Teny nampidirina farany

Adidy
[admin]
: a.: Zavatra tsy maintsy atao takin'ny raharaha iandraiketana, ny toerana misy ny tena na ny fifandraisana amin'ny hafa: Adidin'ny mpitondra ny mifehy tsara ny firenena sy manao izay hampanan-karena ny tany. / Tsarouy fa adidinao manankanaovana ny manampy ireo fadiranovana. ¶ M.h.: henatra, andraildtra. • Tsiny, soketa: Manana adidy ianao raha manao izany. • Zavatra ekena hatao mba ho fanasoavana ny hafa: Ny adidy tsy an'olon-dratsy. - f -p.: Mandray adidy / manao adidy / manefa adidy / miantsoroka adidy: manatanteraka adidy tsy maintsy atao; Miamboho adidy: tsy manao na mandositra adidy. * Ohab.: Adidinao tsy namangy, fa ny aretiko sitrana ihany: ianao no mahazo tsiny amin'ny fihavanana noho ny tsy nitsidihanao ahy narary, fa izaho it? sitrana ihany. / Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy: saika izay miseho ho mahavita ihany no voatsinin'ny maro matetika. / Ny toko no tapaka ka ny aampanan-dalana no manana adidy: enti-milaza ny olona manome loza ny hafa, nefa ny nataony ihany no nahavoa azy. / Potsitra ny maso: adidin'ny loha; fotsy ny uolo: adidin'ny loha; banga ny nify: adidin'ny loha: ny loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin'ny fahavoazan'ny olona entiny avy. ! Vaua soa sakafo, teny ratsy adidy: ny teny mora mahatsara fihavanana fa ny vava ratsy kosa itondrana heloka ka maharatsy fihavanana. Ahitsio
Adidy
[admin]
: (didy), mt. fit. (adidio): Entina mandidy, ampiasaina handidiana: Aza dia ny vohon'antsy re no adidy it? voasary e!. Ahitsio
Adibidijady
[admin]
: a.: Anaran'ny laharan-tsikidy fahavalo amin' ny sikidy alanana (jer. Sikidy). Ny soratry ny adibijady Ahitsio
Adiady
[admin]
: a.: Fifamalivaliana kely matetika, tsongotsongo teny, fifandrozandrozanana matetika: Tsy ilaozan'adiady ireo mpianatra ireo. Ahitsio
Adia
[admin]
: (dia), mt. at. (adiavo): Andrefesana: Int? ny hazo hadianao ny sakan'ny trano. Ahitsio
Ady
[admin]
:ady telo: adi-rafi-biriky izay ahitana biriky telo indray milahatra; Ady zoro: fandanjana ny zoro; Ady tsy ahi-mahatratra: ady mahavoa, mahafaty nefa tsy nampoizina; Ady tsy tra-mahahery vava: ny tsy mikasika ny tena mahatonga ho be rasa-ka; Ady volom-balala, ady anoano, ady riuotm: ady atao amin'ny zavatra tsy dia inona akory; Ady uoninahitra na ady lahy na ady laharana: adin'olona samy te hatao hoe ambony na be voninahitra; Adim-behivauy: adin'izay ny vava no mandray anjara betsaka; kitozan-teny la-va tarozaka; Adim-pirenena: ady ifamelezan'ny firenentsamihafa; Adin'ankizy: tsy misy mifanao am-po; Adindrenikisoa: ady mikorontana, mifanjevo; Adin-dreniomby: zava-madinika; Adin' ombalahy: zava-dehibe; A-din'ny mpivady: ady noho ny zavatra kely tsy misy antony nefa mora mitony ihany; Adin-tSakalava: ny andriana no mitari-dalana; A-din-tsikidin-drano: ady samy miala tsy misy maratra; Lokan'ady: dfna ifanaovan'ny miaramila handeha hiantafika; Tetik'ady na paik'ady: tetika atao mba hahombiazana amin'ny ady. Ahitsio
Ady
[admin]
: a.: Fifamelezana, fifanafihana amin'ny basy amandefona: Nahafaty olona antapitrisany maro ny ady lehibe roa farany. • Fifampitoriana any amin'ny Fitsarana: Manana ady amin-dRakoto, hono, Rabe. • Tsy fifanarahana, mety hiafara amin'ny fifamaliana mafy na amin'ny fifamelezana mihitsy aza: A-dy be ny azy roa lahy momba ilay boky nindramin-dRanaivo ha veriny. • Fihaonan' ny rafitra, fifanarahan-doko, fitovian'ny zavatra adika amin'ny dikany: Manaitra ny maso avy hatrany ny adin'ny loko amin'ity sary ity. • t.i.f.: miady, fiady, mpiady / iadiana, fiadiana ! manrpiady 1 ampiadina / ampiadiana, fampiadiana / adiady / mahady. ¶ M.h.: fanditra, fifandirana, fanjihitra, fifanjihirana, adilahy, sotasota, vaniny, kisa, gidragidra, vezovezo, sentsena, setrivoho. • f.p.: Ady am-panarahana: ady ahitana ny resy manarina ady, ny mahery mamaly faty; Ady am-parimbona: itambaran'ny mpomba an'ilay iray ankilany ilay anankiray miady aminy (M. h.: angaredona); Ady an'ohatra: fizarana amin'ny ady, sarin' ady; Ady an-trano: fifamelezan'ny samy iray firenena na iray fianakaviana; Ady antsanga: ady an-tsena: adin'ny samy mahery am-bava, ny samy vavàna; Ady fady: tombotomboka atao olona tsy mifankaheny izay ampangaina ho misakaiza; Ady fanjakana: adin'ny samy tompomenakely fahiny raha nisy nihoatra tamin'ny menakelin'ny iray ny iray; Ady fo: fikelezana aina izaitsizy; Ady fom-pananana: ady atao mba hahazoana tombony amin'ny zara lova; Ady gehina: ady a-tao an-ditra; Ady hevitra: ady ifandresena lahatra; Ady hihy: fampikatrokatrohana ny nify ataon'ny olona efa banga tsisy nify intsony; A-dy karajia: ady lahateny am-bava; Ady lojika: ady hevitra maty paika; Ady loha: fandanjana ny lohatrano; Ady lona: ady momba ny trosa tsy voaloa hatry ny ela; Ady madio: ady momba ny harena; Ady maloto: ady heloka, ady mifanendry mosavy, mangalatra, mamono; Ady rafi. tra: famitranana ny rafitra; Ady ratsy: ady misy vono olona; Ady sahala: ady tsy misy resy, tsy misy maharesy; Ady samy irery: adin'olondroa mifampitana, tolon-tsamy irery, taribaniana, balahazo; Ady saritaka: ady mikorontana, mifanjevo; Ady uarotra: fifamalian'ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy ma-nana ady varotra aminareo"; Ahitsio
Adeza
[admin]
: (deza), mt. at. (adezao) Atao mideza, miakatra mahi tsy mitsantsana iray ihany. Ady Ahitsio
Aderadera
[admin]
: (deradem), mt. at. (aderaderao): Asehoseho fatratra ho hita tsara, matetika ho enti-mieboebo na ho entinrandatsa ny hafa: Aza aderrrderanao eo iny kilalao iny !a itomanian'ny zazakeiy. Ahitsio
Adedaka
[admin]
: (dedaka), mt. at. (adedaho): Atao miredaka, miredareda: Axa adedaka tahaka izao ny afo fa mandany kitay. Ahitsio
Adedadeda
[admin]
: (dedadeda), mt. at. (adedadedao): Arehitra midedadeda; atao mirehi-be: A-za adedadeda ohatra izao ny afo sao mandray ny tafontrano. Ahitsio
Adasidasy
[admin]
: (dasidasy), mt, at. (adasidasio): Atao milamina sy mihaminkamina: Adasidasio ny famindranao. Ahitsio
Adarona
[admin]
: (darona), mt. at. (adardny): Atao na tenenina miadana: Adarony ny teninao fa tsy azoko tsara. Ahitsio
Adaroka
[admin]
: (daroka), mt. fit. (adarofy): Entina mandaroka, mikapoka, mively; avely, atonta: Ity kanonta ity adaroka an'io alika io mha mitady hanaikitra anao. Ahitsio
Adaraboka
[admin]
: (daraboka), mt. at. (adarabohy): Azera mafy amin'ny tany: Nadaraboky ny namany teo amin'ny tany izy. Ahitsio
Adaoro
[admin]
: a.: Anaran'ny volana faharoa amin'ny filaharan'ny volana malagasy marina, manarakaraka ny Alahamady ary alohan'ny Adizaoza, ka ny toerana nomen'ny Ntaolo azy tao an-trano dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany avaratra, ka eo no fametrahana ny fandriana. Ny tononandro Adaoro dia atao hoe andro mena na andron'afo ka natahorana amin'ny afo ary halam-baratra ny trano aorina amin'ny A-daoro, ? Fanandr.: Ny zaza teraka vava adaoro dia atahorana afo ka alana vintana; ny teraka vody adaoro, tsara fa hidaoro (hidoboka) tsara: mahay mitondra ny tenany, mahay miteny; raha lehilahy dia mpikabary; raha vehivavy, mahay mitondra tena. Ahitsio
Adanina
[admin]
: (adana), mt. ih. (adano): Ampandehanina moramora: Adano ny fandehan' ny fiarakodia fa mandomando izany arabe izany. Ahitsio
Adangana
[admin]
: (dangana), mt. at. —(adangano): Asondrotra avo be: Nadangan'ny mpivarotra ny uidin-jauatra ka mahantra ny madinika. Ahitsio
Adangadanga
[admin]
: (dangadanga), mt. at. (adangadangao): Aderadera, aseho ambony ho hi-ta tsara; arangaranga. Ahitsio
Adânadâna
[admin]
: (danadana), mt. at. (adanadanao): Atao midanadana, mivoha mibanabana: Adanadanao ny uarauarana. Ahitsio