Teny nampidirina farany

Tanibe
[admin]
: a.: Tany midadasika be izay andehanana lavitra tsy hita noanoa vao ahitana ranomasina: Mtsy dimy ny tanibe: i Afrika, i Amerika, i Azia, i Eoropa ary i Oseania. Ahitsio
Tany
[admin]
: a.: Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan'ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly. ? Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon'io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian'ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka. ? Tanety (mifanohitra amin'ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina. ? Faritany: Madagasikara dia anisan'ny tany mafana. ? Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo. ? Ny olona miara-mipetraka amin'ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra. - F.-p.: Tany ama-monina: ny fitambaran'ny olona rehetra miara-miaina amin'ny faritra iray. / Tany fotsy: tany fotsifotsy noho ny sokay be ao aminy. / Tany fasika: tany be fasika. / Tany dilatra na tany ditra: tany vonton-drano, fotaka. / Tany firina: tany talaky rivotra •na mando lava ka tsy mahazo ny herin'ny masoandro. / Tany kotra: tany efa lany tsiro ka avala indray ho tonga tany vao. / Tany lava volo: tany anirian' ahitra lava be, tany tsy voavoly. / Tany lonaka: tany tsara mahavokatra. / Tany mainty: tany maintimainty ny volony noho ny fatimbiby sy zava-maniry lo hatry ny ela ao anatiny. / Tany maintimolaly: tany nambolena ary nahavokatra hatry ny ela. / Tanimanga: karazan-tany azo pondipondena tsars rehefa lena, tsy tantera-drano koa, ka tsara hanaovans biriky na talla. / Tantmangampoza: karazan-tanimanga menamena volo. / Tany maty: tany nanokanana fahiny ny mararin'ny nendra. / Tany mena: tany menamena volo noho ny vy be ao aminy. / Tany mondra: tany mora potsipotsehina ary lonaka tsara saingy mora lany tsiro koa rehefa volena tsy ela akory. / Tany mora: tany fotsifotsy izay atentina ny handrina na ny faritra hala amin'ny tena noho ny finoanoam-poana. / Tanirauo: tany fotsifotsy ampiasaina handalorana. / Tany uaky holatra: tany vao asaina. Ahitsio
Tany
[admin]
: fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho. Ahitsio
Tany
[admin]
: p. mt.: Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina. Ahitsio
Tany
[admin]
: a.: Teny tranainy ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian'io teny io rahateo (tamin'ny alalan'ny tsofoka om: t - om - any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon'antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin'ny tomany ny hirahiran'ny antitra noho ny fibosesehan'ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin'ny fiainany la-sa. Ahitsio
Tangozana
[admin]
: p. t. : Osa, malemilemy tsy afa-mandeha. ¶ M.h.: Mihozangozana, mitsingozangozana. Ahitsio
Tangozana
[admin]
: a.: Mitovy amin' ny Tangazona. Ahitsio
Tangozana
[admin]
: a.: Tahony kely mihazona ny voankazo. Ahitsio
Tangosana
[admin]
: (tango) mt. ih. (tangosy): Tapahina amin'ny ta-nana na amin'ny antsy ny ravina na laingon'ny anana: Notangosan'Isambilo daholo ny anamamy tao an-tanirnboly. ? Tapahina ny tongotra sy ny elatry ny valala: Tangosy ireto valala ireto, rankizy. Ahitsio
Tangoronana
[admin]
: na Tangoronina (tangorona) mt. ih. (tangorony): Hodidinin'olona betsaka: Notangoronan'ny ankizy ilay marary ka saika sempotra. Ahitsio
Tangorona
[admin]
: a.: Fivoriana betsaka manodidina tsisy filaharana na filantoana. - t.i.f.: Tangoronana, tangoronina, atangorona, voatangorona, tafatangorona / manatangorona, fanatangorona, mpanatangorona / anatangoronana, fanatangoronana / mitangorona, fitangorona, mpitangorona / itangoronana, fitangoronana / mahatangorona. Ahitsio
Tangopetaka
[admin]
: ft.: Niavian'ireto: mitangopetaka, fitangopetaka. - t.i.f.: Mitangopetaka, fitangopetaka. Ahitsio
Tangontsotrobe
[admin]
: na Fonombimainty a.: Anaran-karatra filalaovana misy sarina fo lehibe mainty. Ahitsio
Tangongoana
[admin]
: na Tangongoina (tangongo) mt. ih. (tangon-goy): Hodidinin'olona na zavatra betsaka. Ahitsio
Tangongo
[admin]
: a.: Fivorian-javatra betsaka miavosa na fivorian' olona maro mifanakaiky, mifanety. - t.i.f.: Tangongoana na tangongoina, atangongo, voatangongo, tafatangongo / manatangongo, fanatangongo, mpanatangongo / anatangongoana, fanatangongoana/ mitangongo, fitangongo, mpitangongo / itangongoana, fitangongoana / mahatangongo. Ahitsio
Tangoloaka
[admin]
: a.: Loaka mangotana ao anaty tany, na ao amin'ny rindrina, na amin' ny fefiloha atao handehanan'ny rano. J Tangoloahana, atangoloaka, voatangoloaka / manatangoloaka, fanatangoloaka, mpanatangoloaka / anatangoloahana, fanatangoloahana / mahatangoloaka. Ahitsio
Tangoloahana
[admin]
: (tangoloaka) mt. ih. (tangoloahy): Loahana mangotàna. Ahitsio
Tangolika
[admin]
: a.: Fadiditra; olikolika. - t.i.f.: Tangolehina, tangolehana, atangolika, voatangolika, tafatangolika/ manatangolika, fanatangolika, mpanatangolika / anatangolehana, fanatangolehana / mitangolika, fitangolika, mpitangolika 1 itangolehana, fitangolehana / mahatangolika. Ahitsio
Tangolehina
[admin]
: na Tangolehana (tangoloka) mt. ih. (tangoleho): Aolana, aolikolika; fididirana. Ahitsio
Tangoaka
[admin]
: a.: Loaka, gorobaka. ? Kilalaon'ankizy mitsingoloka ka ny lohany ataony anelakelaky ny tanany roa, ny tongony atsotrany ambony ary miamboho ny masoandro izy. Ahitsio