Teny nampidirina farany

Tsiavaramonina
[admin]
: a.: Anarambosotra nilazana ny kofafa. (Tao an-joron-trano atsimo andrefana, aka.' m'ny varavarana, no faihetxahan'ny Ntaolo ny fanoto sy ny kofafa fa tsy mba azo natao teny avara-patana izy ireo). Ahitsio
Tsiavaramonina
[admin]
: a: Anaran-kazo madinika fanao fanafody tety (Rhaphispermum Gerard io ides). Ahitsio
Tsiatsia
[admin]
: a.: Fakana rivotra na fialana voly eny amin'ny hatsiatsiaka. - t.i.f.: Mitsiatsia, fitsiatsia. Ahitsio
Tsiarondahy
[admin]
: na Tsierondahy a.: Lehilahy menakelin'ny mpanjaka fahizaY. Ahitsio
Tsiarondahy
[admin]
: a: Ny lehilahy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka, izay zary foko iraY mihitsy. Ahitsio
Tsiarombavy
[admin]
: a.: Ny vehivavy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka fahiny izay niforona ho toy ny foko iray mihitsy. Ahitsio
Tsiaro
[admin]
: a.: Fiverenan'ny zavatra efa lasa ao an-tsaina indray. - t.i.f.: Tsaxovina na tsarovana na tsaroana, voatsiaro / mahatsiaro, fahatsiaro, mpahatsiaro / ahatsiarovana, fahatsiarovana. Ahitsio
Tsiaridrafy
[admin]
: a.: Anarana hafa ilazana ny'voanemba. Ahitsio
Tsiantsotry
[admin]
: a: Karazam-basy izay kely ny atiny. Ahitsio
Tsiantsaha
[admin]
: a.: Akanjo na salotra be vidy tsy takatry ny tantsaha. Ahitsio
Tsiankoditra
[admin]
: a.: Ody fiarovana amin'ny bala sy ny lefona alefan'ny fahavalo na ny mosavy ataony. Ahitsio
Tsiandravina
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry tsisy ravina, atao koa hoe: Tsibolo na tsobo-10 (Hernonia scopia). Ahitsio
Tsianaranana
[admin]
: a.: Anaran-kazo iray izay tsy azo ihinanana betsaka ny voany; tsy azo anaranam-po fa mankarary ny vava. Ahitsio
Tsianaby
[admin]
: p.t.: Isika rehetra. (Rehefa misy mievina dia hoy ny olona manatrika hoe: "Velona", ary hoy kosa ilay mievinahoe: "Tsianaby"). Ahitsio
Tsiamponga
[admin]
: a.: Karazan-damba nampidirin'ny Arabo teto fahizaY. Ahitsio
Tsiambolo
[admin]
: a: Angely kely mbola tsy ary elatra. 1 h.o,: Ilazana olona tsy misy volo, na mariry; sola vantony. Ahitsio
Tsiambohibatana
[admin]
: a: Karazana voahangy mangamanga. Ahitsio
Tsiambaratelo
[admin]
: a: Zavatra afenfna tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin'ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko. 1 h. i.: Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary. ΒΆ M.h.: Zavatra tsy ambarambara, ankaro-miafina, am-po tsy miloaka, otrikafon'ny fo, am-po tsy ambara, tokantrano tsy ahahaka, tsy atao eo imason'olona, tsy fampitranga vahoaka, an' ny tena samy irery, tahirindresaka, teny mby am-bato. Ahitsio
Tsiambaimbay
[admin]
: p.t.: Tsy feno, tsy ampy. Ahitsio
Tsialahy
[admin]
: s.o.: Ry zalahy, lehiretsy: Nahoana, tsialahy, no tsy nolazainareo izany e! Ahitsio