Teny nampidirina farany

Tango
[admin]
: a.: Fanapahana amin'ny tanana na amin'ny antsy ny ravina na laingon'ny anana; fanapahana ny tongotra sy ny elatry ny valala. * t.i.f. : Tangosana, atango, voatango / mitango, fitango, mpitango / itangosana, fitangosana / mahatango / tango-tango. - F.-p.: Tango iena: fomba fahandro valala izay tapahina ny tongony sy ny elany alohan'ny hampangotrahana azy. Ahitsio
Tangizina
[admin]
: ft.: Toetran'ny zavatra mifanety, mifamoritra. * t.i.f.: Atangizina, voatangizina, tafatangizina/ manatangizina, fanatangizina, mpanatangizina / anatangizinana, fanatangizinana / mitangizina, fitangizina, mpitangizina / itangizinana, fitangizinana / mahatangizina. Ahitsio
Tangitrika
[admin]
: ft.: Boiboika, fantsitsitra, toy ny fifantsitsiran'ny rano avy ao anaty tany. ? Fandentehana zavatra lalina toy ny lefona anaty hazo na anaty tany. * t.i.f.: Tangitrihana, atangitrika, voatangitrika, tafatangitrika / manatangitrika, fanatangitrika, mpanatangitrika / anatangitrihana, fanatangitrihana 1 mitangitrika, fitangitrika, mpitangitrika / itangitrihana, fitangitrihana / mahatangitrika / tangitrikitrika. Ahitsio
Tangitrihana
[admin]
: (tangitrika) mt. ih. (tangitriho): Anitrihana, andentehana. Ahitsio
Tangirika
[admin]
: a.: Hirika, loaka kely migorobaka amin'ny en-china na amin'ny fefiloha a-tao fandehanan'ny rano (jar. Tangoroaka, izay ilazana loaka mangotana kosa). - t.i.f• : Tangirihana, tangirifana, atangirika, voatangirika/ manatangirika, fanatangirika, mpanatangirika / anatangirihana, fanatangirihana / mitangirika, fitangirika, mpitangirika / itangirihana, fitangirihana/ mahatangirika. Ahitsio
Tangirihana
[admin]
: na Tangirifana (tangirika) mt. ih. (tangiriho, tangirifo): Loahana. Ahitsio
Tangina
[admin]
: (tangy) mt. ih. (tangio): Karamaina mba hanao zava-dratsy, tsy mendrika. Ahitsio
Tangiky
[admin]
: a.: Atodintarina, na atodintaria. Ahitsio
Tangika
[admin]
: a.: Teny ilazana ny marary mivonto amin'ny te-na, tarimo, na Larimon'aret?-mifindia toy ny pesta izany na tarimo morainy fotsiny. Ahitsio
Tangy
[admin]
: a.: Vola omen'ny lehilahy ny vehivavy mba hanekeny hiray aminy. ? h, i.: Ka-rama. - t.i.f.: Tangina, atangy, voatangy 1 manangy, fanangy, mpanangy / anangiana, fanangiana / mitangy, fitangy / mpitangy / mahatangy. Ahitsio
Tangezaheza
[admin]
: ft.: Fijoroana mijanona tsy mandroso tsy mihemotra. * t.i.f.: Mitangezaheza. Ahitsio
Tangerina
[admin]
: ft.: Fisangodingodina, fitambolimbolina. - t.i.f.: Tangerenana, atangerina, voatangerina, tafatangerina 1 manatangerina, fanatangerina, mpanatangerina 1 anatangerenana, fanatangerenana 1 mitangerina, fitangerina, mpitangerina / itangerenana, fitangerenana / mahatangerina / tangeringerina. Ahitsio
Tangerenana
[admin]
: (tangerina) mt. ih. (tangereno): Sangodinina. Ahitsio
Tangena
[admin]
: a.: Zavamaniry fantatra indrindra amin'ny voany mangidy, izay nampiasaina fahagola hitsarana ny olona voapanga ho mpamosavy tamin'ilay fomba atao hoe fampinomana (Thanginia uenenifera). —( Ahitsio
Tangazonina
[admin]
: (tangazona) mt. ih. (tangazony): Tanana, hazonina, sakanana. Ahitsio
Tangazona
[admin]
: a.: Tana, sakana (mitovy amin'ny Hazona). * t.i.f• : Tangazonina, atangazona, voatangazona / manatangazona, fanatangazona, mpanatangazona 1 anatangazonana, fanatangazonana / mitangazona, fitangazona / itangazonana, fitangazonana / mahatangazona. Ahitsio
Tangary
[admin]
: p. t.: Fetsy mody miseho ho olon-tsotra, kanjo fiharatra. * t.i.f.: Mitangary, fitangary / itangariana, fitangariana. Ahitsio
Tangaranina
[admin]
: (tangarana) mt. ih. (tangarano): Tapahina hentitra tsara. Ahitsio
Tangarana
[admin]
: na Tarangana p. t.: Tapaka hentitra tsara: Aoka ho tapaka tangarana ny amin'iny. - t.i.f.: Tangaranina, voatangarana / manatangarana, fanatangarana, mpanatangarana/ anatangaranana, fanatangaranana. Ahitsio
Tanety
[admin]
: a.: Tany be tsy anaty rano. * t.i.f.: Mananety. - F.-p.: Tanety lava misy fisainana: enti-milaza fa tsy tokony hanapatapa-kevitra maimaika, fa hiandry fotoana lavalava mba haka sains tsara. Ahitsio