Teny nampidirina farany

Tandrefana
[admin]
: (andrefana) a.: Enti-milaza ny olona avy any andrefana. — Raha ilazana ny fizaran'ny tany lehibe io teny io, dia entina milaza ny olona avy any amin'ny ilan'ny tany heverina fa ilentehan'ny masoandro, dia i Eoropa izany, A-merika... mifanohitra amin' ny Tatsinanana, karazan'olona monina amin'ny ilany atsinanana amin'ny tany (A-zia, Japana...). Ahitsio
Tandrantandrana
[admin]
: a.: Fijery miherikerika etsy sy eroa toy ny an'ny olona bado ketrinketrina. - t.i.f.: Mitandrantandrana, fitandrantandrana, mpitandrantandrana / itandrantandranana, fitandrantandranana. Ahitsio
Tandrano
[admin]
: a.: Ireo monina amoron-drano na eny an-keniheny. Ahitsio
Tandrametaka
[admin]
: p.t.: Vita kitoatoa toy ny napetapetaka fotsiny, zara fa vita. Ahitsio
Tandraina
[admin]
: (tandra) mt. ih. (tandrao): (zaza) Omena fanomezana mba hisambasambana fahasitranana ho azy. Ahitsio
Tandraholatra
[admin]
: a.: Karazan-tany menamena ataon'ny olona fandalorana. Ahitsio
Tandraina
[admin]
: (tandra) mt. ih. (tandrao): Ongotana amin' ny tandra. Ahitsio
Tendra
[admin]
: a.: Pentina mainty kely tsy mety afaka eny amin' ny hoditra. - F.-p.: Tandra vadin-koditra: zavatra tsy mahay misaraka amin'ny zavatra hafa iray: Tandra vadin-koditry ny olombelona ny aretina. Ahitsio
Tandra
[admin]
: (Ski) a.: Tolotra orne-na ny zanaka na ny zafy. Ahitsio
Tandra
[admin]
:Fanomezana manokana omena zaza mbola tsy teraka na zaza marary mba hirariana na hisambasambana fahaterahana na fahasitranana soa aman-tsara ho azy. - t.i.f.: Tandraina, atandra, voatandra, tinandra / manandra, fanandra, mpanandra / anandrana, fanandrana. Ahitsio
Tandra
[admin]
: (Btm) a.: Fanomezana mariky ny fifonana noho ny fahadisoana. Ahitsio
Tandra
[admin]
:Fiasana misy vavany roa mahazo mifanatona ary toa miketoka ka afaka mamia zavatra, ampiasaina hanongotam-pantsika na hitazonana ny vy mahamay hotefena. - t.i.f.: Tandraina, atandra, voatandra, tinandra / manandra, fanandra, mpanandra / anandrana, fanandrana. Ahitsio
Tandonaka
[admin]
: a.: Andriana na hova ka navotan'ny mpanjaka ary dia tonga mpanompony. Ahitsio
Tandomitra
[admin]
: na Tandomerina a.: Karazan'aretina mahatonga ny hoditra handrotsirotsy sy hivotrovotro mitapelaka noho ny fitohanana na koa matetika noho ny tsy fahazakan'ny tena karazan-kanina iray, toy ny trondro. Ahitsio
Tandomerina
[admin]
: a.: Voan'ny aretina antsoina hoe tandomitra, nefa koa matetika ilazan' ny olona ilay aretina mihitsy io teny io: Voan'ny tandomerina ny zanako. Ahitsio
Tandindona
[admin]
: a.: Aloky ny te-na: Aza miady amin'ny tandindona. ? Sarin'ny tena jerena ao anaty fitaratra na ao anaty rano ka ninoan'ny Ntaolo fa fahitana ny fanahy: Voalazan'ny tantara fa nijery tandindona tany Anosifito Andrianampoinimerina andro uitsivitsy talohan'ny hahafatesany. ? Sary: Ny famonoana ny zanak'ondrin' ny Paka teo amin'ny Jody dia tandindon'ny sorona nataon'i Kristy tamin'ny na-ha fatesan y. - t.i.f.: Tandindomina, voatandindona / manandindona. Ahitsio
Tandindomina
[admin]
: (tandindona) mt. ih. (tandindomy): Alofana: Hotandindomin'io vato io ny trano ka ho maizimaizina. ?Tsindriana:Notandindomin'alahelo aho lahy hateloana taiohan'ny nahafatesany! Ahitsio
Tandetsy
[admin]
: a.: Jar. Letsy. Ahitsio
Tandemena
[admin]
: p. t.: Osa malemilemy, saozanina. Ahitsio
Tandavana
[admin]
: a.: Filaharana manaraka ny lavany, toy ny an' ny hazo maniry eny amin'ny sisin-dalana. - t.i.f.: Mitandavana, tomandavana. - F.-p.: Tandavan-tendrombohitra: jar. Tendrombohitra. Ahitsio