Teny nampidirina farany

Tsiefatrefatra
[admin]
: p. mt.: Milahatra manao antokony efatrefatra avy: Milahara tsiefatrefatra ianareo, fa malalaka ny arabe. Ahitsio
Tsidradraina
[admin]
: na Tsidradrahina (tsidradra) mt, ih. (tsidradrao, tsidradràho): Aingaina ho avo. Ahitsio
Tsidradra
[admin]
: na Tsidradraka a.: Teny ilazana toetra maro, toy ny an'ny biby mitsangam-bolo, ny zavatra mikorontana na mivaona amin'ny hala, ny olona lavo na man-dry ka ny tongotra sy ny ta-nana mitsangana misandrahaka. i t. if.: Tsidradraina, tsidradrahina, atsidradra, atsidradraka, voatsidradraka, tafatsidradraka / manatsidradraka, fanatsidradraka, mpanatsidradraka / anatsidradrana, fanatsidradrana, anatsidradrahana, fanatsidradrahana / mitsidradra, fitsidradra, mp'r tsidradra / itsidradrana, fitsidradrana; itsidradrahana, fitsidradrahana / mahatsidradraka / tsidradradradra. Ahitsio
Tsidiny
[admin]
: (Btm) a.: Anaram-bahy karazany iray. Ahitsio
Tsidimy
[admin]
: (Btm) a.:Anaran-javamaniry mandady amin'ny hazo. Ahitsio
Tsidilahy
[admin]
: (Btm) a.: Anaram-bibikely sahala amin'ny voalavo. Ahitsio
Tsidika
[admin]
: a.: Fisehoan'ny loha eo am-baravarana nefa tsy miditra ny tena; famangiana miserana; ilazana koa ny fandalovana amin'ny tanàna iray dia lasa fa tsy mijanona ela. - t.i.f.: Tsidihina, atsidika, voatsidika, tafatsidika/ mitsidika, fitsidika, mpitsidika / itsidihana, fitsidihana / mahatsidika, tsiditsidika. a F,-p,: Tsidi-pahitra: 1) famangiana miserana fotsiny mba hahazoana milaza hoe efa nitsidika; -2) tsirambina amin'ny zavatra atao (avy amin'ny tsy fahavarana mijery ny fahitra misy ny omby isan'andro fa indraindray ihany). / Manao tsidi-pahitra: mamangy miserana kely toa alasafay fotsiny; manao tsirambina ny asa na raharaha atao. Ahitsio
Tsidika
[admin]
: a: Karazan-gidro madinika (Cheirogaleus milii). Ahitsio
Tsidihina
[admin]
: (tsidika) mt. ih. (tsidiho): Vangiana fa sendra nandalo teo akaiky ny tena; vangiana: Tsidiho i Nenitoanao fa manavy. Ahitsio
Tsidanoka
[admin]
: a: Mitovy amin'ny hoe Danoka. Ahitsio
Tsidakadaka
[admin]
: a.: Mitovy amin' ny Dakadaka. Ahitsio
Tsidafodafoka
[admin]
: a.: Tsikasinkasina. i Li. f.: Mitsidafodafoka, fitsidafodafoka, mpitsidafodafoka. Ahitsio
Tsibolobolo
[admin]
: a.: Volo malemy mitsangantsangana. i t.i.f.: Mitsibolobolo. Ahitsio
Tsibolo
[admin]
: a.: Hazo madinika tsy misy ravina (Hernonia scorpia). Ahitsio
Tsibokaboka
[admin]
: a: Lalao fanenjika fanaon'ny anklzy: misy iray atao hoe'Boka" manenjika ny namany ka izay voakasiny dia amindrany ny habokany ka manenjika ny ha-fa indray, fa izy kosa afaka. ? p.t.i Heverina ho boka fa tsy tena boka. Ahitsio
Tsibody
[admin]
: a: Anarana ilazana ireo valala atsipy velona ao anaty afo ka hita fa tsara tono izy rehefa mipoaka ny kibony. Ahitsio
Tsiboboka
[admin]
: a.: Sahona na saobakaka kely tsy mbola niofo, mora fantarina amin'ny lohabeny mbola mikambana bambaray amin'ny vatany; miaina any anaty rano ny tsiboboka. Ahitsio
Tsibahia
[admin]
: a: Anaran-damba nentin'ny Antalaotra teto fahiny. Ahitsio
Tsibabibaby
[admin]
: a.: Kilalaon'ny ankizy — indrindra ny ankizivavy — mifampibabibaby, na mibaby sariolona. Ahitsio
Tsiavenina
[admin]
: a: Zavamaniry fanao fanafody fivontosana. Ahitsio