Teny nampidirina farany

Tantaraina
[admin]
: (tantara) mt. ih (tantarao): Lazaina amin'ny antsipiriany: Tan tarao izay hitanao tany an-tsena. Ahitsio
Tantara
[admin]
: a.: Fahalalana ny zava-niseho tamin'ny andro lasa: Mampianatra antsika zavatra maro ny tantarampirenena. • Filazana fitohitohizan-javatra, andraisan' olona anjara, tena nisy marina na noforomporonin'ny saina fotsiny: Tia mihaino tantara ny ankizy. è tif: Tantaraina, voatantara / mitantara, fitantara, mpitantara / itantarana, fitantarana / mahatantara. Ahitsio
Tantanina
[admin]
: (tantana) mt. ih. (tantano): Zaraina: Notantanina tsara ny hena ka faly daholo ny olona. Ahitsio
Tantangindrano
[admin]
: a.: Zavamaniry any anaty rano (Ottelia ulvoefolia). Ahitsio
Tantanana
[admin]
: (tantana) mt. ih. (tantano): Raisina amin'ny tanana ka entina mamindra miaraka amin'ny tena: Tantano io zaza io fa ratsy ny lalana. Ahitsio
Tantanana
[admin]
: a.: Fiasana — izay metaly ny lohany ary hazo ny tahony — ampiasaina hikapohana vy, na handentehana fantsika na hamakiambato: Mively amin'ny tantanana. Ahitsio
Tantàna
[admin]
: a.: (Endrika verindroan'ny teny hoe: "Tana"): Fandraisana olona amin'ny tanana ka entina mamindra miaraka amin'ny tena. (Marihina fa efa nova toerana ny tsindrim-peon'io teny io amin'ny fiteny mahazatra ka nanjary tàntana). - t.i.f.: Tantanana, atantana, voatantana / mitantana, fitantana, mpitantana / itantanana, fitantanana / mahatantana. Ahitsio
Tantana
[admin]
: a.: Fizarana zavatra amin'olona maro samy kendrena hanana anjara avokoa. * Fizarana vola na sakafo amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihan-drazana na lanonana na asa tsotra: Mahafinaritra fa uita tsara ny tantana. ? Fandrin-javatra, lenta: Tsy mitovy tantana ny tokotany. * t.i.f.: Tantanina, voatantana / mitantana, fitantana, mpitantana / itantanana, fitantanana / mahatantana. ¶ M.h.: Mitouy tantana, mitovy rano, mitovy saranga, mitovy lenta, mitovy lemba, mitovy soroka, marina, marin-drano, marin-tampona, marin-toerana, ankamarenana, lemaka, fandrin-drano, ranoray, bambaray, mitohy nonoka. Ahitsio
Tanosy
[admin]
: a.: Jer. Antanosy. Ahitsio
Tanoraina
[admin]
: (tanora) mt. ih. (tanorao): Atao tonga matsora: Tanorao kely ny lokon'ity lamba ity fa mila ho antitra loatra izy izany. Ahitsio
Tanora
[admin]
: a. na p.t.: Tsy be taona niainana, zatovo, herotrerony: Tanora kokoa ny rainao noho ny raiko, Maty tanora. (loko na volon-javatra) Matsora: Tiako ity lamba manga tanora ity. * t.i.f.: Tanoraina, voatanora / mahatanora, maha-tanora f hatanorana, fahatanorana. - F.-p.: Tanora saina, tanora fanahy: enti-milaza olona tsy matotra, maivan-doha. / Teny tanora: teny tsy voahevitra. Ahitsio
Tanontanonana
[admin]
: (tanontanona) mt. ih. (tanontanony): Enti-milaza ny olona miasa na akekezin'ny sasany mijerijery_ tsisy antony eo: A-za tanontanoninareo eo rainareo fa aoka izy hisakafo milamina tsara, Ahitsio
Tanontanona
[admin]
: a.: Toetran'ny olona mipetrapetraka eo akaikin' olona mihinana, ka toa mitsiriritra izay haniny, na olona tonga fotsiny hijerijery fa tsy hanao inona na inona. * t.i.f.: Tanontanonina, atanontanona, voatanontanona, tafatanontanona / mananontanona, fananontanona, mpananontanona / mitanontanona, fitanontanona,mpitanontanona / itanontanonana, fitanontanonana / mahatanontanona. Ahitsio
Tanondrika
[admin]
: a.: Fiondrehan'ny loha noho ny alahelo. * t.i.f : Tanondrehina, atanondrika, voatanondrika, tafatanondrika f manatanondrika, fanatanondrika, mpanatanondrika / anatanondrehana, fanatanondrehana / mitanondrika, fitanondrika, mpitanondrika/ itanondrehana, fitanondrehana / mahatanondrika. Ahitsio
Tanondrehina
[admin]
: p.t.: Enti-milaza ny olona izay miondri-doha noho ny alahelo, izay tsy avelan'ny alahelo tsy hitanondrika. Ahitsio
Tankosina
[admin]
: na Tankosona p.t.: Maloto, mihosina anaty vovoka na anaty fotaka. * t.i.f.: Tankosenana, atankosina, voatankosina, tafatankosina / mitankosina, fitankosina, mpitankosina / itankosenana, fitankosenana / mahatankosina / tankosinkosina. Ahitsio
Tankosenana
[admin]
: na Tankosinina (tankosina) mt. ih. (tankoseno, tankosino): Lotoina, fotetahana loto. Ahitsio
Tankisina
[admin]
: a.: Tsy fanaovanjavatra haingana fa milalotra mijanona ela eo. * t.i.f.: Mitankisina, fitankisina, mpitankisina / itankisinana, fitankisinana / tankisinkisina. Ahitsio
Tankina
[admin]
: p.t.: Ritra, maina: Mahagaga fa tankina ilay loharano tatsy andrefan-tanàna. ? Lany: Tankina ny uo-Iantsika. ? Gina, tsy ahitanteny intsony: Tankina aho nahare ilay uaouao tsy nampoiziko. * t.i.f.: Manatankina, mahatankina. Ahitsio
Tanky
[admin]
: (fr. tank.) a.: Fiarakodia fenti-miady; vy ny tenany manontolo ary tsy mba kodiarana no andehanany fa vy mihodina manaraka ny lavany tahaka ny olimpanjehy ka io no ahafahany mandeha amin'izay tiana handehanany. Ahitsio