Tsikaritra [admin] | : | mt. ih.: Sandra hita, hita miserana, mitsipalotra. - t.i.f.: Voatsikaritra 1 mahatsikaritra. Ahitsio |
Tsikaretika [admin] | : | a.: Jer. Tsipetrika. Ahitsio |
Tsikarakara [admin] | : | a,: Toetran'ny zavatra manify na misy rafikazo na rafi-by mahalankalana ka mety ho hita ny ao anatiny. 1 t. f.: Mitsikarakara, fitsikarakara. Ahitsio |
Tsikara [admin] | : | a.: Valala maitsomaitso. Ahitsio |
Tsikaonkaona [admin] | : | Jar. Kaonkaona. Ahitsio |
Tsikanina [admin] | : | na Kanina a.: Fitonoana, fanatsatsihana eo ambony na akaikin'ny afo amin'ny salazam-by na amin' ny vy makarakara fitonoankena; fitaninana afo. - t.i.f.: Atsikanina, voatsikanina, tafatsikanina I manatsikanina, fanatsikanina, mpanatsikanina I anatsikaninana, fanatsikaninana 1 mitsikanina, fitsikanina, mpitsikanina 1 itsikaninana, fitsikaninana / mahatsikanina 1 tsikaninkanina. Ahitsio |
Tsikanikany [admin] | : | ft. niavian'ny teny hoe: Mitsikanikany, fitsikanikany, mpitsikanikany. Ahitsio |
Tsikamokamo [admin] | : | p.t.: Malaindaina, tsy rotodrototra. - t.i.f.: Mitsikamokamo, fitsikamokamo. Ahitsio |
Tsikalana [admin] | : | na Tsikalaina (tsikalana) mt. ih. (tsikalano, tsikalao): Asiana tsikalana: Tsikalao io uata hazo io fa man-do ity efitra misy azy ity. Ahitsio |
Tsikalaka [admin] | : | Mitovy amin'ny Halaka. Ahitsio |
Tsikala [admin] | : | na Tsikalana a.: Zavatra atao ambanin'ny zavatra iray hafa mba hatao efitra tsy hikasihany tany; kàka: Asio tsikalana ao ambanin' ny oata. 1 Izay atao efitra entina handray zavatra mahamay na hametrahana azy; zavatra aneferana zavatra ha-fa izay heverina ho sarobidy: Aleo uery tsikalakalam-bola toy izay uery tsikalakalampihavanana (ohab.): aleo very vola toy izay tapaka fihavanana; nentin'ny Ntaolo hilazana fa ny fihavanana dia zavatra sarobidy mihoatra noho ny vola. - t.i.f. : Tsikalana, na tsikalaina, tsikalanana, atsikala, atsikalana, voatsikala, tafatsikala, tafatsikalana / manatsikala, manatsikalana, fanatsikala, fanatsikalana, mpanatsikala, mpanatsikalana / anatsikalànana, fanatsikalànana / mitsikalana, fitsikalana 1 itsikalanana, fitsikalanana / mahatsikalana / tsikalankalana f tsikalakala. Ahitsio |
Tsikakakaka [admin] | : | a.: Hehy mafy sady lavareny. F• Feon'akohovavy raha misy zava-manaitra na mampitahotra azy. - t.i.f.: Mitsikakakaka. Ahitsio |
Tsikaiky [admin] | : | ft. niavian'ny teny hoe: Mahatsikaiky. Ahitsio |
Tsikebonina [admin] | : | (tsikebona) mt. ih, (tsikebony): Hetsiketsehina (ny fotaka na ny loto ao anaty rano). Ahitsio |
Tsikafara [admin] | : | a.: Karazana voady amoriam-bahoaka sy anaovana lanonana lehibe, fanao in- ~ drindra any amin'ny Betsimisaraka. na 1 anatsikebonana, fanatsikebonana 1 mitsikebona, fitsikebona, mpitsikebona 1 itsikebonana, fitsikebonana / mahatsikebona 1 tsikebonkebona. Ahitsio |
Tsikadraha [admin] | : | a: Zavamaneno kasohina izay toy izao: volotsangana miss, tonony anankiray no alaina, ka hatreo amin'ny tonony mankany an-kavanana no asiana tetika manodidina ny vatany sahabo ho 6 mWmetatra no elanelany; atao didy sompirana iny misy tetika iny mba hanatsara ny feony; tazonin' ny tanana havia izy, fa ny havanana kosa mitana ny fikasoka izay vita amin'ny si-faim volotsangana ihany. Hi-ta saika eran-tany ity karazan-iavamaneno ity; "caracha" no anarany any Brezilina. Ahitsio |
Tsikabokaty [admin] | : | p. t,: Malemilemy, osa, mihoz?ngozana. Ahitsio |
Tsikabaka [admin] | : | ft. niavian'ny teny hoe: Mitaikabaka, fitsikabaka. Ahitsio |
Tsika [admin] | : | a: Fivoahan'ny rano tsikelikely — zara raha hita — manamika na manorika avy ao anaty tany. 1 t.if.: Tsihina, atsika, voatsika / manatsika, fanatsika, mpanatsika 1 anatsihana, fanatsihana / mitsika, fitslka / itsihana, fitsihana 1 mahatsika I tsitsika. - F.-p.: Tsi-dra: fivoahan-dra taikelikely. 1 Tsi-drano: fivoahan-drano tsikelikely. Ahitsio |
Tsika [admin] | : | a: Hazo maromaro atsatoka (1,50 m ny haavony ary 0,08 m ny elanelany avy) izay amatorana tsorakazo na volotsangana na volobao mitsivalana (4,50 m ny halavany), ka ny fitambaran'ireo dia atao fef y. Ahitsio |