Teny nampidirina farany

Adalaboboka
[admin]
: (dalaboboka), mt. at. (adalabobohy): Atao midalaboboka, azera na apetraka miantatafoka. Ahitsio
Adala
[admin]
: a.: Enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala. M.h.: adala vatana, adala vendrais, adala raikitra, adala lefaka, adala lefy, very saina, foka, adala manondrana, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky. ? h.o.: tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin'ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory. Tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka. Sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) na raha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity. Raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny. Matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan'adin'akoholahy ny zanako lahy aivo. Teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin'ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian'ny adala holazaina tamin'ireo teny ireo. i t,i.f•: adalaina, voadala/ manadala, fanadala, mpanadala/anadalana, fanadalana / miadaladala / iadaladalana, fiadaladalana / mihadala I mahadala I adaladala. ~ f.-p.: Manao adala matanjaka: enti-milaza olona manao an-kery, am-borivory. // Adala manara-bolana: rahefa tsinana ny volana no mihetsika ny hadalany. Ohab.: Ady amin'adala: ny manam-panahy no mandefitra: tsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin'ny kely saina ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana. // Adala nomen-tanan'ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety: enti-milaza ireo miraikitra amin'ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. // Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body: enti-milaza ireo manambady vehivavy fatra-pirobaroba ka na mitahiry sy manangona ohatrinona aza, lany tsisy mijanona ny vidin-kasasarana. Ahitsio
Adaka
[admin]
: (daka), mt. fit. (adakao) Asaina mandaka, ampiasaina handaka: Raha marary ny tongotrao havanana, ny ha-via adaka. Ahitsio
Adabovavy
[admin]
: a: Karazan'adabo lehibe voa ary manopy vonivony; tsy dia tsara tsiro loatra hany ka ataon'ny olona fanome ny omby afahy. der. Adabobe) (Ficus cocculifolia subsp. sakalavarum), Ahitsio
Adabolahy
[admin]
: a.: Karazan'adabo kelikely voa fa mani-pofona, nefa mankaleo raha ihinanana be loatra, sady mampivalan-dra (Ficus cocculifolia subsp, sakalauarum). Ahitsio
Adaboka
[admin]
: (daboka), mt. at. (adabohy): Azera, apotraka amin'ny tany: Nadaboky ny riuo-doza ilay hazo teo andrefan-tranonay. Ahitsio
Adaboboka
[admin]
: (daboboka), mt. vt. (adabobohy): Azera ka miantonta mafy, avarina: Nadabobok' Andriamanitra tany amin'ny halo ireo anjely mpikomy. Ahitsio
Adabobe na Adabovavy
[admin]
: a,: Karazan'adabo lehibe voa ary manopy vonivony; tsy dia tsara tsiro loatra hany ka atao fanome ny omby afahy (Ficus cocculifolia subsp. sakalavarum). Ahitsio
Adabo
[admin]
:Karazan-kazo lehibe izay fihinana ny voany ary fanao lakana ny vatany; ny raviny kosa nilalaovan'ny ankizy fahizay nataony elo ka avy amin'izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: Mielo ravin'adabo, ka na tsy voky ny voany aza mieloelo ny raviny. (Ficus cocculifolia) Ahitsio
Abovolo
[admin]
: (Ski), a.: Vay eo ampelandohalika. Ahitsio
Abotetaka
[admin]
: (botetaka), mt. at. (abotetaho): Apetraka amin'ny tany. ? h.o.: aetry, apetraka amin'ny toerana i-va: Betsaka ny olona ambinina na mety hahauita zavatra, saingy abotetaky ny sainy. Ahitsio
Abosina
[admin]
: (abosy) mt. ih. (abosio): Vokisana hanao zava-20 tra; angolena; risihina: Saingy miaraka amin'ialahy miantsena ny zanak'andriana, ka abosin'ialahy haka ny zauatr'olona (T.A. II, tak.878). Ahitsio
Abosy
[admin]
: a: Fandrisihana na fandroboana olona hanao zavatra tian'ny tena hataony. (j er.: Abony) Ahitsio
Abosibosika
[admin]
: (bosibosika), mt. at. (abosiboseho): Hanina haingana, arapadrapaka: A-bosiboseho ity uary, ry Koto, fa sao diso fidirana eo. Ahitsio
Abosesika
[admin]
: (bosesika), mt. at. (aboseseho): Enti-milaza zavatra na olona ampidirina amin'ny toerana iray ka somary atao letrezana. Ahitsio
Aborotsaka
[admin]
: (borotsaka), mt. at. (aborotsaho): Avala hitambotsotra: Nasain'ny dokotera naborotsaka ny pataloan'i Lita kely. Ahitsio
Aborosy
[admin]
: (borosy), mt. fit. (aborosio): Ampiasaina hiborosiana, handalorana: Tanirauo no naborosiny ny rindrina Ahitsio
Abororoaka
[admin]
: (bororoaka), mt, at. (abororoahy): Araraka higorodana be. Ahitsio
Aboroaka
[admin]
: (boroaka), mt. at. (aboroahy): Atao loaka mivoaka any ambadika: Naboroakany tany amin'ny sofiny hauanana ny lefona natsatony tao amin'ny sofiny hauia Ahitsio
Aboridana
[admin]
: (boridana), mt. at. (aboridano): Avala handositra miaraka be. ? Atao tsy mitafy, ampitanjahina. Ahitsio