Aby [admin] | : | p, mt.: Teny fahita indrindra amin'ny fitenimparitra, mitovy hevitra amin'ny hoe daholo, avokoa: Tonga aby ny mpianatra tao am-pianaranay androany f.-p.: Isika aby: teny fampiasa ho valin'ny firariana hoe: "Velona", raha misy mievina. Ahitsio |
Abetroka [admin] | : | (betroka), mt. at. (abetrohy): Atao mibetroka; avontirika feno fandrahonana: Aza abetroka tahaka izao ny masonao fa mampatahotra. Ahitsio |
Abehambehana [admin] | : | (behambehana), mt. at. (ambehambehano): Atao mibehambehana, avelatra (tanna) na asabàka (tongotra) mba haka toerana be toa mitory fanambonimbonian-tena. Ahitsio |
Abata [admin] | : | (bata), mt. fit. (abatao): Entina mibata: Tanana roa abata io entana io fa tsy zakanao tanna anila io. Ahitsio |
Abaribary [admin] | : | (baribary), mt. at. (abaribario): Sokafana tsara. 1 Aseho miharihary tsy misy miafina: Nabaribarin'ny mpitsara ny heloka vitan-dRakoto. Ahitsio |
Abarera [admin] | : | (barera), mt. at. (abarerao): Avala hibarera, hitaritarika; arefarefa: Mafana ny andro ka abareran'ny akoho ny elany. Ahitsio |
Abarareoka [admin] | : | (barareoka), mt. at. (abarareohy): Avala hibarareoka, asaina mibarareoka. Ahitsio |
Abaraingo [admin] | : | (baraingo), mt. at. (abaraingoy): Atao mibaraingo, vokoka; aolana. Ahitsio |
Abaradaka [admin] | : | (baradaka), mt. at. (abaradaho): Asaina na avala hibaradaka; tapatapahina eo am-pitenenana. Ahitsio |
Abara [admin] | : | (bora), mt, fit. (abarao) Ampiasaina hatao tsivalana: Nisy uatan-kazo lehibe nabarany ny uauahady. Ahitsio |
Abanjina [admin] | : | (banjina), mt, at. (aban)ino): Afantoka amin'ny: Nabanjiny ny sarin-dreniny ny masony dia natory izy. Ahitsio |
Abandrina [admin] | : | (bandrina), mt, fit. (abandrino): Entina mibandrina, mijery amin'ny maso tezitra toa mandrahona. Ahitsio |
Abanàka [admin] | : | (banaka), mt. at. (abanaho): Atao mivoha tsara: Abanaho ny uauahady hidiran'ny fiara. Ahitsio |
Abanabana [admin] | : | (banabana), ntit, at. (abanabanao): Atao mibanabana, mivoha na misokatra tanteraka: Abanabanao ny uaravarambe sy varauarankely fa manempotra izany fofon'arina izany. Ahitsio |
Abaliaka [admin] | : | (baliaka), mt. at. (abaliaho): Atao mibaliaka, misokatra be, mibalela-bozona (akanjo). Ahitsio |
Abalabala [admin] | : | (balabala), mt. fit. (abalabalao): Ampiasaina ha-tao bala. Ahitsio |
Abaka [admin] | : | (baka), mt. at, (abakao) Atao mibaka, mihataka toy ny rantsan'ny tarehintsoratra V: Abakao ity hazo ity hanaovako filesy. Ahitsio |
Abaiko [admin] | : | (baiko), mt, fit. (abaikoy): Entina manome baiko: Py maso fotsiny no abaikony ny alikany. Ahitsio |
Abahana [admin] | : | (bahana), mt. at. (abahano): Atao mibahana, atsivetraka mba haka toerana be, asakana: Aza abahana eo ny tongotrao fa andehanan' ny olona eo. Ahitsio |
Abafoka [admin] | : | (bafoka), mt. at. (abafohy): Avala hitsilailay eo am-pandriana: Aiza no tsy ho kamo i Solo kely? zauatra abafok'i reniny hatramin'ny valo maraina ny adala lahy. Ahitsio |