Teny nampidirina farany

Tsika
[admin]
: a: Hazo maromaro atsatoka (1,50 m ny haavony ary 0,08 m ny elanelany avy) izay amatorana tsorakazo na volotsangana na volobao mitsivalana (4,50 m ny halavany), ka ny fitambaran'ireo dia atao fef y. Ahitsio
Tsiiziizy
[admin]
: p.t.: Samy hafa toetra kely. Ahitsio
Tsiho
[admin]
: a: Anarana karazan-kazo iray (Salix madagascarir. sis). Ahitsio
Tsihitafototra
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry misy tahony madinika ohatra ny horona ka mandadina eny ambony ahitra eny; tsy manam-paka miorina amin'ny tany izy io fa mitevitevika eny amin'ny sampan'ny ahitra rehetra eny ka toa miankina amin'ny ain' ny ahitra ny fivelomany. Ahitsio
Tsihina
[admin]
: (tsika) mt. ih. (tsiho): Tantavanina: Tsiho tsara ny rano fa toa maloto izy izany. ~ Lanina, alaina tsikelikely: Notsihiny tao lahy ny haren'ny olona ka lany ter'! Ahitsio
Tsihika
[admin]
: a.: Fakana (zavatra) tsikelikely ka fongana no fiafarany, ~ Fakana hazandrano amin'ny tandroho. - t.i.f.: Tsihifina, ataihika, voatsihika 1 manihika, fanihika, mpanihika 1 anihifana, fanihifana / mahatsihika / tsihitsihika. Ahitsio
Tsihifina
[admin]
: (tsihika) mt. ih. (taihifo): Alaina tsikelikely ambara-pahafongany, ambarapaharitrany: Notsihifiny tao ny volan-dray aman-dreniny ka lany fongana tamin'ny farany. / Ny rano ao an-tsinibe aza raha tsihifina dia ritra rehefa ela ny ela. ? (hazandrano) Alaina amin'ny tandroho: Taiza no notsihifinao ireo tilapia vaventy ireo? Ahitsio
Tsihy
[admin]
: a.: Tahon-javamanirY madinika — toy ny zozoro na ny herana na harefo — voarary ka atao lafika hipetrahana na hatoriana na hisakafoana (atao hoe: fandambanana izy amin'ity farany itY)• Karazan-tsihy: Tsihy hisatra: tsihy atao amin'ny hodi-jozoro mamirapiratra ka vita rary madinika ary tokandambana (jar. etsy ambony); mazàna ampiasaina hatao fatoriana ny tsihy hisatra; tsihy rindra: tsihy atao amin' ny hodi-jozoro tsotra; tsihy tokan-dambana: tsihy lambana iray ihany vite amin'ny zozoro na amin'ny herana; tsihy vitrana: tsihy roa lambana nozairina na koa tsihy nasiana vitrana, izany hoe nakambana mba ho be velarana kokoa. Ahitsio
Tsihatsia
[admin]
: Mitovy amin'ny Tsiatsia. Ahitsio
Tsihanihany
[admin]
: a: Vazivazy ilalaovana, vosobosotra izay indraindray entina hanarabiana. - t.i.f.: Mitsihanihany. Ahitsio
Tsifolofolo
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza filaharana na fanokoana folo folo avy:Natokony tsifolofolo ireo voanjo kely namidin y. Ahitsio
Tsifitofito
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza filaharana fito fito: Nalalaka ny arabe ka afaka nilahatra tsifitofito ny mpianatra. Ahitsio
Tsifidianana
[admin]
: a: Karazam-basy iray nisy teto amintslka fahizay. Ahitsio
Tsifatifaty
[admin]
: a: Lalao fanaon' ny ankizy manao "matimaty" ka valala no ataony faty alevina. Ahitsio
Tsifaritsoka
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Tsifaka
[admin]
: p.t.: Vaky misalasaka na vaky misasaka. 6 t.i.f.: Mitsifaka, fitsffaka. Ahitsio
Tsifahipahitra
[admin]
: a: Jer, Fahitra. Ahitsio
Tsifa
[admin]
: a.: Ny mivohitra amin' ny tenona (na tenany na fahany) ka manaratsy ny endriny. Ahitsio
Tsieninenina
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza filaharana enina enina. Ahitsio
Tsienimposa
[admin]
: a: Karazan-kazo misy tsilotsilony hatrany ampotony ka hatrany an-tendrony (hany ka tsy anihin'ny fosa), fanaovan'ny olona ody (Casso nia). Ahitsio