Adonadona [admin] | : | a.: Avonavona aseho amin'ny fihetsika toa mirehareha, mieboebo, ka ny tongotra angadongadona, ny loha aanjonanjona ary ny fiteny atao somary hentitrentitra toa manambonimbony tena. ¶ M.h.: rehareha, lanialanja loha, fieboeboana der. Adokadoka). - t.i.f.: adonadona, adonadonina ) miadonadona, fiadonadona, mpiadonadona ( iadonadonana, fiadonadonana. Ahitsio |
Adona [admin] | : | (dona), mt. fit. (adonao): Entina mandons: Ilay vodihazo no nadonany ny loha iakana. ? mt. at.: Atao midona, mipoka, mipaika: Nadonany tamin'ny tamboho ny fiara raha nanao dia miverina izy. Ahitsio |
Adoladola [admin] | : | (doladola), rat. at. (adoladolao): Araidraika, arona miankavia miankavanana. Ahitsio |
Adokàdoka [admin] | : | a.: Avonavona aseho amin'ny fihetsiky ny Io-ha sy ny famindra, na amin' ny tomba fiteny mizahozaho na milohaloha. - t.i.f.: Aadokadoka / miadokadoka,fiadokadoka, mpiadokadoka ) iadokadohana, fiadokadohana. Ahitsio |
Adohàka [admin] | : | (dohaka), mt. at. (adohafy): Atao mangoboka sy mitrena. Ahitsio |
Adogaga [admin] | : | (dogaga), mt. at. (adogagao): Asaina miandry. Ahitsio |
Adofitra [admin] | : | (dofitra), mt. ot. (adofiro): Apoka, adona aminjavatra. Ahitsio |
Adodododo [admin] | : | (dodododo), mt. at. (adodododoy): Hafainganina. Ahitsio |
Adodadoda [admin] | : | (dodadoda), mt. at. (adodadodao): Arehitra be, aredareda. ~ Lanilanina foana,robarobaima. Ahitsio |
Adoboka [admin] | : | (doboka), mt. fit. (adobohy): Entina mandoboka na mampisy feo lehibe re. ~ mt. at. (adobohy): Atao midoboka, maneno mikotrokotroka: Nadobok'ilay zaza ny amponga ka taitra ny manodidina. ? Asaina mijanona, mipetraka, mitoetra. Ahitsio |
Adobibika [admin] | : | (dobibika), mt. at. (adobibiho): Angonina, atao miavosa, avangongo. Ahitsio |
Adobebaka [admin] | : | (dobebaka), mt. at. (adobebaho): Atao malalaka ny vavany: Aza adobebakao ny vavan'io harona io. Ahitsio |
Adizina [admin] | : | (dizina), mt. at. (adizino): Moro mitsatoka tsara: Nadizin'ilay amboa mova tsy ny rano mifantsitsitra ny ram bo ny. Ahitsio |
Adizidizy [admin] | : | (dizidizy), mt. at. (adizidizio): Ahinjihinjy, adiridiry. Ahitsio |
Adizaoza [admin] | : | a.: Anaran'ny vola-na fahatelo amin'ny filaharan'ny ran'ny volana malagasy merina, aorian'ny Adaoro ary alohan'ny Asorotany, ka ny toerana nomen'nY Ntaolo azy dia eo amin'ny lafin-drindrina atsinanana, ilany atsimo. Isan'ny tononandro mahery indrindra ny Adizaoza, ka ny zaza teraka amin'izany raha tsy alam-bintana dia mihozangozana. ~ Fanandr.: vavany, vodiny: raha vehivavy, maro anaka, fa malahelon-karena; raha lehilahy, malahelo. Ahitsio |
Aditsimay [admin] | : | a.: Anaran'ny laharan-tsikidy fahenina amin'ny sikidy alanana (jer. Sikidy). Ahitsio |
Aditsika [admin] | : | (ditsika na ditsoka), mt. fit. (aditsiho): Entina na ampiasaina hahaditsoka. Ahitsio |
Adity [admin] | : | (dity), mt. fit. (aditio): Entina mandity, izany hoe manakambana sy mandraikitra. Ahitsio |
Adisaona [admin] | : | a.: Ny hihi-nify amin'ny fara valanorano. * f.p•: Vaky adisaona: maniry faxa vazana; h.o. olona mato-tsaina, hendry. Ahitsio |
Adisanina [admin] | : | (fr. addition), a.: Fanambarana isa, fanatontaliana isa: Efa mahay manao adisanina Ibalita kely. * f.-p.: Efa manao adisanina izany ny kankana: efa nana be ihany izany. Ahitsio |