio
Aemonemona
[admin]
: (emonemona), mt. at. (aemonemony): Atao amin'ny toerana avo: Nahoana re no naemonemonao eny ambony eny ny labozia? Ahitsio
Aemboka
[admin]
: (emboka), mt. fit. (aembohy): Entina manemboka. Ahitsio