Teny nampidirina farany

Tanety
[admin]
: a.: Tany be tsy anaty rano. * t.i.f.: Mananety. - F.-p.: Tanety lava misy fisainana: enti-milaza fa tsy tokony hanapatapa-kevitra maimaika, fa hiandry fotoana lavalava mba haka sains tsara. Ahitsio
Tanesaka
[admin]
: a.: Fandeha mitsikamokamo, mivaroraka sy mitaredretra (jer. Danesaka). * t.i.f.: Mitanesaka, fitanesaka, mpitanesaka. Ahitsio
Tanehina
[admin]
: (tanika) mt. ih. (taneho): Handroina na andrahoina: Taneho aloha ny hena. ? Ampangotrahina: Tanehina ny ranombary vao arotsaka ny vary. ? Empoina: Tanehin'ny hainandro ny ranonando ka levona antoerana. ? Zohina sy enjehina tsy an-kijanona, tanarahina: Tanehin'ny tompon--trosa Rangahy iny ka mila ho voa ny lohany. Ahitsio
Tandrovina
[admin]
: (tandro) mt. ih. (tandrovy): Tandrem ana, tsimbinina, raharahaina (tsy fiteny anefa afa-tsy amin'ny voninahitra, henatra, hasasarana...: Tandrovy ny voninahitrao fa aza manala-bara-tena amin'ny fahamamoana. Ahitsio
Tandrokosy
[admin]
: (Br) p. t.: Tandrok' omby miendri-tandrok'osy. Ahitsio
Tandroka
[admin]
: a.: Zavatra mafimafy toy ny taolana mipoitra eo an-dohan'ny biby sasantsasany toy ny omby, ny osy,... ka ataony fiadiana sy hiarovany tena amin'ny fahavalony. ? Olona ambony ara-pahaizana na ara-pahefana ka miahy sy miaro ny vahoaka ary mitsangana ho voninahiny: Ianareo foloalindahy no tandroky ny firenena. - Tandrohana, tandrohina, voatandroka / manandroka, fanandroka, mpanandroka / anandrohana, fanandrohana / miantandroka, fiantandroka, mpiantandmka / iantandrohana, fiantandrohana. Toetra amam-bikan'ny tandrok'omby araka ny fahalalan'ny foko sasantsasany azy: Biko na Bikoa (Ski): karazan-tandrok'omby namboarina hatramin'ny fitsiriany haka ny endrika itiavana azy, ka mety ho voa-Janahary ny bikany, mety ho nafaingoka kely, mety koa ho nafaingo-, ka hiolaka tanteraka mils hikasika ny loha; Kirongo na Korongo (Mer na Btl): tandrok'omby miendri-bolantsinana ary mifanatona ny tendrony roa; Lily (Br): tandrok'omby somary misabaka mitovy fandry nefa misompirana; Mamadika (Btl): tahaka ny korongo fa boribory antonony ny fiolany; Manofaka (Btl): ilazana ny tandrok'omby manomboka mitsefatsefaka na vakivaky; Molily (Btl): tandrok'omby solilahina ny ilany iray mba hitsirian'ny ilany iray; Monga (Btl): tandrok'omby zara raha misy ny ilany; Rondrika (BU): karazan-tandrok' omby miolaka amin'ny andanin'ny sofina roa; Salamaloha na Sapelatra (Btl): ilazana ny tandrok'omby mihamivelatra mahitsy miakatra; Salangalanga (Btl): toetandrok'omby mijoro mahitsy miakatra; Salandy na Bo-ri (vori) (Btl): tandrok'omby malemy fonosana ka mikiraviravy eo aloha; Sapapa (Br): tandroka mivolantsinana tonga lafatra ka tian'ny olona izaitsizy fa mahatsara bika ny omby; Sondenda (Mer) na Sondandy (Br): toe-tandrok'omby misabaka fitsiry ary miakatra nefa fohy; Tandrobalala (Mer sy Btl): tandrok'omby mahitsy somary miondrika er? aloha, miendri-tandro-balala; Tandrok'osy (Br) na Sakoloha (Btl): tandroka miendrika tandrok'osy; Teko (Br) na Rondrona (Btl): somary miondrika mankany anoloana ny tandroka; Tola (Btl): toetandrok'omby miolaka amin'ny an-daniny avy; Trea (Br): tandrok'omby misabaka tanteraka ka manao fandrin-drano ary somary mahitsy lava amin'ny ila sofina roa. Ahitsio
Tandroho
[admin]
: a.: Karazana harona lehibe misy makarakara, vita amin'ny hazondrano ampifadidirina, ka atao fanihifana trondro na toho. (Mitovitovy amin'ny vovo ny tandroho, saingy toy ny sobiky ny bikany ary asaika ao anaty rano no faka hazandrano aminy, fa tsy mba apetraka fotsiny "miandry mahazo" ao anaty rano tahaka ny vovo; atao hoe manihika ny maka hazandrano amin'ny tandroh o ). Ahitsio
Tandrohina
[admin]
: (tandroka) mt. ih. (tandrohy): Raisina amin' ny tandroka. Ahitsio
Tandrohana
[admin]
: (tandroka) mt. ih. (tandrohy): Petahana tandroka, izay ampiasaina ho toy ny vantozy amin'ny fitsaboana aretina sasantsasany. ? (trano) Asiana ilay hazo avo misampana antsoina hoe tandrotrano. Ahitsio
Tandrobalala
[admin]
: (Mer sy Btl) p. t.: Teny ilazana karazan-tandrok'omby mahitsy miendritandro-balala somary miondrika any aloha. Ahitsio
Tandro
[admin]
: ft.: Fitsimbinana, fitandremana zavatra mba tsy ho simba, fandalana. * t.i.f.: Tandrovina, voatandm / mitandro, fitandro, mpitandro / fitandrovana, itandrovana. Ahitsio
Tandrina
[admin]
: a.: Fiambenana, fiandrasana, fampifantohana ny saina amana eritreritra amin-javatra anankiray; fanarahana, fanatanterahana didy na lalàna: Ratsy tandrina ny nanaovany ny ankizy./A-taovy tsara tandrina ny didy. * t.i.f : Tandremana, atandrina, voatandrina / mitandrina, fitandrina, mpitandrina / itandremana, fitandremana 1 mahatandrina. Ahitsio
Tandrimo
[admin]
: a.: Kilalao vita amin'ny hazo natao boribory kitsoloha misy fantsika, izay hodidinina kofehy, ka rehefa atsipy amin'ny tanY ny tandrimo ka somary sintonina ny kofehy, mivaha haingana ilay izy ary mihodinkodina eo ambonin'ny fantsika ny tandrimo: Milalao tandrimo. - F.-p.: Kapo-tandrimo, vely tandrimo: kapoka mafy mirivirivy. ¶ M.h.: Sangodina. Ahitsio
Tandrify
[admin]
: ppk.: Manatrika ny, mifanatrika amy: Tandrifin' ny lapan'ny tanàna no misy ny tranony. ? Sahaza, antonona: Tandrify ho vadinao io zazavauy io ka aza misalasala./Tandrify azy mihitsy ilay aga. (Tsara homarihina fa amin'ilay hevitra (1) dia tandrifin'ny, tandrifiko, tandrifinao, tandrifiny... no ampiasaina, fa amin' ilay hevitra (2) kosa, tandrify ny, na tandrify ahy, tandrify anao, tandrify azy..., ka fiteny diso ny hoe: tandrifin'azy). - t.i.f. : Tandrifina, atandrify, voatandrify / manandrify, fanandrify, mpanandrify / fanandrifiana, anandrifiana / mifanandrify / mahatandrify. Ahitsio
Tandry
[admin]
: a. (tsy dia fampiasa loatra): Endrikendrika, fitsaratsarana olona foana, tombotomboka, * t.i.f.: Tandrena na tendre-na, atandry na atendry, voatandry / manandry. Ahitsio
Tandry
[admin]
: Mitovy amin'ny Tandrina, tsy fahita afa-tsy amin'ilay fitenenana hoe Tsy tandry: tsy niraiken'ny saina firy, lasalasa ho azy. Ahitsio
Tandrevaka
[admin]
: p.t.: Tsy voakendry na mba nomanina fa toa nataotao vonjy maika na kitoatoa fotsiny: Nahandro tandrevaka. Ahitsio
Tandrendrena
[admin]
: p. t.: Adaladala, ketrina, taraiky. * t.i.f• : Mitandrendrena, fitandrendrena, mpitandrendrena. Ahitsio
Tandrena
[admin]
: na Tendrena (tan-dry) mt. ih. (tandreo, tendreo): Endrikendrehina, tsaratsaraina foana, tombotombohina. Ahitsio
Tandremana
[admin]
: (tandrina) mt. ih. (tandremo): Afantoka aminy ny saina amana eritreritra: Tandremo tsara izay soratanao, fa ny soratra mijanona. ? Ambenana, andrasana, karakaraina mba tsy hisy simba: Tsy notandremanao tsara ny akohokely ka nisy latsaka tao am-pantsakana. ? A-rahina, tanterahina: Raha te ho voavonjy ianao, tandremo ny didy. ? Atao izay tsy hahavoa ny tena: Tandremo sao solafaka. Ahitsio