Teny nampidirina farany

Tseroka
[admin]
: a.: Loto mipetaka amin'ny tena na ny fitafiana; tsikoko: Koseho tsara ny sandrinao fa mbo!a be tseroka. Ahitsio
Tseroka
[admin]
: a.: Menaka na ilo avy amin-'ny -tanantanamanga ka atao fampivalanana na famalanana: Tokony hisotro tseroka ianao fa angamba maloto ny kibonao. Ahitsio
Tserohina
[admin]
: (tseroka) p.t.: Feno tseroka. Ahitsio
Tsepotsepony
[admin]
: p. t.: Fohy vaventy, vaventy dongadonga fa botry (fiteny amin'ny ankizy indrindra sy ny biby). Ahitsio
Tsepoka
[admin]
: p. t.: Feno hipoka, mitafotafo, avo loba: Tsepoky ny vary ny sobika / Tsepoky ny mpiangona ny trano fiangonana rehefa fety lehibe. / Feno, tototra: Tsepoky ny vola sa tsepoky ny voninahitra no tianao? - t.i.f.: Tsepohina 1 mahatsepoka. Ahitsio
Tsepohina
[admin]
: (tsepoka) mt, ih. (tsepohy): Fenoina, Ahitsio
Tsepo
[admin]
: p.t.: Botrefona, donga, vaventy mahafinaritra. Ahitsio
Tsepika
[admin]
: p. t.: Feno, hipoka. Ahitsio
Tsentsitra
[admin]
: a.: Fitrohana ranonjavatra amin'ny vava; fitrohana ny ao anaty zavatra. - t.i.f.: Tsentsefina, atsentsitra, voatsentsitra, tafatsentsitra / mitsentsitra, fitsentsitra, mpitsentsitra 1 itsentsefana, fitsentsefana 1 mahatsentsitra 1 tsentsitsentsitra. Ahitsio
Tsentsina
[admin]
: a: Zavatra entina hanampenana loaka na vava lavaka na vava tavoahangy, tampina: Afaka ny tsentsintavoahangy. 1 p.t.: Misy zavatra manampina: Tsentsina ny fantsona ka tsy mandeha ny rano. 1 Misy zavatra misakana: Tsentsina ny lalana. • Feno dia feno: Tsentsina ny tranonay. 1 Tototra: Tsentsin'ny raharaha aho ka tsy afaka handray o?ona. - t.i.f•: Tsentsenana, atsentsina, voatsentsina, tsinentsina, tafatsentsina 1 manentsina, fanentsina, mpanentsina / anentsenana, fanentsenana 1 mitsentsina, fitsentsina, mpitsentsina 1 itsentsenana, fitsentsenana 1 mahatsentsina f tsentsintsentsina. - F.-p.: Tsentsim-pano: entimilaza fialan-tsiny hiarovana ny tena amin'ny fiampangana ny hafa. / Tsentsin-davaka: olona omena izay raharaha na toerana rehetra banga fa tsy natao ho an'ireo toerana ireo akory, / Tsentsindoloha: fanomezana vola na vary hanampiana ny tompomanjo amin'ny lany eo ampandevenana. / Tsentsin-drano: izay atao hanampenana ny toha-drano. / Tsentsintenany: ilazana ny tsentsfntavoahangy izay tsy mba misy bosoa fa tamaboha ohatra an'ilay tavoahangy ihany, / Tsentsin-tsy omby: saron-javatra na tsentsina lehibe no-ho ilay tsentsenana ka tsy omby. Ahitsio
Tsentsenana
[admin]
: (tsentsina) mt. ih. (tsentseno): Asiana tsentsina: Tsentseno tsara ny lavaka. Ahitsio
Tsentsefina
[admin]
: (tsentsitra) mt. ih. (tsentsefo): Trohina: Tsentsefin'ny renitantely ny voninkazo. Ahitsio
Tsendrina
[admin]
: a.: Karazam-bibikely mihinana sy mandoaka ny voankazo, indrindra ny voam-boatavo; misy milaza fa ny tsendrina no mahatonga ny voankazo hisy olitra. Ahitsio
Tsenamiondriky
[admin]
: (Tsm) a,: Fivarotan-kani-masaka. Ahitsio
Tsenaina
[admin]
: (tsena) mt. ih. (tsenao): (vahiny na havana na olo-manan-kaja), raisina eo am-pahatongavana: Notsenain-drainy teny amin'ny seranam-piaramanidina ny zanany. 1 Setraina: Nisosososo nde-hibeda an'ilay rafiny Rajery, fa notsenain-dRandrenja tamin'ny lohany kosa ka tafandry nitsirara ("Kilalaon'afo" R.R.R.). Ahitsio
Tsena
[admin]
: ft.: Fandraisana (vahiny na havana na olo-manankaja) eo am-pahatongavana. i t.i.f.: Atsena, tsenaina, voatsena / mitsena, fitsena, mpitsena 1 itsenana, fitsenana / mifampitsena / mifanena 1 ifanenana, fifanenana / mahatsena. Ahitsio
Tsena
[admin]
: a.: Toerana fivorian'ny olona hividy sy hivarotra, ka hahitana ny zavatra rehetra Raina amin'ny fiainana toy ny hanin-kohanina, lamba, akanjo, fitaovana ilaina amin'ny tokan tran o.,. sns...: Fihaonana no anaran'ny tsena taloha fa Andrianampoinimerina no vao nanome azy io anarana hoe tsena io. - t.i.f.: Miantsena, fiantsena, mpiantsena / iantsenana, fiantsenana ! mitsena, fitsena, mpitsena / itsenana, fitsenana. ? F.-p.: Voan-tsena: zavatra entina avy any an-tsena ho an'ireo zaza tsy mba nandeha tany (jer. voan-dalana). / Tsena kely: trano fivarotana misy ny kanonkanona ilaina. / Tsena lava: ny tsena ivarotana isan'andro, mifanohitra amin'ny tsena isan-kerinandro izay indray andro amin' ny herinandro ihany vao misy. / Tsena malahelo: tsena atao amin'ny toerana hafa noho ny fisaonana ny mpanjaka. / Fara tsena: ny tsena aloha kelin'ny fandroana na ny taom-baovao. * Ohab.: Malahelo monina amoron-tsena: be sitra-po fa tsy ampy fanaovana: entimilaza ny olona mahita sy maniry zavatra tsara isankarazany nefa tsy maharaka ny faniriany ny vola ananany, ka mipetraka ho faniriana fotsiny ny fitiavany ha-nana. Ahitsio
Tsemontsemona
[admin]
: Mitovy amin' ny "Tsamontsamona". Ahitsio
Tsemboka
[admin]
: a: Rano mivoaka amin'ny mason-koditra rehefa miasa mafy na avy nihazakazaka na raha misy zavamahatahotra tampoka na koa rehefa mafana izaitsizy ny andro:Masirasira ny tsemboka. (Tsara homarihina anefa fa ny teny fampiasa matetika amin'io hevitra io dia ny sampanteny avy aminy hoe: "hatsembohana" na "fahatsembohana"). ¶ M. h,: Dinitra. • p.t.: Mivoaka hatsemb?hana: Efa tsemboka ny marary ka angamba hiafana ny tazony. - t.i.f.: Tsembohina, voatsemboka / manatsemboka, fanatsemboka, mpanatsemboka / anatsembohana, fanatsembohana / mitsemboka, fitsemboka / itsembohana, fitsembohana I mahatsemboka / tsembotsemboka/ hatsembohana, fahatsembohana. - F,-p.: Tsembo-dratsy: mivoaka hatsembohana be dia be noho ny hasasarana na ny tahotra. ¶ M.h.: Dinitra, dinitr'ombalahy, jijaka, jijika, hatsembohana. Tsemboka, mivoadinitra, mivoa-jiiaka, mivoajijika, rano iray, vonto, tsembo-dratsy. Ahitsio
Tsembohina
[admin]
: (tsemboka) mt. ih. (tsembohy): (olona) Atao izay hahatsemboka azy: Tsembohina amin'ny vomanga no fitsabo ny zaza uoan' ny kitrotro. ? (zavatra) Atao izay hahatonga azy ho entona. Ahitsio