Teny nampidirina farany

Aborosy
[admin]
: (borosy), mt. fit. (aborosio): Ampiasaina hiborosiana, handalorana: Tanirauo no naborosiny ny rindrina Ahitsio
Abororoaka
[admin]
: (bororoaka), mt, at. (abororoahy): Araraka higorodana be. Ahitsio
Aboroaka
[admin]
: (boroaka), mt. at. (aboroahy): Atao loaka mivoaka any ambadika: Naboroakany tany amin'ny sofiny hauanana ny lefona natsatony tao amin'ny sofiny hauia Ahitsio
Aboridana
[admin]
: (boridana), mt. at. (aboridano): Avala handositra miaraka be. ? Atao tsy mitafy, ampitanjahina. Ahitsio
Aboretaka
[admin]
: (boretaka), mt. at. (aboretaho): Avala hipetraka amin'ny tany toy ny tsy maharay tena: Naboretany tamin'ny tany ilay marary fa tsy zakany intsony, hono! Ahitsio
Aboredika
[admin]
: (boredika), mt. at. (aboredeho): Atao miboredika, misesy be tsy milamina: Aboredeho ange ny fiteninao raha tsy mandositra ireo ankizy ireo e! Ahitsio
Aboraraka
[admin]
: (boraraka), mt. at. (aboraraho): Araraka be: Naborarany teo daholo ny ranomainty. Ahitsio
Aboraka
[admin]
: (boraka), mt. at. (aborahy): Aseho, lazaina hatramin'ny antsipiriany: Naborany tamiko ny tao ampony. Ahitsio
Aborabora
[admin]
: (borabora), mt. at. (aboraborao): Atao miborabora na migoragora, malemy fatotra: Vahao ity kofehy ity fa naboraboranao ka malemy. Ahitsio
Abontsina
[admin]
: (bontsina), mt. at. (abontsino): Atao mibontsina na mibonaky ny rivotra ao anatiny ka mihalehibe: A-bontsino hoe ny uauanao. Ahitsio
Abonoka
[admin]
: (bonoka), mt. fit. (abonohy): Entina mambonoka na mandrakotra ny tena: Io bodofotsy io abonoka azy raha mangatsiaka izy. Ahitsio
Abonina
[admin]
: (abony), mt. ih. (abonio): Vokisana hanao zavatra; angolena risihina. Ahitsio
Abony na Abosy na Ambosy
[admin]
: a.: Fandrisihana na fandroboana olona hanao zavatra tian'ny tena hataony. ¶ M.h.: Risika, robo, tambitamby, safosafo, safovody, safosiaka, pasopasoka, roboka, doka, tsetsaka, tao-na, teny malefaka, ronono an-tavy, kobaka am-bava, lango malemy, volana hatenda, volana mahadradraka, fandria-malemy lafika, lokanga hisatra. 1 Famokisana hanao zavatra na tsara na ratsy, fa indrindra ny zavatra ratsy. ¶ M.h•: Bontsina, fo orne-na, toho-tsofina. / Fitaka atao olona an-kafetsena. ¶ M.h.: Fangopangoka, angoly, saroro, sarory, sodika, solia, sombia, sombe, vohony, vato mafana atolotra, fahan-dalitra, antohim-bato. : t.i.f.: abonna, voabony / manabony, fanabony, mpanabony / anaboniana, fanaboniana / mahabony (( Abosina, voabosy ( manabosy na mambosy, fanabosy na fambosy, mpanabosy na mpambosy ( anabosiana na ambosiana, fanabosiana na fambosiana ( mahabosy na mahambosy. Ahitsio
Abonaka
[admin]
: (bonaka), mt. at. (abonaho): Avala hibonaka, na hibontsina noho ny rivotra ao anatiny ka mihalehibe, hibotanaka. Ahitsio
Abolisatra
[admin]
: (bolisatra), mt. at. (abolisaro): Atao mibolisatra na alefa handeha amin'ny tany malama: Aza abolisatra any ny sauony, ry Koto a! Ahitsio
Abolila
[admin]
: (bolila), mt. at. (aboli-lao): Avala na asaina mibolila, milefa miporitsaka. Ahitsio
Abolidy
[admin]
: (bolidy), mt. at. (abolidio): Avala hibolidy, hihodivitra handeha na hiery. /A-vily, ahataka, ampandosirina. Ahitsio
Abolasitra
[admin]
: (bolasitra), mt. at. (abolasiro): Avala hibolasitra, hibolisatra. Ahitsio
Aboiboika
[admin]
: (boiboika), mt. at. (aboiboiho): Avoaka miboiboika, mifantsitsitra. Ahitsio
Abohitra
[admin]
: (bohitra), mt. at. (abohiro): Entina manabontsina. Ahitsio